Ezekiela
Toko 26
- 1[Faminaniana ny amin’ny handravana an’i Tyro] Ary tamin’ny andro voalohany amin’ny volana tamin’ny taona fahiraika ambin’ny folo dia tonga tamiko ny tenin’Jehovah nanao hoe: zananivavy.
- 2Ry zanak’olona, noho ny nandatsan’i Tyro an’i Jerosalema hoe: Hià! sakoa izay! rava ilay vavahadin’ny firenena! Mba hifindra amiko kosa izao, ka ho feno aho, fa izy kosa ho foana,
- 3Dia izao no lazain’i Jehovah Tompo: Indro, hamely anao Aho, ry Tyro, ka hampiakatra ny firenena maro hiady aminao, tahaka ny fampiakatry ny ranomasina ny onjany.
- 4Ary horavan’ireo ny mandan’i Tyro, sady harodany ny tilikambony; Dia hofafako hiala aminy ny vovo-taniny, ka hataoko tahaka ny vatolampy mangadihady izy.
- 5Ho famelarana harato eo amin’ny ranomasina izy; Fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo, ka dia ho babon’ny-firenena izy.
- 6Ary ny zana-bohiny* eny an-tanety dia hovonoina amin’ny sabatra; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.[Heb. zananivavy]
- 7Fa izao no lazain’i Jehovah Tompo: Indro, ho entiko avy any avaratra ho any Tyro Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, andrianan’ny andriana, mitondra soavaly sy kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary vahoaka betsaka.
- 8Ny zana-bohitrao* any an-tanety dia hovonoiny amin’ny sabatra; ary hanandratra tilikambo sy tovon-tany sady hanangana ampinga lehibe hamelezany anao izy.[Heb zanakao-vavy]
- 9Ary hametraka lohondry vy fandravana eo akaikin’ny mandanao izy, sady horavany amin’ny fiadiany* ny tilikambonao.[Heb. sabany]
- 10Ho feno ny vovo-taniny ianao noho ny habetsahan’ny soavaliny; hihorohoro ny mandanao noho ny fikorodondrodon’ny mpitaingin-tsoavaly sy ny kodia sy ny kalesy, raha miditra eo amin’ny vavahadinao tahaka ny olona miditra amin’ny tanàna izay voabanga izy.
- 11Ny kitron-tsoavaliny no hanitsakitsahany ny lalambenao rehetra; ny olonao dia hovonoiny amin’ny sabatra, ary ny tsangambatonao mafy dia hianjera amin’ny tany.
- 12Hobaboiny ny hirenao, horobainy ny rantonao, harodany ny mandanao, horavany ny tranonao mahafinantra; ary ny vatonao sy ny hazonao sy ny vovokao dia hataony any amin’ny rano.
- 13Ary hatsahatro ny feon’ny hiranao, sady tsy ho re intsony ny fanenon’ny lokanganao.
- 14Dia hataoko toy ny vatolampy mangadihady ianao ka ho famelarana harato sady tsy haorina intsony; fa Izaho Jehovah no niteny, hoy Jehovah Tompo.
- 15Izao no lazain’i Jehovah Tompo amin’i Tyro: Tsy hihorohoro va ny moron-dranomasina noho ny fikotrokotroky ny firodananao, raha mitrona ny voatrabaka, ary misy vonoana eo ampovoanao?
- 16Dia hidina hiala amin’ny seza fiandrianany ireo andrianan’ny ranomasina rehetra ka hiala akanjo sy hanaisotra ny fitadiany misoratsoratra; Hovotra no hitafiany, ka hipetraka amin’ny tany izy; ary hangovitra isaky ny indray mipi-maso izy ka ho gaga anao.
- 17Ary hanao hira fahalahelovana ny aminao izy ka hanao aminao hoe: Indrisy! rava ianao, ry ilay nonenan’ny avy any an-dranomasina! Dia ilay tanàna malaza izay nahery teo amin’ny ranomasina, dia izy mbamin’ny mponina ao, izay nampahatahotra ny mponina rehetra eo aminy!
- 18Ankehitriny dia raiki-tahotra ny amoron-dranomasina amin’ny andro hianjeranao; Eny, toran-kovitra ny nosy any an-dranomasina noho ny haharavanao.
- 19Fa izao no lazain’i Jehovah Tompo: Raha hataoko tanàna lao tahaka ireo tanàna haolo ianao, ary hampiakariko aminao ny rano lalina, ka hosaronan’ny rano be ianao,
- 20Dia hampidiniko hiaraka amin’izay mivarina any an-davaka ianao, Hankany amin’ny razana, ka hamponeniko any ambanin’ny tany ianao, dia any amin’ny fonenana efa lao hatramin’ny ela, hiaraka amin’izay mivarina any an-davaka, mba tsy honenana intsony; ary hasiako voninahitra eo amin’ny velona;
- 21Dia hataoko fampitahorana ianao, ka tsy ho eo intsony; Eny, hotadiavina ianao, nefa tsy ho hita intsony mandrakizay, hoy Jehovah Tompo.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.