Ezekiela
Toko 23
- 1[Fanoharana ny amin’Ohola sy Oholiba hampiseho ny nijangajangan’i Samaria sy Jerosalema] Ary tonga tamiko ny tenin’i Jehovah nanao hoe:
- 2Ry zanak’olona, nisy vehivavy mirahavavy iray tam-po;
- 3ary nijangajanga tany Egypta izy; fony izy mbola tanora no nijangajanga; tao no nisafosafoana ny tratrany, ary tao no nitsapatsapana ny nonon’ny fahavirijinany.
- 4Ny anaran’ny zokiny dia Ohola*, ary ny rahavaviny dia Oholiba**; ary novadiko izy ka niteraka zazalahy sy zazavavy. Ny amin’ny anarany: Samaria no Ohola, ary Jerosalema no Oholiba.[*Ohola = lainy][**Oholiba = Ny laiko no ao aminy]
- 5Ary raha mbola vadiko Ohola, dia nijangajanga izy; maimay izy tamin’ireo lehilahiny, dia ny Asyriana mifanolotra aminy,
- 6izay mitafy mangamanga, dia ny governora sy ny lefiny, tovolahy bikàna izy rehetra sady mpitaingin-tsoavaly.
- 7Nijangajanga tamin’ireny izy, dia tamin’izay tsara indrindra tamin’ny zanakalahin’i Asyria sy tamin’izay rehetra nahamaimay azy; tamin’ny sampiny rehetra no nandotoany tena.
- 8Ary ny fijangajangana izay fanaony hatrany Egypta dia tsy foiny; fa fony izy mbola tanora dia nandrian’ireny, ary ireny no nitsapatsapa ny tratran’ny fahavirijinany sady nanaram-po nijangajanga taminy.
- 9Ary noho izany dia natolotro ho eo an-tànan’ireo lehilahiny izy, dia eo an-tànan’ny Asyriana izay nahamaimay azy.
- 10Ireny no nampiseho ny fitanjahany; ny zananilahy sy ny zananivavy dia lasan’ireny, ary ny tenany novonoiny tamin’ny sabatra, ka dia tonga ambentinteny tamin’ny vehivavy izy ary efa niharan’ny fitsarana.
- 11Ary nony hitan’i Oholiba rahavaviny izany, dia vao mainka nataony manoatra noho ny azy indray ny fahamaimaizany, ary ny fijangajangany manoatra noho ny an’ny rahavaviny,
- 12Maimay tamin’ny Asyriana mifanolotra aminy izy, dia ny governora sy ny lefiny, olona mareva-pitafiana sady mpitaingin-tsoavaly, samy tovolahy bikàna izy rehetra.
- 13Dia hitako fa efa nandoto ny tenany izy, fa lalana iray ihany no nalehan’izy mirahavavy;
- 14ary mbola nampandrosoiny ihany ny fijangajangany, fa nahita sariolona voasoratra teo amin’ny rindrina izy sy ny sarin’ny Kaldeana voasoratra tamin’ny loko mena.
- 15samy nisy fehin-kibo nifehy teo am-balahany sy hamama voanato nisy rambony teo an-dohany; ny fijery azy rehetra dia toy ny fijery zanak’andriana, dia tahaka ny zanakalahin’i Babylona, izay teraka tany amin’ny tany Kaldea.
- 16Ary raha vao hitan’ny masony ireny, dia maimay taminy izy ka naniraka olona ho any aminy tany Kaldea.
- 17Ary tonga tany aminy ho ao amin’ny fandriam-pitiavana ireny zanakalahin’i Babylona ka nandoto azy tamin’ny fijangajangany; ary nony efa voaloton’ireny izy, dia niombotra niala taminy kosa ny fanahiny.
- 18Ary rehefa naneho ny fijangajangany sy nampiseho ny fitanjahany izy, dia niombotra niala taminy ny fanahiko, toy ny efa niombotan’ny fanahiko niala tamin’ny rahavaviny ihany.
- 19Dia nampitombo ny fijangajangany ihany izy, ka dia nahatsiaro ny andro fahatanorany, izay nijangajangany tany amin’ny tany Egypta.
- 20Fa izy dia maimay tamin’ireo lehilahiny, izay manana nofo tahaka ny nofom-boriky, ary ny avy aminy dia toy ny avy amin’ny soavaly.
- 21Nitady ny fijangajangan’ny fahatanoranao ianao, dia ilay nitsapatsapan’ny Egyptiana ny nononao, satria nonon’ny fahavirijinanao ireo.
- 22Koa izao, ry Oholiba, no lazain’i Jehovah Tompo: Indro, hotairiko hamely anao ireny lehilahinao, izay efa niombotan’ny fanahinao, ka ho entiko avy amin’ny tany manodidina izy mba hamely anao,
- 23dia ireny zanakalahin’i Babylona mbamin’ny Kaldeana rehetra, mpanapaka sy manan-jo sy andrian-dahy*, ary ny Asyriana rehetra koa miaraka aminy; tovolahy bikàna izy rehetra, dia ny governora sy ny lefiny, zanak’andriana sy olom-boafidy, sady mpitaingin-tsoavaly avokoa izy rehetra.[Na: Pekoda sy Soa ary Koa]
- 24Ary ho avy izy mitondra fiadiana sy kalesy sy kodia mbamin’ny firenena betsaka hamely anao, izay hanisy ampinga lehibe sy ampinga kely sy fiarovan-doha manodidina hamelezana anao, ary hatolotro azy ny fitsarana, ka hitsara anao araka ny fitsarany izy.
