2 Samoela
Toko 15
- 1[Ny niodinan’i Absaloma, sy ny nandosiran’i Davida] Ary nony afaka izany, Absaloma dia nanomana kalesy iray sy soavaly ary olona dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo alohany.
- 2Ary Absaloma nifoha maraina koa, dia nijanona teo anilan’ny lalana mankeo am-bavahady, ka raha nisy olona nanana ady ho entiny any amin’ny mpanjaka hotsaraina, dia nantsoin’i Absaloma ka nanontaniany hoe: Avy any amin’ny tanàna aninona ianao? Ary hoy izy: Avy any Anonana amin’ny firenen’Isiraely ny mpanomponao.
- 3Dia hoy Absaloma taminy: Eny, tsara sy marina ny raharahanao, saingy tsy misy olona voatendrin’ny mpanjaka hihaino anao.
- 4Ary hoy koa Absaloma: Enga anie ka izaho no voatendry ho mpitsara amin’ny tany, ary ho avy atỳ amiko ny olona rehetra izay manana ady sy teny hotsaraina, dia homeko rariny izy!
- 5Ary isaky ny nisy olona nanatona hiankohoka teo anoloany, dia narosony ny tànany ka noraisiny sy norohany izany olona izany.
- 6Ary toy izany no nataon’i Absaloma tamin’ny Isiraely rehetra izay nankao amin’ny mpanjaka hotsaraina; ka dia voafetsin’i Absaloma ho azy ny fon’ny lehilahy amin’ny Isiraely.
- 7Ary nony afaka efa-polo taona*, dia hoy Absaloma tamin’ny mpanjaka: Trarantitra ianao, aoka aho hankany Hebrona hanefa ny voadiko izay nivoadiako tamin’i Jehovah. [Na: (efa-taona)]
- 8Fa nivoady aho mpanomponao, fony mbola nitoetra tany Gesora any Syria, nanao hoe: Raha mbola hampodin’i Jehovah any Jerosalema ihany aho, dia hanompo an’i Jehovah.
- 9Ary hoy ny mpanjaka taminy: Mandehana soa aman-tsara ary. Dia niainga izy ka nankany Hebrona.
- 10Ary Absaloma naniraka mpitety nankeny amin’ny firenen’Isiraely rehetra hanao hoe: Raha vao mandre ny feon’ny anjomara ianareo, dia miantsoa hoe: Absaloma no mpanjaka ao Hebrona.
- 11Ary nisy roan-jato lahy izay nasain’i Absaloma, ka dia nanaraka azy avy tany Jerosalema, nefa nandeha tamin’ny fahatsoran’ny fony izy ireo, fa tsy nahafantatra na inona na inona.
- 12Ary Absaloma naniraka naka an’i Ahitofela Gilonita, mpanolo-tsaina an’i Davida, avy tao an-tanànany, dia tao Gilo, raha mbola nanatitra ny fanatitra izy. Ary nihamasaka ny tetika fikomiana, ka dia nihamaro mandrakariva ny olona nomba an’i Absaloma.
- 13Ary nisy olona tonga tao amin’i Davida ka nilaza hoe: Lasa nanaraka an’i Absaloma fon’ny lehilahy amin’ny Isiraely.
- 14Ary hoy Davida tamin’ny mpanompony rehetra izay tao aminy tany Jerosalema: Mitsangàna, andeha isika handositra, fa tsy hisy hahafahantsika amin’i Absaloma; andeha hiala faingana, fandrao tamy faingana izy, ka tratrany eto isika, dia hataony idiran-doza tampoka eto isika, ary hasiany amin’ny lelan-tsabatra ny tanàna.
- 15Ary hoy ny mpanompon’ny mpanjaka taminy: Indreto ny mpanomponao hanao araka izay rehetra sitraky ny mpanjaka tompoko.
- 16Dia nivoaka ny mpanjaka ka narahin’ny ankohonany rehetra. Ary ny mpanjaka namela folo vavy tamin’ny vaditsindranony hiandry trano.
- 17Ary nivoaka ny mpanjaka, ka dia nanaraka azy ny vahoaka rehetra, ary nitoetra teo Faratanàna izy.
- 18Ary ny mpanompony rehetra nandeha teny anilany, ka ny miaramila mpiambina andriana* rehetra sy ny Gatita rehetra, dia enin-jato lahy izay nanaraka azy avy tany Gata, nandeha teo alohan’ny mpanjaka.[Heb. Keretita sy Peletita]
- 19Ary hoy ny mpanjaka tamin’Itahy Gatita: Nahoana no ianao avy no mba miaraka aminay? Miverena, ka mitoera any amin’ny mpanjaka; fa hafa firenena sady mpivahiny ianao; modia ho any amin’ny fonenanao.
