2 Samoela
Toko 22
- 1[Hira fisaorana nataon’i Davida noho ny nandreseny ny fahavalony rehetra] Ary Davida nanao izao fihirana izao ho an’i Jehovah tamin’ny andro namonjen’i Jehovah azy tamin’ny tanan’ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin’ny tànan’i Saoly,
- 2ka hoy izy: Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy,
- 3Andriamanitra vatolampiko, Izy no ialofako, Ampingako sy tandroko famonjena Izy ary fiarovana avo ho ahy sy fandosirako; Ry Mpamonjy ahy, mahafaka ahy amin’ny fampahoriana Hianao.
- 4Miantso an’i Jehovah Izay mendrika hoderaina aho, Ka dia vonjena ho afaka amin’ny fahavaloko.
- 5Fa nihodidina tamiko ny onjan’ny fahafatesana. Ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy.
- 6Ny famatoran’ny fiainan-tsi-hita* nihodidina tamiko, nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana.[Heb. Sheola]
- 7Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an’i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako dia efa tonga eo an-tsofiny.
- 8Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fiorenan’ny lanitra nihorohoro, eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah.
- 9Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy.
- 10Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; Ary aizim-pito no teo ambanin’ny tongony.
- 11Dia nitaingina kerobima Izy ka nanidina, eny, niseho teo amin’ny ela-drivotra Izy.
- 12Efa nanao ny maizina ho tranony manodidina Azy Izy, dia fivorian-drano sy rahona matevina
- 13Ary avy teo amin’ny famirapiratana teo anatrehany nisy vainafo nidedadeda.
- 14Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo.
- 15Dia nandefa zana-tsipìka Izy ka nampiely ny fahavaloko, ary nampandeha helatra ka nampifanaritaka azy.
- 16Dia hita ny fitoeran-dranomasina, ary niseho ny fanambanin’ny tany, noho ny teny mafy nataon’i Jehovah, noho ny fifofofofon’ny fofonain’ny vavorony.
- 17Naninjitra ny tànany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin’ny rano be Izy.
- 18Namonjy ahy tamin’ny fahavaloko mahery Izy sy tamin’izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny.
- 19Nisakana ahy tamin’ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy.
- 20Dia nitondra ahy ho any amin’ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho.
- 21Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; Araka ny fahadiovan’ny tanako no namaliany ahy.
- 22Fa nitandrina ny lalan’i Jehovah aho ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin’Andriamanitro;
- 23Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nialako;
- 24Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon’ny fahotako;
- 25Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovako teo imasony.
- 26Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; Ny tena olo-marina no isehoanao fa marina;
- 27Ny madio no isehoanao fa madio; Ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina*.[Heb. miolakolaka]
- 28Fa ny olona ory dia vonjenao; Fa ny masonao manandrina ny mpiavonavona, ka aetrinao ireny.
- 29Fa Hianao no jiroko, Jehovah ô; Jehovah mampahazava ny fahamaizinako.
- 30Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; Ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda.
- 31Raha ny amin’Andriamanitra, dia marina ny lalany; Ny tenin’i Jehovah dia voazaha toetra amin’ny memy; Jehovah no ampingan’izay rehetra mialoka aminy.
- 32Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? Ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?
- 33Izany Andriamanitra izany no fiarovana mafy ho ahy; Mitondra ny marina amin’ny lalany Izy.
- 34Ary manao ny tongony ho tahaka ny an’ny dieravavy Izy; Mampitoetra ahy eo amin’ny fitoerako avo Izy.
- 35Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.
- 36Omenao ahy ny ampingan’ny famonjenao; Ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.
- 37Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.
- 38Manenjika ny fahavaloko aho ka mandripaka azy; Ary tsy mba miverina aho mandra-pahalany ritrany.
- 39Mandringana sy mandripaka azy aho, ka tsy maharina izy; Lavo eo ambanin’ny tongotro izy.
- 40Hianao mampisikina ahy hery hiady; Aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy.
- 41Ary ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; Ka aringako izay mankahala ahy.
- 42Miherikerika izy, fa tsy misy mpamonjy, eny, maniry an’i Jehovah izy, fa tsy mamaly azy Izy.
- 43Torotoroiko madinika tahaka ny vovo-tany izy; Hoseko tahaka ny fotaka eny an-dalana izy ka apariako.
- 44Mamonjy ahy amin’ny fifanoheran’ny oloko Hianao sy miaro ahy ho lohan’ny firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy.
- 45Ny hafa firenena mikoy ahy; Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy.
- 46Ny hafa firenena dia mihaketraka ka miala amin-kovitra avy ao* amin’ny fiarovany mafy.[Izahao Sal. xviii.46. Ny dikan’ny teny Hebreo eto dia misikina avy ao, etc]
- 47Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; Asandratra anie Andriamanitry ny vatolampy famonjena ahy,
- 48Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy,
- 49Dia Ilay mitondra ahy ho afaka amin’ny fahavaloko; eny, manandratra ahy ho ambonin’izay mitsangana hanohitra ahy Hianao ary mamonjy ahy amin’ny olon-dozabe;
- 50Koa Izany no hiderako Anao eny amin’ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao.
- 51Manao famonjen-dehibe ho an’ny mpanjaka voatendriny Izy ary mamindra fo amin’ny voahosony, dia amin’i Davida sy ny taranany mandrakizay.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.