2 Samoela
Toko 6
- 1[Ny namindrana ny fiaran’i Jehovah nankany Jerosalema] Ary novorin’i Davida indray ny lehilahy voafantina rehetra tamin’ny Isiraely, dia telo alina.
- 2Dia niainga Davida sy ny olona rehetra izay nanaraka azy ka niala tany Bala-joda hampakatra ny fiaran’Andriamanitra izay niantsoana* ny anaran’i Jehovah, Tompon’ny maro, Izay mipetraka amin’ny kerobima.[Na: izay nantsoina tamin’]
- 3Ary nataony teo amin’ny sariety vaovao ny fiaran’Andriamanitra ka nentiny avy tao an-tranon’i Abinadaba teo an-kavoana*; ary Oza sy Ahio, zanak’i Abinadaba, no nampandeha ny sariety vaovao.[Na: Gibea]
- 4Ary dia nentiny niala tao an-tranon’i Abinadaba teo ankavoana niaraka tamin’ny fiaran’Andriamanitra izany; ary Ahio nandeha teo alohan’ny fiara.
- 5Ary Davida sy ny taranak’Isiraely rehetra nitsinjaka teo anatrehan’i Jehovah tamin’ny karazan’ny zava-maneno rehetra natao tamin’ny hazo kypreso, dia tamin’ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny korintsana ary ny kipantsona.
- 6Ary nony tonga teo amin’ny famoloan’i Nakona izy, dia naninjitra ny tanany tamin’ny fiaran’Andriamanitra Oza ka nihazona azy, satria nazeran’ny omby ny fiara.
- 7Dia nirehitra tamin’i Oza ny fahatezeran’i Jehovah; ary namely azy teo Andriamanitra noho ny fahadisoany, ka dia maty teo anilan’ny fiaran’Andriamanitra izy.
- 8Ary dia tezitra* Davida noho ny namelezan’i Jehovah an’i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza** ny anaran’izany tany izany mandraka androany.[*Na: nalahelo][**Perez-oza = Famelezana an’i Oza]
- 9Ary Davida natahotra an’i Jehovah tamin’izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana no ho entina atỳ amiko ny fiaran’i Jehovah?
- 10Ary Davida dia tsy nety namindra ny fiaran’i Jehovah ho ao aminy ao an-Tanànan’i Davida; fa naviliny ho ao an-tranon’i Obed-edoma Gatita.
- 11Ary nipetraka telo volana tao an-tranon’i Obed-edoma Gatita ny fiaran’i Jehovah; ka dia notahin’i Jehovah Obed-edoma sy ny ankohonany rehetra.
- 12Ary nambara tamin’i Davida mpanjaka hoe: Jehovah efa nitahy ny ankohonan’i Obed-edoma sy izay nananany rehetra noho ny fiaran’Andriamanitra. Dia nandeha Davida ka nampakatra ny fiaran’Andriamanitra tamim-pifaliana avy tao an-tranon’i Obed-edoma ho any an-Tanànan’i Davida.
- 13Ary rehefa namindra inenina ny mpitondra ny fiaran’i Jehovah, dia namono omby sy zanak’omby mifahy izy hatao fanatitra.
- 14Ary Davida nitsinjaka mafy dia mafy teo anatrehan’i Jehovah sady nisalotra efoda rongony fotsy.
- 15Ary Davida sy ny taranak’i Isiraely rehetra nampakatra ny fiaran’i Jehovah tamin’ny hoby sy ny feon’ny anjomara.
- 16Ary nony tonga teo an-Tanànan’i Davida ny fiaran’i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin’i Saoly, ka nahita an’i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka teo anatrehan’i Jehovah; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy.
- 17Ary nampiditra ny fiaran’i Jehovah ny olona ka nametraka azy teo amin’ny fitoerany tao amin’ny lay izay naorin’i Davida hitoerany; ary Davida nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan’i Jehovah.
- 18Ary nony voatitr’i Davida ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny vahoaka tamin’ny anaran’i Jehovah, Tompon’ny maro, izy.
- 19Dia nomeny mofo iray sy hena iray didy* ary ampempam-boaloboka iray avy ny olona rehetra, dia ny Isiraely rehetra, na lahy na vavy. Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra.[Na: divay eran’ny kapoaka]
- 20Ary Davida koa mba nody hitso-drano ny ankohonany. Fa Mikala, zanakavavin’i Saoly, nivoaka hitsena an’i Davida ka nanao hoe: Akory ity voninahitry ny mpanjakan’ny Isiraely androany! ilay nanary lamba anikeheo teo imason’ny zanakavavin’ny mpanompony, tahaka ny adala manary lamba ka tsy manan-kenatra.
- 21Ary hoy kosa Davida tamin’i Mikala: Teo anatrehan’i Jehovah, Izay nifidy ahy noho ny rainao sy ny ankohonany rehetra ka nanendry ahy ho mpanapaka ny Isiraely, olon’i Jehovah, eny, teo anatrehan’i Jehovah no nitsinjahako.
- 22Ary mbola hivazina kokoa noho izany aza aho, ka hataoko tsinontsinona ny tenako; nefa hiaraka hanam-boninahitra amin’ireo tovovavy nantsoinao ireo kosa aho.
- 23Ka dia tsy nanan-janaka intsony mandra-pahafatiny Mikala, zanakavavin’i Saoly.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.