2 Samoela
Toko 13
- 1[Ny ratsy nataon’i Amnona, sy ny namonoan’i Absaloma azy, ary ny nandosiran’i Absaloma] Ary nony afaka izany, dia nisy toy izao: Absaloma, zanak’i Davida, nanana anabavy tsara tarehy, Tamara no anarany; ary tia azy Amnona, zanak’i Davida.
- 2Ary Amnona nalahelo ka matiny ihany noho Tamara anabaviny; fa virijina izy, ka sarotra tamin’i Amnona ny haka azy.
- 3Fa Amnona nanan-tsakaiza, Jonadaba no anarany, zanak’i Simea, rahalahin’i Davida; ary Jonadaba dia olona fetsy loatra.
- 4Ka hoy izy taminy: Nahoana ianao, ry zanaky ny mpanjaka, no mihamahia isan’andro isan’andro? Tsy tianao hambara amiko va izany? Dia hoy Amnona taminy: Tia an’i Tamara, anabavin’i Absaloma rahalahiko, aho.
- 5Ary hoy Jonadaba taminy: Mandria eo amin’ny fandrianao ianao, ka modia marary; ary raha avy mamangy anao rainao, dia ataovy aminy hoe: Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko mba ho avy hampihinan-kanina ahy ary hanao ny nahandro eto imasoko mba ho hitako ka hihinanako ny avy eny an-tànany.
- 6Dia nandry Amnona ka nody marary; ary nony avy mamangy azy ny mpanjaka, dia hoy izy taminy: Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko hankatỳ hanao mofo roa ho ahy eto imasoko hihinanako ny avy eny an-tànany.
- 7Ary Davida naniraka nankany amin’i Tamara any an-tranony nanao hoe: Mankanesa kely any an-tranon’i Amnona anadahinao, ka manaova nahandro ho azy.
- 8Dia nandeha Tamara nankany an-tranon’i Amnona anadahiny; ary nandry ny anadahiny. Dia naka koba razazavavy, ka nofetafetainy ary nataony mofo teo imasony, ary nendasiny ny mofo.
- 9Dia noraisiny ny fanendasana, ka narosony teo anoloany; fa tsy nety nihinana izy. Ary hoy Amnona: Avoahy ny olona rehetra. Dia nivoaka ny olona rehetra.
- 10Ary hoy Amnona tamin’i Tamara: Ento atỳ amin’ny efi-trano ny nahandro hihinanako ny avy eny an-tananao. Dia nalain’i Tamara ny mofo nataony ka nentiny tao amin’ny efi-trano tao amin’i Amnona anadahiny.
- 11Ary nony nentiny tao aminy hohaniny izany; dia nihazona an’i Tamara izy ka nanao taminy hoe: Avia handry amiko, ranabaviko.
- 12Ary hoy ny anabaviny: Sanatria, ranadahy! Aza misavika ahy; fa tsy fanao eto amin’ny Isiraely izany; aza manao izany zavatra fady indrindra* izany ianao.[Heb. fahadalana]
- 13Ary ny amiko, ho entiko aiza moa ny henatro? Ary ianao koa ho toy ny anankiray amin’ny adala eto amin’ny Isiraely. Koa trarantitra ianao, lazao amin’ny mpanjaka; fa tsy hisakana ahy tsy ho anao izy.
- 14Nefa tsy nety nihaino ny feon-drazazavavy izy, fa natanjaka noho izy, dia nisavika azy ka nandry taminy.
- 15Ary dia halan’i Amnona indrindra izy, ka ny fankahalany azy dia be lavitra noho ny fitiavany azy taloha. Dia hoy Amnona taminy: Mitsangàna, mandehana.
- 16Ary hoy izy taminy: Aza dia manao ratsy mandroaka ahy ianao, fa ratsy noho ny zavatra hafa nataonao izao. Nefa tsy nety nihaino azy izy.
- 17Dia niantso ny zatovony izay nanompo azy izy ka nanao hoe: Esory hiala eto amiko ity vehivavy ity, ka hidio ny varavarana, rehefa tafavoaka izy.
- 18Ary niakanjo akanjo lava* razazavavy; fa izany no fanaon’ny zanakavavin’ny mpanjaka ho akanjo ambony, raha mbola virijina izy. Dia navoakan’ilay ankizilahy izy, ka nohidiany ny varavarana, nony tafavoaka izy.[Na: akanjo misoratsoratra]
- 19Ary nasian’i Tamara lavenona ny lohany, sady notriariny ny akanjo lava izay niakanjoany, dia niloloha tanana izy, sady nitomany nidradradradra teny am-pandehanana.
