2 Samoela
Toko 8
- 1[Ny nandresen’i Davida ny fahavalony] Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy; ary ny fanapahana ny renivohitra dia nesorin’i Davida tamin’ny tanan’ny Filistina.
- 2Ary nandresy ny Moabita koa izy, dia nampandriny tamin’ny tany ireo ary nohariny tamin’ny kofehy, ka izay indroan’ny kofehy novonoiny, fa ny erany kosa novelominy; ka dia tonga mpanompon’i Davida ny Moabita ka nandoa hetra.
- 3Dia resin’i Davida koa Hadadezera, zanak’i Rehoba, mpanjakan’i Zoba, tamin’izy lasa nampody ny fanjakany teo amoron’ny ony Eofrata.
- 4Ary Davida nahazo babo taminy, dia miaramila an-tsoavaly fiton-jato amby arivo sy miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin’i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin’ny kalesy zato ihany no navelany.
- 5Ary tonga ny Syriana avy tany Damaskosy hanampy an’i Hadadezera, mpanjakan’i Zoba; dia nahafatesan’i Davida olona roa arivo sy roa alina koa ny Syriana.
- 6Ary nametrahan’i Davida miaramila tany Syria momba an’i Damaskosy; dia tonga mpanompon’i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an’i Davida teny amin’izay rehetra nalehany.
- 7Ary nalain’i Davida ny ampinga volamena izay teny amin’ny mpanompon’i Hadadezera ka nentiny nankany Jerosalema.
- 8Ary teo Beta sy Berotahy, tanànan’i Hadadezera, no nahazoan’i Davida mpanjaka babo varahina be dia be.
- 9Ary nony ren’i Toy, mpanjakan’i Hamata, fa efa naharesy ny miaramilan’i Hadadezera rehetra Davida,
- 10dia nirahin’i Toy Jorama zanany hankany amin’i Davida mpanjaka hiarahaba azy sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin’i Hadadezera sy ny nandreseny azy (fa Hadadezera dia fahavalon’i Toy); ary gorama nitondra fanaka volafotsy sy fanaka volamena ary fanaka varahina;
- 11dia nohamasinin’i Davida mpanjaka ho an’i Jehovah koa izany mbamin’ny volafotsy sy ny volamena izay nohamasininy avy tamin’ny firenena rehetra izay efa resiny,
- 12dia tamin’i Syria sy Moaba sy ny taranak’i Amona sy ny Filistina sy ny Amalekita ary ny babo azony tamin’i Hadadezera, zanak’i Rehoba, mpanjakan’i Zoba.
- 13Ary Davida nahazo laza nony niverina avy nandresy ny Syriana valo arivo sy iray alina teo amin’ny Lohasahan-tsira.
- 14Ary nametrahany miaramila tany Edoma; eny, nametrahany miaramila avokoa Edoma rehetra, ary ny mponina rehetra tany Edoma dia tonga mpanompon’i Davida. Ary Jehovah nampahery an’i Davida teny amin’izay rehetra nalehany.
- 15[Ny mpanao raharaham-panjakana tamin’i Davida] Ary Davida nanjaka tamin’ny Isiraely rehetra ka nitsara sy nitondra marina ny vahoakany rehetra.
- 16Ary Joaba, zanak’i Zeroia, no komandin’ny miaramila; ary Josafata, zanak’i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana;
- 17ary Zadoka, zanak’i Ahitoba, sy Ahimeleka, zanak’i Abiatara, no mpisorona; ary Seraia no mpanoratra;
- 18ary Benaia, zanak’i Joiada, no mpifehy ny mpiambina andriana*; ary ny zanak’i Davida no mpanolo-tsaina**. [*Heb. Kerenita sy Peletita][**Na: mpisorona]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.