2 Samoela
Toko 14
- 1[Ny nodian’i Absaloma, sy ny nampihavanana ny rainy taminy] Ary Joaba, zanak’i Zeroia, nahalala fa ny fon’ny mpanjaka nalahelo an*’i Absaloma ihany.[Na: mbola tezitra tamin’]
- 2Koa naniraka tany Tekoa nampaka vehivavy hendry tany Joaba ka nanao taminy hoe: Masìna ianao, modia misaona, ka miakanjoa akanjo fisaonana, ary aza mihoso-diloilo ianao, fa manaova tahaka ny vehivavy efa nisaona ela ny maty;
- 3dia mankanesa ao amin’ny mpanjaka, ka lazao aminy araka izao. Dia nomen’i Joaba teny izy.
- 4Ary nony niteny tamin’ny mpanjaka ravehivavy avy any Tekoa, dia niankohoka tamin’ny tany izy ary nitsaoka ka nanao hoe: Vonjeo, ary mpanjaka ô.
- 5Ary hoy ny mpanjaka taminy: Inona no nanjo anao? Dia hoy izy: Vehivavy mpitondra tena tokoa aho, fa maty vady.
- 6Ary izaho mpanompovavinao nanan-janaka roa lahy, ary nifanditra tany an-tsaha izy mirahalahy, ka tsy nisy nampisaraka azy, ary ny anankiray namely ny rahalahiny ka nahafaty azy.
- 7Ary, indreo, ny mpianakavy rehetra nanangana ady tamiko mpanompovavinao ka nanao hoe: Atolory ilay namely ny rahalahiny, fa hataonay maty izy noho ny ain’ny rahalahiny izay novonoiny ka dia hovonoinay koa ny mpandova; ka hovonoiny koa ny vainafoko sisa, ka tsy hamelany anarana na zanaka ho an’ny vadiko etỳ ambonin’ny tany.
- 8Ary hoy ny mpanjaka tamin-dravehivavy: Modia ianao; fa izaho no handidy ny amin’izany.
- 9Ary hoy ravehivavy avy any Tekoa tamin’ny mpanjaka: Ry mpanjaka tompoko ô, aoka ho amiko ny heloka sy ho amin’ny ankohonan’ny raiko; fa ny mpanjaka sy ny seza fiandrianany dia aoka tsy hanan-tsiny.
- 10Dia hoy ny mpanjaka: Na zovy na zovy manisy teny anao, ento etỳ amiko, dia tsy haninona anao intsony izy.
- 11Ary hoy ravehivavy: Trarantitra ianao, ry mpanjaka ô, aoka ianao hahatsiaro an’i Jehovah Andriamanitrao, ary aoka ny mpamaly ratsy hamono intsony, fandrao mamono ny zanako izy. Dia hoy ny mpanjaka: Raha velona koa Jehovah, tsy hisy ho latsaka amin’ny tany na dia singam-bolo iray akory aza amin’ny zanakao.
- 12Ary hoy ravehivavy: Trarantitra ianao, aoka kely ny mpanompovavinao hanao teny indraim-bava monja amin’ny mpanjaka tompoko. Ary hoy izy: Lazao ary.
- 13Dia hoy ravehivavy: Nahoana ianao no nihevitra toy izany hamely ny olon’Andriamanitra? Fa amin’ny, itenenan’ny mpanjaka izany zavatra izany, dia toa mahavoa ny tenany ihany izy noho ny tsi-fampodian’ny mpanjaka ilay noroahiny.
- 14Fa tsy maintsy maty isika ka ho tahaka ny rano raraka amin’ny tany, izay tsy azo raofina intsony; ary Andriamanitra tsy manala ain’olona, fa mihevitra izay tsy hanariany ilay noroahiny.
- 15Fa izaho no tonga hilaza izany zavatra izany amin’ny mpanjaka tompoko, ny olona no nampitahotra ahy: ary hoy izaho mpanompovavinao: mba holazaiko amin’ny mpanjaka izany; fa angamba ny mpanjaka hanao izay angatahin’ny mpanompovaviny.
- 16Eny, ny mpanjaka hihaino ka hamonjy ny mpanompovaviny ho afaka amin’ny tanan’ny lehilahy izay ta-hamongotra ahy mbamin’ny zanako hiala amin’ny lova nomen’Andriamanitra.
