Ezekiela
Toko 46
- 1[Ny amin’ny mpanjaka sy ny fanatitra hataony sy ny hataon’ny vahoaka, sy ny zavatra homeny ho an’ny zanany sy ny mpanompony, ary ny amin’ny fahandroana ny fanatitra naterin’ny vahoaka] Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Ny vavahadin’ny kianja anatiny izay manatrika ny atsinanana dia harindrina mandritra ny henemana fanaovan-draharaha; fa amin’ny Sabata sy amin’ny andro voaloham-bolana kosa no hivoha izy.
- 2Dia hiditra avy any ivelany amin’ny lalana mankamin’ny lavarangan’ny vavahady ny mpanjaka ka hijanona eo anilan’ny tolam-bavahady, ary ny fanatitra dorany sy ny fanati-pihavanany dia haterin’ny mpisorona, ary ny mpanjaka hiankohoka eo amin’ny tokonam-bavahady, dia hivoaka izy; ary tsy hirindrina ny vavahady, raha tsy efa hariva ny andro.
- 3Ary ny vahoaka koa hiankohoka eo anatrehan’i Jehovah eo am-bavahady amin’ny Sabata sy amin’ny andro voaloham-bolana.
- 4Ary ny fanatitra dorana izay haterin’ny mpanjaka ho an’i Jehovah amin’ny andro Sabata dia zanak’ondry enina tsy misy kilema sy ondrilahy iray tsy misy kilema koa.
- 5Ary ny fanatitra hohanina fanampin’ilay ondrilahy iray dia iray efaha, ary ny fanatitra hohanina fanampin’ireo zanak’ondry dia araka izay tiany*, ary ny diloilo iray hina isan’efaha.[Na: tratry ny ananany]
- 6ary amin’ny andro voaloham-bolana dia vantotr’ombilahy iray tsy misy kilema sy zanak’ondry enina ary ondrilahy iray; samy tsy hisy kilema ireo.
- 7Ary hanatitra fanatitra hohanina izy, dia iray efaha isam-bantotr’ombilahy sy iray efaha isan-ondrilahy koa; ary ny amin’ny zanak’ondry dia araka izay tiany*, ary ny diloilo dia iray hina isan’efaha.[Na: tratry ny ananany]
- 8Ary raha miditra ny mpanjaka, dia amin’ny lalana mankamin’ny lavarangan’ny vavahady no hidirany ary amin’ny lalana nalehany ihany koa no hivoahany.
- 9Fa raha ny vahoaka kosa no miditra ho eo anatrehan’i Jehovah amin’ny fotoam-pivavahana, dia izay miditra amin’ny vavahady avaratra hiankohoka dia hivoaka amin’ny vavahady atsimo kosa; ary izay miditra amin’ny vavahady atsimo dia hivoaka amin’ny vavahady avaratra kosa: tsy hiverina amin’ilay vavahady nidirany izy, fa amin’izay tandrifiny ihany no hivoahany
- 10Ary ny mpanjaka dia hiara-miditra amin’ireo, ary raha mivoaka ireo, dia hiara-mivoaka aminy.
- 11Ary amin’ny andro firavoravoana sy ny fotoam-pivavahana dia iray efaha no ho fanatitra hohanina isam-bantotr’ombilahy iray, ary iray efaha isan-ondrilahy iray, ary ny amin’ny zanak’ondry, dia araka izay tiany*, ary ny diloilo dia eran’ny hina isan-efaha.[Na: tratry ny ananany]
- 12Ary raha ny mpanjaka no manatitra fanatitra dorana na fanati-pihavanana ho fanatitra sitrapo ho an’i Jehovah, dia hovohana ho azy ny vavahady manatrika ny atsinanana, dia hateriny ny fanatitra dorany sy ny fanati-pihavanany, tahaka izay àtaony amin’ny Sabata; ary rehefa tafavoaka izy, dia harindrina ny vavahady.
- 13Ary zanak’ondry anankiray iray taona tsy misy kilema no haterinao isan’andro ho fanatitra dorana ho an’i Jehovah; isa-maraina no hanateranao azy.
- 14Ary hanatitra fanatitra hohanina ho fanampiny isa-maraina ianao, dia ampahenin’ny efaha sy diloilo ampahatelon’ny hina handemana ny koba tsara toto; fanatitra hohanina ho an’i Jehovah izany: lalàna tsy miova mandrakizay izany.
- 15Ary toy izany no anatero ny zanak’ondry sy ny fanatitra hohanina ary ny diloilo isa-maraina ho fanatitra mandrakariva.
- 16Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Raha manome zavatra ho an’ny anankiray amin’ny zanany ny mpanjaka, dia ho lovan’ny zanany izany; eny, ho zara-lovany izany.
- 17Fa raha manome zavatra avy amin’ny lovany ho an’ny anankiray amin’ny mpanompony kosa izy, dia ho azy mandra-pahatongan’ny taona fanafahana ihany izany; dia hiverina ho amin’ny mpanjaka indray izany ka ho lova ho an’ny zanany ihany.
- 18Ary tsy haka amin’ny lovan’ny vahoaka hampiala azy amin’ny zara-taniny izy; fa homeny lova avy amin’ny fananany ihany ny zanany, mba tsy hielezan’ny oloko hiala amin’ny zara-taniny.
- 19Dia nentiny niditra tamin’ny fidirana eo anilan’ny vavahady aho ho ao amin’ireo efi-trano masin’ny mpisorona, izay manatrika ny avaratra; ary, indro, nisy fitoerana teo amin’ny faran’ny andrefana.
- 20Dia hoy izy tamiko: Io no fitoerana fahandroan’ny mpisorona ny fanati-panonerana sy ny fanatitra noho ny ota sy hanendasany ny fanatitra hohanina, mba tsy hitondrany azy mivoaka lò any amin’ny kianja ivelany hanamasina ny olona.
- 21Dia nentiny nivoaka ho any amin’ny kianja ivelany aho ka nampiteteziny ny zorony efatra amin’ny kianja; ary, indro, ao amin’ny isan-joron’ny kianja dia nisy kianja hafa koa.
- 22Teny amin’ny zorony efatra amin’ny kianja dia nisy kianja nofefena, efa-polo hazizo avy ny lavany, ary telo-polo avy ny sakany; mitovy ohatra ireo an-jorony efatra ireo.
- 23Ary nisy rafitra teo anatiny manodidina azy, dia manodidina ireo efatra ireo, izay nisy fahandroana ambanin’izany rafitra manodidina izany.
- 24Dia hoy izy tamiko: Ireto no tranon’ny mpahandro, izay fahandroan’ny mpanao fanompoam-pivavahana eto an-trano ny fanatitra halatsa-drà aterin’ny olona.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.