2 Samoela
Toko 3
- 1[Ny nandrosoan’ny fanjakan’i Davida, sy ny nihenan’ny an’Isboseta kosa, ary ny nivadihan’i Abnera hanaraka an’i Davida, sy ny namonoan’i Joaba azy] Ary naharitra ela ny adin’ny tamingan’i Saoly sy ny tamingan’i Davida, nefa Davida nihahery, fa ny tamingan’i Saoly kosa nihahosa.
- 2Ary Davida niteraka zazalahy tao Hebrona: koa Amnona, tamin’i Ahinoama Jezirelita, no lahimatoany;
- 3ary Kileaba, tamin’i Abigaila, ilay novinadin’i Nabala Karmelita, no lahiaivo; ary ny fahatelo dia Absaloma, zanak’i Maka, zanakavavin’i Talmay, mpanjakan’i Gesora;
- 4ary ny fahefatra dia Adonia, zanak’i Hagita; ary ny fahadimy dia Sefatia, zanak’i Abitala;
- 5ary ny fahenina dia Jitreama, tamin’i Egla, vadin’i Davida. Ireo no naterak’i Davida tao Hebrona.
- 6Ary raha mbola niady ny tamingan’i Davida sy ny tamingan’i Saoly, Abnera dia nampiseho hery niandany tamin’ny tamingan’i Saoly.
- 7(Ary Saoly nanana vaditsindrano, Rizpa no anarany, zanakavavin’i Aia) Kanefa Isboseta niteny tamin’i Abnera hoe: Nahoana no nalainao ny vaditsindranon’ikaky?
- 8Dia tezitra mafy Abnera noho ny tenin’Isboseta, ka hoy izy: Lohan’alika no miandany amin’ny Joda va aho? He! izato izaho manisy soa ny tamingan’i Saoly rainao sy ny rahalahiny sy ny sakaizany izao ka tsy nanolotra anao ho eo an-tànan’i Davida, nefa aho izao helohinao noho ny amin’iny vehivavy iny?
- 9Hataon’Andriamanitra amin’i Abnera anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko aminy araka ny nianianan’i Jehovah tamin’i Davida,
- 10ka hampiala ny fanjakana amin’ny tamingan’i Saoly aho ary hampitoetra ny seza fiandrianan’i Davida amin’ny Isiraely sy amin’ny Joda hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.
- 11Dia tsy nahavaly an’i Abnera intsony izy noho ny tahony azy.
- 12Ary Abnera dia naniraka olona tany amin’i Davida niaraka tamin’izay* hanao hoe: An’iza ny tany? Ary koa hoe: Manaova fanekena amiko, ary, indro, ny tanako homba anao hampanaiky ny Isiraely rehetra anao.[Na: hisolo vava azy]
- 13Dia hoy izy: Tsara izany; izaho hanao fanekena aminao; kanefa zavatra iray loha no ilaiko aminao: Tsy hahazo mihaona amiko ianao, raha tsy entinao atỳ Mikala, zanakavavin’i Saoly.
- 14Ary Davida naniraka olona nankany amin’Isboseta, zanakalahin’i Saoly, hanao hoe: Omeo ahy Mikala vadiko, izay efa nifanekena ho vadiko tamin’ny mariky ny fahafatesan*’ny Filistina zato lahy.[Heb. saron-tsotsoka]
- 15Ary Isboseta naniraka naka an’i Mikala tany amin’i Paltiela vadiny, zanak’i Laisy.
- 16Ary io vadiny io nanaraka azy ka nitomany teny aoriany hatrany Bahorima. Fa hoy Abnera taminy: Mandehana miverina. Dia niverina izy.
- 17Ary Abnera efa niteny tamin’ny loholon’ny Isiraely hoe: Efa ela izay no nitadiavanareo an’i Davida ho mpanjakanareo;
- 18koa tanteraho izany ankehitriny, fa Jehovah efa nilaza an’i Davida hoe: Amin’ny tànan’i Davida mpanompoko no hamonjeko ny Isiraely oloko ho afaka amin’ny tanan’ny Filistina sy amin’ny tanan’ny fahavalony rehetra.
- 19Ary Abnera efa niteny tamin’ny Benjamita koa, ary lasa izy hilaza amin’i Davida ao Hebrona koa izay rehetra tian’ny Isiraely sy ny taranak’i Benjamina rehetra hatao.
- 20Dia tonga tany amin’i Davida tao Hebrona Abnera sy olona roa-polo lahy nanaraka azy. Ary nanao fanasana ho an’i Abnera sy ny olona nanaraka azy Davida.
