Ezekiela
Toko 27
- 1[Ny harena amam-boninahitra nananan’i Tyro, sy fitomaniana noho ny manjo azy] Ary tonga tamiko ny tenin’i Jehovah nanao hoe:
- 2Hianao, ry zanak’olona, manaova hira fahalahelovana ny amin’i Tyro,
- 3ka ataovy aminy hoe: He, ry ilay monina amin’ny vava-ranomasina, Mpandranto ho an’ny firenena ho any ny moron-dranomasina maro samy hafa; Izao no lazain’i Jehovah Tompo: He, ry Tyro, ianao efa nanao hoe: Izaho dia tena tsara tarehy!
- 4Ao amin’ny ranomasina ny taninao, efa tanteraky ny mpandrafitra anao ny hatsaran-tarehinao.
- 5Hazo kypreso avy any Senira no nanaovany ny lampihazonao; Sedera avy any Libanona no nalainy hatao andrin-tsambonao.
- 6Oka avy any Basana no nanaovany ny fivoinao; hazo bokso avy any amin’ny moron-dranomasin’i Kitima no nataony fipetrahan’ny mpivoinao sady nasiany parike ivory.
- 7Rongony madinika samy hafa soratra avy any Egypta no natao lainao mba ho faneva ho anao; Lamba manga sy volomparasy avy any amin’ny moron-dranomasin’i Elisa no eloelonao.
- 8Ny mponina any Sidona sy Arvada no mpivoinao; Ny olon-kendrinao, ry Tyro, no tao aminao, ka ireo no mpitondra sambonao.
- 9Ny zokiolon’i Gebala sy izay hendry tany no tao aminao ho mpanentsin-tsambonao; ny sambo rehetra teny amin’ny ranomasina mbamin’ny matilony dia tonga tao aminao hanakalo ny rantonao.
- 10Ny avy any Persia sy ny Lydiana* ary ny Libyana** dia isan’ny miaramila mpiadinao; Nanantona ampinga sy fiarovan-doha teny aminao ireo ka nahatsara tarehy anao.[*Heb. Loda][**Heb. Pota]
- 11Ny terak’i Arvada sy ny miaramilanao no teny ambonin’ny mandanao manodidina, ary lehilahy mahery no tao amin’ny tilikambonao; Ny ampingany dia nahantony teny amin’ny mandanao manodidina; Ireo no nahatanteraka ny hatsaran-tarehinao.
- 12Tarsisy no mpandranto nankany aminao noho ny haben’ny harena samy hafa rehetra; Volafotsy sy vy sy vifotsy ary firaka na nentiny natakalo ny entanao.
- 13Javana sy Tobala ary Maseka no mpandranto nankany aminao, ka olona sy fanaka varahina no natakalony ny varotrao.
- 14Ny terak’i Togarma nitondra soavaly sy soavaly fitaingina ary ampondra natakalo ny entanao.
- 15Ny terak’i Dedana no mpandranto nankany aminao; Ny avy amin’ny moron-dranomasina maro no tonga hivarotra tao aminao ka nitondra ivory* sy hazomainty natakalo ny entanao.[Heb. vangy ivory]
- 16Syria no mpandranto nankany aminao noho ny habetsahan’ny tao-zavatrao, ka karbonkolo sy lamba volomparasy sy tenona samy hafa soratra sy rongony fotsy madinika sy voahangy ary robina No nentiny natakalo ny entanao.
- 17Joda sy ny tanin’ny Isiraely no mpandranto nankany aminao, ka vary tritika avy tany Minita sy zava-mamy sy tantely sy diloilo ary balsama no natakalony ny varotrao.
- 18Damaskosy no mpandranto nankany aminao noho ny habetsahan’ny taozavatrao, dia ny haben’ny harenao rehetra, ka nitondra divay avy any Helbona sy volon’ondry fotsy izy.
- 19Vedana koa sy Javana avy any Ozala dia nitondra vy voatefy* natakalo ny entanao; Kasia sy veromanitra no natakalony ny varotrao**.[*Na: vy mamirapiratra][**Na: Vedana sy Javana nitondra folo hatakalo ny varotrao; vy voatefy sy kasia ary veromanitra no isian’ny varotrao]
- 20Dedana no mpandranto nankany aminao, nitondra lamba fanao lamban-tsoavaly.
- 21Arabia sy ireo andriandahin’i Kedara rehetra no nandranto tany aminao, ka zanak’ondry sy ondrilahy ary osilahy no nentiny natao varotra tao aminao.
- 22Ny mpandranto avy any Sheba sy Rama no mpandranto nankany aminao, Ka zava-manitra tsara indrindra sy vato soa samy hafa karazana ary volamena no nentiny natakalo ny entanao.
- 23Harana sy Kane ary Edena sy mpandranto avy any Sheba sy Asyria ary Kilmada no mpandranto nankany aminao.
- 24Ireo no mpandranto nankany aminao nitondra ny fitafiana marevaka rehetra, dia kapôty manga sy samy hafa soratra ary vata sedera mifehy* misy fitafiana soa no natakalony ny varotrao.[Na; vata mifehy mafy]
- 25Ny sambon’i Tarsisy no mpitondra ny entanao, dia feno sady be voninahitra ianao teo amin’ny ranomasina.
- 26Nentin’ny mpivoinao teny amin’ny rano be ianao, dia nahavaky anao tao amin’ny ranomasina ny rivotra avy any atsinanana.
- 27Ny harenao sy ny vidin’entanao, ny varotrao, ny matilonao sy ny mpitondra sambonao, ny mpanentsin-tsambonao sy ny mpividy ny entanao ary ny miaramilanao rehetra izay tao aminao mbamin’ny olona betsaka tafangona tao aminao dia nilentika tao amin’ny ranomasina tamin’ny andro nandravana anao.
- 28Noho ny fidradradradran’ny mpitondra sambonao dia mihorohoro ny tany manodidina.
- 29Ary samy midina miala amin’ny sambony ny mpivoy rehetra sy ny matilo ary ny mpitondra sambo rehetra eny an-dranomasina ka mijanòna eny an-tanety;
- 30Ary manandratra ny feony noho ny nanjo anao izy ka midradradradra mafy* sady manopy vovoka hiraraka amin’ny lohany ary mihosinkosin-davenona;[Heb. mangidy]
- 31Ary mibory loha avokoa izy noho ny aminao sy misikina lamba fisaonana ary mitomany anao amin’ny fangidiam-panahy izy, dia fisaonana mafy.
- 32Ary raha midradradradra izy, dia manao hira fahalahelovana ny aminao ka mitomany anao hoe: Iza moa no tahaka an’i Tyro, dia tahaka ilay rava ao ampovoan’ny ranomasina ?
- 33Raha nivoaka avy amin’ny ranomasina ny varotrao, dia nahatretrika firenena maro ianao; Tamin’ny haben’ny harenao sy ny varotrao dia nampanan-karena ny mpanjakan’ny tany ianao.
- 34Tamin’ny andro nandravan’ny ranomasina anao ho any amin’ny rano lalina dia niara-nilentika taminao ny varotrao sy ny olona tafangona tao aminao.
- 35Talanjona anao ny mponina rehetra amin’ny moron-dranomasina, ary raiki-tahotra ny mpanjakany ka dia mivalomainty.
- 36Misitrisitra anao ny mpandranto amin’ny firenena; tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.