2 Samoela
Toko 16
- 1[] Ary nony vao nihilana kely avy teo an-tampon’ny tendrombohitra Davida, indro, Ziba, mpanompon’i Mefiboseta, nitsena azy mitondra boriky roa voaisy lasely sady ampitondraina mofo roan-jato sy voaloboka maina zato sampaho sy voankazo masaka fahavaratra zato ary divay iray tavoara*.[Na: siny hoditra]
- 2Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Ziba: Ahoana no hevitrao amin’ireto? Dia hoy Ziba: Ny boriky dia ho an’ny ankohonan’ny mpanjaka itaingenany; ary ny mofo sy ny voankazo masaka fahavaratra hohanin’ny zatovo; ary ny divay hosotroin’izay reraka any an-efitra.
- 3Dia hoy ny mpanjaka: Aiza ny zanakalahin’ny tomponao? Ary hoy Ziba tamin’ny mpanjaka: Indro, mitoetra any Jerosalema izy; fa hoy izy: Anio no hampodian’ny taranak’Isiraely ny fanjakan’ikaky ho ahy.
- 4Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Ziba: Indro, anao izay rehetra an’i Mefiboseta. Ary hoy Ziba: Trarantitra anie ianao, aoka hahazo fitia eto imasonao aho, ry mpanjaka tompoko.
- 5Ary nony nanakaiky an’i Bahorima Davida mpanjaka, indro, nisy lehilahy, tamingan’i Saoly ny anarany dia Simey, zanak’i Gera nivoaka avy tao izy ka nanozona teny ampandehanana.
- 6Ary nitora-bato an’i Davida mpanjaka sy ny mpanompony rehetra izy; ary ny vahoaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra dia teo amin’ny ankavanan’ny mpanjaka sy teo amin’ny ankaviany.
- 7Ary hoy ny fanozon’i Simey: Mandehana, mandehana, ry lehilahy mpandatsa-drà sy tena ratsy fanahy!
- 8Nataon’i Jehovah manody anao izao ny ran’ny tamingan’i Saoly, ilay nodimbiasanao fanjakana; ary Jehovah nanome ny fanjakana ho eo an-tànan’i Absaloma zanakao kosa; ary indro, efa idiran-doza izao ianao, satria mpandatsa-drà.
- 9Ary hoy Abisay, zanak’i Zeroia, tamin’ny mpanjaka: Nahoana no avela hanozona ny mpanjaka tompoko io alika maty io? Trarantitra ianao, aoka aho handeha ka hanapaka ny lohany.
- 10Fa hoy ny mpanjaka: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak’i Zeroia? Raha manozona izy, sady Jehovah no nanao taminy hoe: Ozony Davida, dia iza indray no hanao hoe: Nahoana ianao no manao izany?
- 11Ary hoy koa Davida tamin’i Abisay sy tamin’ny mpanompony rehetra: Indro, ny zanako naterako aza mitady ny aiko, ka mainka io Benjamita io! Avelao ihany izy hanozona, fa Jehovah no nampanao azy izany.
- 12Angamba Jehovah hamindra fo amiko ny amin’ny heloko* ary hamaly soa ahy noho izao ozona nanjo ahy androany izao.[Na: hijery ny fahoriako (na, ny ranomasoko?)]
- 13Ary nony nandeha teny an-dalana Davida sy ny olony, dia nandeha tamin’ny ilan’ny havoana tandrifiny kosa Simey ka nanozona teny ampandehanana sady nitora-bato nanandrify azy sy namafy vovoka.
- 14Ary dia tonga tao ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy sady efa reraka*, ka dia naka aina teo izy.[Na: Ary tonga tao Aiefima ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy]
- 15[Ny nataon’i Absaloma tany Jerosalema, sy ny hevitra nomen’i Ahitofela azy, ary ny nanafoanan’i Hosay izany] Ary Absaloma sy ny vahoaka rehetra tamin’ny Isiraely dia tonga tany Jerosalema, ary Ahitofela koa dia teo aminy.
- 16Ary Hosay Arkita, sakaizan’i Davida, dia tonga tao amin’i Absaloma ka nanao taminy hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka! ho ela velona anie ny mpanjaka!
- 17Fa hoy Absaloma tamin’i Hosay: izao va no fitianao ny sakaizanao? Nahoana ianao no tsy mba nandeha niaraka tamin’ny sakaizanao?
- 18Ary hoy Hosay tamin’i Absaloma: Tsia, fa izay nofidin’i Jehovah sa ireto vahoaka ireto mbamin’ny lehilahy amin’ny Isiraely, dia izy no hombako, sady ao aminy no hitoerako.
- 19Ary koa, iza indray no hotompoiko? Tsy eo anatrehan’ny zanany va? Tahaka ny nanompoako teo anatrehan’ny rainao no hanompoako eto anatrehanao koa.
- 20Ary hoy Absaloma tamin’i Ahitofela: Heveronareo tsara izay hataontsika.
- 21Dia hoy Ahitofela tamin’i Absaloma: Midira ao amin’ny vaditsindranon-drainao, izay nampiandrasiny trano; dia ho ren’ny Isiraely rehetra fa efa nanamaimbo tena eo anatrehan-drainao ianao, ka dia hahery ny tànan’izay rehetra momba anao.
- 22Ary dia nanorin-day ho an’i Absaloma teo an-tampon-trano ny olona; ary Absaloma niditra tao amin’ny vaditsindranon-drainy teo imason’ny Isiraely rehetra.
- 23Ary ny hevitr’i Ahitofela izay nataony tamin’izany dia hoatra ny manontany amin’Andriamanitra; toy izany avokoa ny hevitra rehetra nataon’i Ahitofela, na tamin’i Davida, na tamin’i Absaloma.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.