Ezekiela
Toko 4
- 1Ary ianao, ry zanak’olona, makà kapila tanimanga, ary apetraho eo anoloanao, dia manorata sarin-tanàna eo aminy, dia sarin’i Jerosalema;
- 2ary ataovy fahirano izy, ka manaova tilikambo hamelezana azy, ary manandrata tovon-tany manodidina azy; ary asio toby hamelezana azy, ary asio lohondry vy fandravana manodidina azy.
- 3Ary makà lapoely, ka ataovy manda vy eo anelanelanao sy ny tanàna, dia banjino tsara io, ary aoka hatao fahirano, eny, aoka hataonao fahirano io. Famantarana ho amin’ny taranak’Isiraely izany.
- 4Ary ataovy ambany mandry ny ilanao ankavia, ka ataovy eo aminy ny fahotan’ny taranak’Isiraely; koa araka ny isan’ny andro handrianao toy izany no hitondranao ny helony.
- 5Fa Izaho dia manao fetr’andro ho anao mitovy amin’ny taonan’ny helony, dia sivi-folo amby telon-jato andro, ka ho entinao ny heloky ny taranak’Isiraely.
- 6Ary rehefa tapitrao ireo, dia ataovy ambany mandry kosa ny ilanao ankavanana, ary aoka hitondra ny heloky ny taranak’i Joda efa-polo andro ianao; ny indray andro no nataoko solon’ny herintaona ho anao.
- 7Dia banjino tsara io fahirano an’i Jerosalema io, ary aoka hiseho sandry ianao ka haminany hamely azy.
- 8Ary, indro, hafatotro ianao ka tsy hahavadi-mandry ambara-pahatapitrao ny andron’ny fahiranonao.
- 9Ary mangalà vary tritika sy vary hordea sy tsaramaso sy voanemba* sy ampemby sy spelta ianao, ary ataovy am-bilia iray ireo, ka anaovy mofo ho anao; araka ny isan’ny andro izay handrianao amin’ny ilanao, dia sivi-folo amby telon-jato andro, no hihinananao azy. [Heb. nangidy]
- 10Ary an-danjany no hihinananao ny haninao, dia roa-polo sekely isan’andro; asio elanelany ny fihinanao azy.
- 11Ary rano afàtra no hosotroinao, dia ampahenin’ny hina; asio elanelany koa ny fisotronao azy.
- 12Ary hatao toy ny mofo vary hordea no ho fihinanao azy, ary diky no hataonao kitay hanendasanao azy eo imasony.
- 13Ary hoy Jehovah: Toy izany no hihinanan’ny zanak’Isiraely ny mofony voaloto any amin’ny firenena izay handroahako azy.
- 14Dia hoy izaho: Indrisy Jehovah Tompo รด, indro tsy voaloto ny fanahiko; fa hatry ny fony aho mbola tanora ka mandraka ankehitriny dia tsy mba nihinana izay fatin-javatra na izay noviraviraim-biby akory aho; ary tsy mbola nikasika ny vavako akory izay nofo fahavetavetana.
- 15Dia hoy Izy tamiko: Indro, tain’omby no omeko anao hisolo ny dity, ka izany no hataonao kitay hanendasanao ny mofonao.
- 16Ary hoy koa Izy tamiko: Ry zanak’olona, indro, hotapahiko any Jerosalema ny mofo, tohan’aina, ka an-danjany amin’ny fanahiana no hihinanany mofo; ary rano afàtra no hosotroiny amin’ny fahatahorana.
- 17Ka dia ho mosare-mofo sy rano izy, ary samy ho raiki-tahotra sady hihalevona noho ny helony.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.