2 Samoela
Toko 5
- 1[Ny nanosorana an’i Davida ho mpanjakan’ny Isiraely rehetra, sy ny nahazoany an’i Jerosalema ho renivohitry ny fanjakany] Dia tonga tao amin’i Davida tao Hebrona ny firenen’Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nofonao.
- 2Fa hatry ny fony fahiny ihany koa, raha mbola nanjaka taminay aza Saoly, dia ianao no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary Jehovah efa nilaza taminao hoe: Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy.
- 3Eny, tonga tao amin’ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon’ny Isiraely rehetra, ary Davida mpanjaka nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan’i Jehovah; ary dia nanosotra an’i Davida ho mpanjakan’ny Isiraely izy.
- 4Telo-polo taona Davida fony izy vao nanjaka, ary nanjaka efa-polo taona izy.
- 5Tao Hebrona no nanjakany tamin’ny Joda fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema no nanjakany tamin’ny Isiraely sy ny Joda rehetra telo amby telo-polo taona.
- 6Ary ny mpanjaka sy ny olony nankany Jerosalema hiady amin’ny Jebosita tompon-tany, ary hoy izy ireo tamin’i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao; fa na dia ny jamba ny mandringa aza dia hahasakana anao ka hanao hoe*: Tsy ho tafiditra eto Davida.[Na: ary ny heviny tamin’izany dia toy ny manao hoe:]
- 7Kanjo afak’i Davida ihany ny batery fiarovana, dia Ziona (Tanànan’i Davida izany).
- 8Ary hoy Davida tamin’izany andro izany: Izay mamely ny Jebosita, dia aoka hananika ho eo amin’ny riana ka hamely, ny mandringa sy ny jamba izay halan’ny fon’i Davida. Koa dia mby am-pitenenana hoe: Izay jamba mandringa tsy ho tafiditra ao an-trano.
- 9Dia nitoetra tao anatin’ny batery fiarovana Davida, ary ny anarany nataony hoe: Tanànan’i Davida. Ary narafitr’i Davida ny manodidina hatrany Milo* mbamin’ny ao anatiny.[Heb. fiarovana]
- 10Koa dia nandroso sy nihalehibe Davida, fa Jehovah, Andriamanitry ny maro, no nomba azy.
- 11[Ny amin’ny lapan’i Davida, sy ny vadiny aman-janany] Ary Hirama, mpanjakan’i Tyro, naniraka olona tany amin’i Davida nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpandrafitra sy tambato; dia nanao trano ho an’i Davida ireo.
- 12Dia fantatr’i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan’ny Isiraely ka nanandratra ny fanjakany noho ny amin’ny Isiraely olony.
- 13Ary Davida mbola naka vaditsindrano sy vady koa tany Jerosalema, rehefa tonga avy tany Hebrona izy; ary dia nisy zanakalahy sy zanakavavy koa naterak’i Davida.
- 14Ary izao no anaran’ny naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona
- 15sy Jibara sy Elisoa sy Nafega sy Jafia
- 16sy Elisama sy Eliada ary Elifeleta.
- 17[Ny nandresen’i Davida ny Filistina] Koa nony ren’ny Filistina fa efa nohosoran’ny olona ho mpanjakan’ny Isiraely Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra; fa raha ren’i Davida izany dia nidina tao amin’ny batery fiarovana izy.
- 18Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin’ny Lohasahan’ny Refaita.
- 19Ary Davida nanontany tamin’i Jehovah hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah tamin’i Davida: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao tokoa ny Filistina.
- 20Ary Davida tonga tao Bala-perazima* ka namely ireo tao, dia hoy izy: Jehovah efa namaky ny fahavaloko teo anoloako hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran’izany tany izany hoe Bala-perazima.[Bala-perazima = Tany nahavakiana]
- 21Ary nilaozany tao ny sampiny, ka dia lasan’i Davida sy ny olony ireny.
- 22Ary niakatra indray ny Filistina ka nihahakahaka teny amin’ny Lohasahan’ny Refaita.
- 23Ary nanontany tamin’i Jehovah Davida, ka novaliany hoe: Aza mandeha; fa hodidino avy eo aoriana izy, ka ho tonga eo aminy ianao eo amin’ny tandrifin’ny hazo balsama.
- 24Ary raha toa mahare fingadongadon’olona eny amin’ny tendron’ny hazo balsama ianao, dia faingàna; fa amin’izay no efa miainga mialoha anao Jehovah hamely ny miaramilan’ny Filistina.
- 25Ary dia nanao araka ny nandidian’i Jehovah azy Davida ka dia namely ny Filistina hatrany Geba ka hatrao akaikin’i Gazera izy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.