- 21Ary hoy Abnera tamin’i Davida: Hiainga aho, dia handeha hamory ny Isiraely rehetra ho etỳ aminao mpanjaka tompoko, mba hanaovany fanekena aminao ary hanjakanao amin’izay rehetra irin’ny fonao. Ary Davida nampandeha an’i Abnera; ka dia lasa soa aman-tsara izy.
- 22Ary, indreo, tonga ny mpanaraka an’i Davida sy Joaba avy nitoha ka nitondra babo be; ary efa tsy teo amin’i Davida tao Hebrona intsony Abnera, fa efa nalefany izy, ka dia lasa soa aman-tsara.
- 23Nony tonga Joaba sy ny miaramila rehetra izay nanaraka azy, dia nisy nanambara tamin’i Joaba hoe: Tonga tao amin’ny mpanjaka Abnera, zanak’i Nera, nefa nalefany izy, ka dia lasa soa aman-tsara.
- 24Ary Joaba nankao amin’ny mpanjaka ka nanao hoe: Inona izany nataonao izany? Nahoana no efa tonga teto aminao Abnera ka nalefanao fotsiny, ka dia afaka soa aman-tsara izy?
- 25Fantatrao anefa ny amin’i Abnera, zanak’i Nera, fa hamitaka anao no nahatongavany hahalalany ny ivoahanao sy ny idiranao ary hahalalany izay rehetra ataonao.
- 26Dia nivoaka Joaba avy tao amin’i Davida ka naniraka olona hanaraka an’i Abnera, ary nitondra azy niverina avy any amin’ny lavaka famorian-drano atao hoe Siraha ireo: nefa tsy fantatr’i Davida izany.
- 27Ary nony niverina tao Hebrona Abnera, dia nentin’i Joaba nitanila tao anaty vavahady hiresaka aminy mangingina, kanjo nasiany tamin’ny kibony ka matiny ho todin’ny ran’i Asahela rahalahiny.
- 28Ary rehefa afaka izany, dia nahare Davida, ka hoy izy: Tsy manan-keloka mandrakizay eo anatrehan’i Jehovah izaho sy ny fanjakako ny amin’ny ran’i Abnera, zanak’i Nera.
- 29Hitsingerina amin’ny lohan’i Joaba sy ny tarana-drainy rehetra anie ny todin’izany; ary tsy ho tapaka amin’ny taranak’i Joaba anie ny marary mitsika, na ny boka, na ny mamahana amin’ny tehina, na ny lavon-tsabatra, na ny tsy manan-kohanina.
- 30Toy izany no namonoan’i Joaba sy Abisay rahalahiny an’i Abnera noho ny namonoany an’i Asahela rahalahiny tao Gibeona tamin’ny ady.
- 31Ary hoy Davida tamin’i Joaba sy ny olona rehetra izay teo aminy: Triaro ny fitafianareo, ary misikìna lamba fisaonana*, ka aoka hisaona eo anolohan’i Abnera ianareo. Ary Davida mpanjaka nanaraka ny tranovorona.[Heb. lamba malailay]
- 32Dia nandevina an’i Abnera tao Hebrona izy; ary ny mpanjaka nanandratra ny feony ka nitomany teo amin’ny fasan’i Abnera; ary ny vahoaka rehetra dia mba nitomany koa.
- 33Ary ny mpanjaka nanao hira fisaonana an’i Abnera hoe: Tahaka ny fahafatesan’ny adala va no tokony ho nahafatesan’i Abnera?
- 34Ny tananao tsy nifatotra, ary ny tongotrao tsy nigadra; Fa tahaka ny fikarapok’izay asian’ny olon-dratsy no nikarapohanao. Ary ny vahoaka rehetra dia mbola nitomany azy indray.
- 35Ary izy rehetra dia avy hampihinan-kanina an’i Davida raha mbola antoandro, nefa Davida nianiana hoe: Hataon’Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha mba hitendry hanina na inona na inona akory aho mandra-pilentiky ny masoandro.
- 36Ary azon’ny vahoaka rehetra ny hevitr’izany ka nankasitrahany, dia tahaka ny nankasitrahany izay rehetra nataon’ny mpanjaka.
- 37Ka dia fantatry ny vahoaka rehetra sy ny Isiraely rehetra tamin’izany andro izany fa tsy avy tamin’ny mpanjaka no nahafaty an’i Abnera, zanak’i Nera.
- 38Ary hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony: Tsy fantatrareo va fa komandy sady lehilahy malaza no maty androany tamin’ny Isiraely?
- 39Ary tsy mbola manan-kery loatra aho izao, na dia mpanjaka efa voahosotra aza; ary ireo zanak’i Zeroia ireo dia mahery sata loatra amiko; Jehovah anie hamaly izay nanao izao ratsy izao araka ny ratsy nataony.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.