Ezekiela
Toko 30
- 1[Ny andro hitsarana an’i Egypta] Ary tonga tamiko ny tenin’i Jehovah nanao hoe:
- 2Ry zanak’olona, maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Midradradradrà ianareo! Indrisy ny andro!
- 3Fa efa antomotra ny andro, eny, antomotra ny andron’i Jehovah, dia andro mandrahona sy fotoana hamaliana ny jentilisa izany.
- 4Ary hisy sabatra tonga any Egypta sy fangorohoroana fatratra any Etiopia, raha miampatrampatra any Egypta ny voatrabaka; Ary ho lasa ny hareny, sady ho rava ny fanorenany.
- 5Etiopia sy Libya* sy Lydia** sy ny olona samy hafa firenena rehetra sy ny Kobiana sy ny zanaky ny tany vita fanekena dia hiaraka ho lavon-tsabatra aminy.[*Heb. Pota][**Heb. Loda]
- 6Izao no lazain’i Jehovah: Ho lavo koa izay manohana an’i Egypta, ary hietry ny fiavonavonan’ny heriny; Hatrany Migdola ka hatrany Syena no ho lavon-tsabatra izy, hoy Jehovah Tompo.
- 7Ho rava dia ho rava* izy, ary ny tanànany ho lao dia ho lao**.[*Heb. rava ao amin’ny tany rava][**Heb. lao ao amin’ny tanàna lao]
- 8Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha mampirehitra afo any Egypta Aho, ka torotoro izay rehetra manampy azy.
- 9Amin’izany andro izany dia hisy iraka mivoaka avy amiko handeha an-tsambo hampahatahotra ny Etiopiana izay mitoetra tsy manahinahy, ka dia hangorohoro tahaka ny tamin’ny andro namelezana an’i Egypta izy; Fa, indro, avy izany.
- 10Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Ny tànan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, no ho entiko mahafoana ny horakorak*’i Egypta.[Na. mandevona ny hareny]
- 11Izy sy ny vahoakany manaraka azy, dia ireo masiaka indrindra amin’ny firenena, no ho entina handrava ny tany; Ary hanatsoaka ny sabany hamely an’i Egypta ireny, ka ho feno faty ny tany.
- 12Hahatankina an’i Neily sy hivarotra ny tany ho eo an-tànan’ny ratsy fanahy Aho, ary ny tanan’ny fahavalo no ho entiko mandrava ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy; Izaho Jehovah no niteny izany.
- 13Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Horavako koa ny sampy, ary hatsahatro ny andriamani-tsi-izy ao Memfisa*; ary tsy hisy mpanjaka intsony amin’ny tany Egypta;[Heb. Nofa]
- 14Handrava an’i Patrosa Aho sy hampirehitra afo any Zoana, ary hotanterahiko ny fitsarana an’i No;
- 15Hampidina ny fahatezerako amin’i Sina, fiarovana mafy any Egypta, Aho, ary hofongorako ny vahoaka be any No.
- 16Hampirehitra afo any Egypta Aho; Hiolanolana fatratra Sina noho ny faharariany; Ho banga No, ary Memifisa* dia hasian’ny fahavalo antoandro.[Heb. Nofa]
- 17Ny zatovon’i Avena sy Pi-beseta ho lavon-tsabatra, sady ho lasan-ko babo ny ao.
- 18Any Tapanesa dia ho maizina ny andro, raha tapahiko any ny ziogan’i Egypta, ary hitsahatra ny fiavonavonan’ny heriny; Ho voasaron’ny rahona izy, sady ho lasan-ko babo ny zananivavy.
- 19Toy izany no hanatanterahako ny fitsarana an’i Egypta; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
- 20[Ny hahafoanan’i Nebokadnezara ny herin’Farao] Ary tamin’ny andro fahafito tamin’ny volana voalohany tamin’ny taona fahiraika ambin’ny folo dia tonga tamiko ny tenin’i Jehovah nanao hoe:
- 21Ry zanak’olona, ny sandrin’i Farao, mpanjakan’i Egypta, dia efa notorotoroiko, ary he! tsy noharatoina mba ho sitrana izy, na nofehezina lamba, mba hanatanjaka azy hahatan-tsabatra.
- 22Koa izany no nanaovan’i Jehovah Tompo hoe: Indro, efa hamely an’i Farao, mpanjakan’i Egypta, Aho, ka hotorotoroiko ny sandriny, na ny mbola matanjaka, na ny efa torotoro; Ary hampilatsaka ny sabatra eny an-tànany Aho.
- 23Dia haeliko ho any amin’ny firenena samy hafa ny Egyptiana, ka hahahako any amin’ny tany samy hafa.
- 24Fa hampahatanjahiko kosa ny sandrin’ny mpanjakan’i Babylona, ka hataoko eny an-tànany ny sabatro; Fa hotorotoroiko ny sandrin’i Farao, dia hitrona eo anatrehany toy ny fitronan’ny voatrabaka izy.
- 25Eny, hampahatanjahiko ny sandrin’ny mpanjakan’i Babylona, dia hiraviravy ny sandrin’i Farao: Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha hataoko eny an-tànan’ny mpanjakan’i Babylona ny sabatro, ka haingainy hamelezana ny tany Egypta.
- 26Dia haeliko ho any amin’ny firenena samy hafa ny Egyptiana ka hahahako any amin’ny tany samy hafa; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.