- 17Dia hoy ny mpanompovavinao: Hahazoako fiononana anie ny tenin’ny mpanjaka tompoko; fa ta-haka Ilay Anjelin’Andriamanitra ny mpanjaka tompoko ka mandinika izay soa sy ratsy; koa Jehovah Andriamanitrao anie ho aminao.
- 18Ary ny mpanjaka namaly an-dravehivavy hoe: Aza dia afenina ahy izay zavatra hanontaniako anao. Dia hoy ravehivavy: Aoka hiteny ny mpanjaka tompoko.
- 19Ary hoy ny mpanjaka: Moa saina nomen’i Joaba va izany rehetra lazainao izany*? Dia hoy ny navalin-dravehivavy: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka tompoko, tsy misy mivily izay rehetra nolazain’ny mpanjaka tompoko na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia; fa Joaba mpanomponao tokoa no nandidy ahy sy nanome izany teny rehetra izany ny mpanompovavinao.[Heb. Moa ny tànan’i Joaba va no aminao amin’izany rehetra izany?]
- 20Ny hampiova tarehy ny raharaha no nanaovan’i Joaba mpanomponao izany zavatra izany; fa hendry tahaka Ilay Anjelin’Andriamanitra tompoko ka mahalala ny zavatra rehetra etỳ ambonin’ny tany.
- 21Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Joaba: Indro fa efa nekeko izany zavatra izany: koa andeha, alao hody Absaloma zatovo.
- 22Dia niankohoka tamin’ny tany Joaba ka nitsaoka sy nisaotra ny mpanjaka; ary hoy Joaba: Anio no ahafantaran’ny mpanomponao fa efa mahita fitia eo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko, amin’ny nanaovan’ny mpanjaka araka ny nangatahin’ny mpanompony.
- 23Dia niainga Joaba nankany Gesora, ka nentiny nankany Jerosalema Absaloma.
- 24Ary hoy ny mpanjaka: Aoka hody any an-tranony izy, fa aza avela hahita ny tavako. Ary Absaloma nankany an-tranony, ka dia tsy nahita ny tavan’ny mpanjaka.
- 25Ary tsy nisy lehilahy tsara tarehy noderaina fatratra tahaka an’i Absaloma teo amin’ny Isiraely rehetra, fa hatrany am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany dia tsy nisy tsiny izy.
- 26Ary raha nanaratra ny lohany izy (fa isaky ny fitsingerenan’ny taona no nanaratany azy; fa nanavesatra azy ka noharatany), dia nolanjainy ny volon-dohany, ka sekely roan-jato no lanjany, araka ny fandanjan’ny mpanjaka.
- 27Ary Absaloma niteraka zanaka telo mirahalahy sy vavy iray, atao hoe Tamara, ary vehivavy tsara tarehy izy.
- 28Ary Absaloma nitoetra roa taona ngarangidina tany Jerosalema, nefa tsy mbola nahita ny tavan’ny mpanjaka ihany izy.
- 29Ary Absaloma dia naniraka tany amin’i Joaba, mba hanirahany azy ho any amin’ny mpanjaka, fa tsy nety nankany aminy izy; ary mbola naniraka fanindroany indray Absaloma, fa mbola tsy nety nankany ihany Joaba.
- 30Koa dia hoy izy tamin’ny mpanompony: Indro, ny tanimbarin’i Joaba mifanolotra amin’ny ahy, ary manana vary hordea ao izy; andeha, dory amin’ny afo izany. Ary ny mpanompon’i Absaloma dia nandoro ny tanimbary.
- 31Ary Joaba niainga nankany amin’i Absaloma tao an-tranony ka nanao taminy hoe: Nahoana ny mpanomponao no nandoro ny tanimbariko tamin’ny afo?
- 32Fa hoy Absaloma tamin’i Joaba: Indro, naniraka tany aminao aho ka nanao hoe: Mankanesa atỳ hirahiko ho any amin’ny mpanjaka hanao hoe: Nahoana no niala tany Gesora aho? Tsara amiko raha nitoetra tany ihany mandraka ankehitriny. Koa ankehitriny, aoka re mba hahita ny tavan’ny mpanjaka aho, ka raha manan-keloka aho, dia aoka hovonoiny.
- 33Ary Joaba nankany amin’ny mpanjaka ka nanambara izany taminy: ary dia nampanalain’ny mpanjaka Absaloma, dia nankao aminy izy ka niondrika tamin’ny tany teo anatrehan’ny mpanjaka; ary dia nanoroka an’i Absaloma ny mpanjaka.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.