- 25Ary ho entiko hamely anao ny fahasaro-piaroko, ka hamely anao amin’ny fahatezerana ireny: hesoriny ny oronao sy ny sofinao, ary izay sisa aminao dia ho lavon’ny sabatra, ka ho lasan-ko babony ny zanakalahinao sy ny zanakavavinao, ary izay sisa aminao holevonin’ny afo.
- 26Ary hendahany ny lambanao, sady hesoriny aminao ny firavakao soa.
- 27Ary hatsahatro ny fahavetavetanao, dia ny fijangajanganao izay fanaonao hatrany amin’ny tany Egypta, fa tsy ihandrandrainao aminy intsony ny masonao, sady tsy; hotsarovanao intsony Egypta.
- 28Fa izao no lazain’i Jehovah Tompo: Indro, hatolotro eo an-tànan’izay halanao ianao, dia eo an-tanan’izay efa niombotan’ny fanahinao;
- 29ary hamely anao amin’ny fankahalana izy, ka hesoriny ny vokatry ny asanao, dia hilaozany mitanjaka sy mihanjahanja ianao, ary hiseho ny fitanjahan’ny fijangajanganao, dia ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.
- 30Havo aminao izany zavatra izany noho ny nijangajanganao nanaraka ny jentilisa sy noho ny nandotoanao tena tamin’ny sampiny.
- 31Tamin’ny nalehan’ny rahavavinao no nalehanao koa, ka dia hataoko eo an-tananao ny kapoakany.
- 32Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Amin’ny kapoaky ny rahavavinao no hisotroanao, dia ilay lalina àty sady lehibe; ho fihomehezana sy ho fanakorana tsy tanty ianao.
- 33Ho feno fahamamoana sy alahelo ianao; kapoaka fahatalanjonana sy fandringanana ny kapoak’i Samaria rahavavinao.
- 34Hosotroinao sy hotrohinao izy, ary hokikisanao ny vakivakiny sady handriatanao ny nononao; fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo.
- 35Koa izao no lazain’i Jehovah Tompo: Noho ny nanadinoanao Ahy sy ny nanarianao Ahy teo ivohonao, dia mba zakaonao kosa ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.
- 36Jehovah niteny tamiko hoe: Ry zanak’olona, tsy hotsarainao va Ohola sy Oholiba? Dia asehoy azy ny fahavetavetany,
- 37fa efa nijangajanga izy, sady misy rà eny an-tànany, eny, ny sampiny no nijangajangany, ary ny zananilahy naterany ho Ahy dia nampamakiny ny afo ho an’ireny mba ho levona.
- 38Izao koa no nataony tamiko: Nandoto ny fitoerako masina izy tamin’izany andro izany sady nandoto ny Sabatako koa.
- 39Ary nony efa novonoiny ho an’ny sampiny ny zanany, dia nidirany tamin’iny andro iny ihany ny fitoerako masina ka nolotoiny; koa, he! izany no nataony teo anatin’ny tranoko.
- 40Ary koa, naniraka ho any amin’ny olona avy lavitra ianao*; eny, nanirahanao ireo, ka, indreo, tonga izay efa nandroanao sy nanosoranao loko mainty ny masonao sy niravahanao.[Heb. ianareo]
- 41ary nipetrahanao tamin’ny farafara marevaka, sady nisy latabatra voavelatra teo anoloany, izay nametrahanao ny ditin-kazo manitro sy ny diloiloko.
- 42Ary teo aminy nisy ny feon’ny maro izay mipetraka tsy manana ahiahy, ary afa-tsy ny ankabiazam-bahoaka dia nisy mpiboboka nentina avy tany an-efitra; ary nasian’ireo haba teny an-tànan’izy mirahavavy sy satro-boninahitra tsara tarehy teny an-dohany.
- 43Dia hoy Izaho ny amin’ilay efa tontan’ny fijangajangana ela: Amin’izao dia mbola hisy hijangajanga amin’io ihany va?
- 44Eny, mbola nankao aminy ihany ny olona toy ny ankanesany ao amin’ny vehivavy janga, dia toy ny efa nankanesany tao amin’i Ohola sy Oholiba, vehivavy janga.
- 45Ary olona marina no hitsara azy araka izay fitsara vehivavy mijangajanga sy mandatsa-drà, satria mijangajanga izy, sady misy rà eny an-tànany.
- 46Fa izao no lazain’i Jehovah Tompo: Ho entiko hamely azy ny olona maro, ka natolotro ho mpanjenjena* sy ho babo izy.[Na: ho fampangovitana]
- 47Ary ireo olona maro ireo dia hitora-bato azy sy hitetitetika azy amin’ny sabatra; hovonoiny ny zananilahy sy ny zananivavy, ary hodorany amin’ny afo koa ny tranony.
- 48Toy izany no hampitsaharako ny fahavetavetana amin’ny tany, mba hahazo anatra ny vehivavy rehetra tsy hanao araka ny fahavetavetanareo.
- 49Ary hatsingeriny aminareo ny fahavetavetanareo, ary ho entinareo ny heloka noho ny sampinareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.