- 20Ary hoy Absaloma anadahiny taminy: Efa tany aminao va Amnona anadahinao? Mangina ihany aloha, ranabavy, fa anadahinao izy; fa aza malahelo noho izany. Ka dia nitoetra tao an-tranon’i Absaloma anadahiny Tamara sady ory.
- 21Fa nony ren’i Davida mpanjaka izany zavatra rehetra izany, dia nirehitra ny fahatezerany.
- 22Ary Absaloma tsy nifampiteny tamin’i Amnona rahalahiny akory na soa na ratsy; fa halan’i Absaloma izy noho ny nisavihany an’i Tamara anabaviny.
- 23Ary nony afaka roa taona ngarangidina, dia nampanety ondry teo Bala-hazora ao akaiky an’i Efraima Absaloma, ka nanasa ny zanakalahin’ny mpanjaka rehetra izy.
- 24Ary nankao amin’ny mpanjaka Absaloma ka nanao hoe: Indro, mampanety ondry ny mpanomponao; koa trarantitra ianao, aoka ny mpanjaka sy ny mpanompony handeha hiaraka amiko mpanomponao.
- 25Fa hoy ny mpanjaka tamin’i Absaloma: Tsia, anaka, aoka tsy handeha avokoa izahay rehetra, fandrao mahavaky tratra anao. Fa Absaloma nanery azy ihany; nefa tsy nety nandeha izy, fa nitso-drano azy ihany.
- 26Dia hoy Absaloma: Raha tsy izany ary, trarantitra ianao, aoka Amnona rahalahiko no handeha hiaraka aminay. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ahoana no hiarahany aminao?
- 27Fa nanery azy Absaloma, ka dia nalefany Amnona sy ny zanakalahin’ny mpanjaka rehetra handeha hiaraka aminy.
- 28Ary Absaloma nanome teny ny zatovony hoe: Miomàna tsara, fa rehefa faly ny fon’i Amnona azon’ny divay, ka lazaiko aminareo hoe: Asio Amnona, dia ataovy maty izy, fa aza matahotra; tsy izaho va no nanome teny anareo? Matokia, aoka hiseho ho lehilahy mahery ianareo.
- 29Ary ny zatovon’i Absaloma nanao tamin’i Amnona araka ny teny nomen’i Absaloma azy. Dia nitsangana avokoa ny zanakalahin’ny mpanjaka rehetra, ary samy nitaingina ny ampondrany ka nandositra.
- 30Ary raha mbola teny an-dalana izy ireo, dia tonga tao amin’i Davida ny filazana hoe: novonoin’i Absaloma avokoa ny zanakalahin’ny mpanjaka, ka tsy nasiany miangana na dia iray akory aza.
- 31Dia nitsangana ny mpanjaka ka nandriatra ny fitafiany, dia nandry tamin’ny tany; ary ny mpanompony rehetra nitsangana teo, samy voatriatra avokoa ny fitafiany.
- 32Ary Jonadaba, zanak’i Simea, rahalahin’i Davida, nanao hoe: Aoka ny tompoko tsy hanao hoe: Matiny avokoa ny zatovo rehetra, zanakalahin’ny mpanjaka; fa Amnona ihany no maty; fa Absaloma efa nifofo azy hatramin’ny andro nisavihany an’i Tamara anabaviny.
- 33Koa aoka ny mpanjaka tompoko tsy hieritreritra am-po fa maty avokoa ny zanakalahin’ny mpanjaka rehetra; fa Amnona ihany no maty.
- 34Fa Absaloma nandositra. Ary ny zatovo mpitily nanopy ny masony ka nahita fa, indreo nisy olona maro avy teo ivohony, teo anilan’ny tendrombohitra.
- 35Ary hoy Jonadaba tamin’ny mpanjaka: Indreo, avy ny zanakalahin’ny mpanjaka, dia araka ny nolazain’ny mpanomponao tokoa.
- 36Ary nony efa voalazany izany teny izany, dia indreo, tonga ny zanakalahin’ny mpanjaka, ary nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary ny mpanjaka sy ny mpanompony dia mba nitomany mafy dia mafy koa.
- 37Fa Absaloma nandositra nankany amin’i Talmay, zanakalahin’i Amihoda, mpanjakan’i Gesora. Ary nisaona ny zanany mandrakariva Davida.
- 38Ary Absaloma efa nandositra nankany Gesora ka nitoetra tany telo taona.
- 39Ary Davida mpanjaka naniry hivoaka hankany amin’i Absaloma*; fa nionona izy noho ny amin’i Amnona, satria efa maty izy.[Na: Koa izany no nisakana an’i Davida mpanjaka tsy hivoaka hamely an’i Absaloma]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.