Ezekiela
Toko 19
- 1Ary manaova hira fahalahelovana ny amin’ireo andrianan’ny Isiraely ianao,
- 2ka ataovy hoe: Nahoana ny liom-bavy reninareo no namitsaka* tao amin’ny liom-bavy. Ary nitaiza ny zanany tao amin’ny liona tanora?[Na: Inona moa reninareo? Liom-bavy izy. Namitsaka]
- 3Ary nahalehibe ny zanany anankiray izy, dia tonga liona tanora io ka nianatra hamiravira haza sady nihinana olona.
- 4Nahare ny lazany ny firenena, dia namandrika azy tamin’ny lavaka, ka nasiany masom-by ny orony, dia nentiny ho any amin’ny tany Egypta izy.
- 5Ary nony hitan’ny liom-bavy fa foana sy levona ny fanantenany, dia nangalany indray ny zanany ka notezainy ho tonga liona tanora.
- 6Ary nivoivoy teny amin’ny liom-bavy iny, dia tonga liona tanora ka nianatra hamiravira haza sady nihinana olona.
- 7Ary nisavika ny mpitondratenan’ireny izy* sady nandrava ny tanànany, ka lao ny tany mbamin’izay rehetra tao aminy. Noho ny feon’ny fierony.[Na: Ary fantany ny lapan’ireny]
- 8Ary ny jentilisa manodidina, izay avy any amin’ny fanjakana samy hafa, dia nanamboatra sy namelatra ny fandrika haratony taminy, ka dia voafandrika tamin’ny lavaka izy.
- 9Ary nataony tamin’ny vata izy, sady nasiany masom-by ny orony, ka nentiny ho any amin’ny mpanjakan’i Babylona izy, nentiny ho ao amin’ny fiarovana izy, mba tsy ho re eny amin’ny tendrombohitry ny Isiraely intsony ny feony.
- 10Ny reninao dia tahaka ny voalobota voavoly teo amoron-drano Tamin’ny andro niadananao*: Vokatra sady nanaroka izy azon’ny rano be,[Na: Fony tamin’ny rànao ianao; izahao xvi. 6; na: Eny, tahaka ny tenanao]
- 11Ka nisy rantsany mafy azo natao tehim-panjakana ho an’izay manapaka, dia tonga avo izy ka nitehika tamin’ny rahona matevina, ary niseho tamin’ny hahavony izy noho ny hamaroan’ny rantsany.
- 12Nefa nongotana tamin’ny fahavinirana izy ka nazera ho amin’ny tany, ary ny rivotra avy any atsinanana no nahamaina ny voany; Ny rantsany mafy dia tapaka ka maina; Levon’ny afo ireny.
- 13Ary ankehitriny voavoly any an-efitra, dia ao amin’ny tany maina karankaina izy.
- 14Ary afo no mivoaka avy amin’ny sampany misy tehina ka mandevona ny voany, dia tsy misy rantsany mafy azo atao tehim-panjakana ho fanapahana intsony izy. Hira fahalahelovana izany sady mbola ho hira fahalahelovana ihany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.