- 20Fa vao omaly no nahatongavanao, ka anio va dia ho entiko manjenjena hiaraka aminay ianao? fa mandeha ho any amin’izay azoko aleha aho, koa miverena ihany ianao, ary ento hiara-miverina aminao koa ny rahalahinao; ho aminao anie ny famindram-po sy ny fahamarinana.
- 21Fa Itahy namaly ny mpanjaka hoe: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny mpanjaka tompoko, izay hitoeran’ny mpanjaka tompoko, na ho faty na ho velona, dia any koa no hitoeran’ny mpanomponao.
- 22Ary hoy Davida tamin’Itahy: Andeha mandroso ary. Dia nandroso Itahy Gatita sy ny olony rehetra mbamin’ny zaza amim-behivavy rehetra izay teo.
- 23Ary ny olona rehetra dia nitomany nikaikaika, ary nita ny vahoaka rehetra; ny mpanjaka koa dia nita ny lohasahan-driaka Kidrona, ary ny vahoaka rehetra nandroso tamin’ny lalana mankany an-efitra.
- 24Ary indro koa Zadoka sy ny Levita rehetra nanaraka azy nitondra ny fiaran’ny faneken’Andriamanitra. Ary nametraka ny fiaran’Andriamanitra izy ary Abiatara niakatra mandra-pahatapitry ny olona rehetra avy tao an-tanàna.
- 25Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Zadoka: Ento miverina ho any an-tanàna ihany ny fiaran’Andriamanitra; fa raha mahita fitia eo imason’i Jehovah aho, dia mbola ho entiny miverina ihany, ka hasehony ahy iny sy ny fitoerany.
- 26Fa raha izao kosa no lazainy: Tsy sitrako ianao, dia inty aho, aoka Izy hanao amiko araka izay ataony ho tsara.
- 27Ary hoy koa ny mpanjaka tamin’i Zadoka mpisorona: Tsy mpahita va ianao? miverena soa aman-tsara any an-tanàna ianao mbamin’ny zanakareo roa lahy miaraka aminareo, dia Ahimaza zanakao sy Jonatana, zanak’i Abiatara.
- 28Indro, izaho hijanonjanona eny amin’ny fitàna* any amin’ny efitra mandra-pahatongan’izay teny avy atỳ aminareo hambara amiko.[Na: tani-hay]
- 29Ary Zadoka sy Abiatara nitondra ny fiaran’Andriamanitra niverina nankany Jerosalema ihany; dia nitoetra tany izy.
- 30Ary Davida niakatra teny an-tendrombohitra Oliva ka nitomany teny am-piakarana ary nisaron-doha sady nandeha tsy nikiraro; ary ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy samy nisaron-doha sy niakatra ary nitomany teny am-piakarana avokoa.
- 31Ary nisy nanambara tamin’i Davida hoe: Ahitofela koa mba isan’ny mpiray tetika amin’i Absaloma. Dia hoy Davida: Mitaraina aminao aho, Jehovah รด, ampodio ho fahadalana ny hevitra ataon’i Ahitofela.
- 32Ary nony tonga teo an-tampon’ny tendrombohitra Davida, dia teo amin’izay fivavahan’ny olona tamin’Andriamanitra, indro, avy hitsena azy Hosay Arkita, voatriatra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany;
- 33ary hoy Davida taminy: Raha miara-mandroso amiko ianao, dia ho tonga enta-mavesatra amiko;
- 34fa raha hiverina any an-tanàna kosa ianao ka hanao amin’i Absaloma hoe: Ho mpanomponao aho, ry mpanjaka; efa mpanompon’ny rainao ihany aho taloha, fa ankehitriny kosa dia mpanomponao, aho dia hofoananao hahasoa ahy ny hevitra ataon’i Ahitofela.
- 35Ary tsy ao aminao va Zadoka sy Abiatara mpisorona? Koa izay zavatra rehetra renao avy ao an-tranon’ny mpanjaka, dia ambarao amin’i Zadoka sy Abiatara mpisorona.
- 36Indreo, any aminy ny zanany roa lahy, dia Ahimaza, zanak’i Zadoka, sy Jonatana, zanak’i Abiatara; ary izy no hampitondrainareo izay rehetra renareo ho atỳ amiko.
- 37Koa dia tonga tany an-tanàna Hosay, sakaizan’i Davida, tamin’ny nahatongavan’i Absaloma tany Jerosalema.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.