2 Samoela
Toko 24
- 1[Ny nanisana ny olona, sy ny aretim-be nanjo azy tamin’izany] Ary ny fahatezeran’i Jehovah nirehitra indray tamin’ny Isiraely, ka dia nanome saina an’i Davida Izy hanao izay hahatonga loza amin’ny vahoakany hoe: Mandehana, isao ny Isiraely sy ny Joda.
- 2Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Joaba, komandin’ny miaramila, izay teo aminy: Mandehana mitety ny firenen’isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba, ary alaminonareo ny vahoaka mba ho fantatro ny isany.
- 3Fa hoy Joaba amin’ny mpanjaka: Jehovah Andriamanitrao anie hampitombo ny vahoaka ho injato toy izao, na firy na firy izy, ka ho hitan’ny mason’ny mpanjaka tompoko izany; fa ahoana no itiavan’ny mpanjaka tompoko hanao izany zavatra izany?
- 4Nefa tsy azon’i Joaba sy ny komandin’ny miaramila nolavina ny tenin’ny mpanjaka. Ary Joaba sy ny komandin’ny miaramila nivoaka avy teo anatrehan’ny mpanjaka handamina ny lehilahy amin’ny Isiraely.
- 5Ary nita an’i Jordana izy ireo ka nitoby tao Aroera eo ankavanan’ilay tanàna afovoan’ny lohasahan-driak’i Gada, dia nankany Jazera.
- 6Dia tonga tany Gileada izy, tany amin’ny tamin’i Tatima-hodsy*, dia tonga tany Danajana izy, ka nanodidina hatrany Sidona,[Na: tany amin’ny tany lemaka vao azo]
- 7ary tonga tao Tyro, tanàna mimanda, sy tany amin’ny tanànan’ny Hivita sy ny Kananita rehetra, ary dia nankany amin’ny tany atsimo izay an’ny Joda hatrany Beri-sheba izy.
- 8Ary nony efa nitety ny tany rehetra izy, dia tonga tany Jeroselama, rehefa afaka sivy volana sy roa-polo andro.
- 9Dia natolotr’i Joaba ny mpanjaka ny isan’ny vahoaka voalamina, ka nisy valo hetsy ny lehilahy mahery nahatan-tsabatra* tamin’ny Isiraely, ary dimy hetsy ny lehilahy tamin’ny Joda.[Heb. mpanatsoaka sabatra]
- 10Ary ny eritreritr’i Davida namely azy, rehefa voaisany ny olona. Ka dia hoy Davida tamin’i Jehovah: Efa nanota indrindra aho tamin’izao nataoko izao; koa ankehitriny mifona aminao aho, Jehovah รด, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe aho.
- 11Ary raha nifoha maraina Davida, dia tonga tamin’i Gada mpaminany, mpahitan’i Davida, ny tenin’i Jehovah nanao hoe:
- 12Mandehana, ka lazao amin’i Davida hoe: Izao no lazain’i Jehovah: Zavatra telo no apetrako eto anoloanao, koa fidio izay iray hataoko aminao.
- 13Ary Gada nankany amin’i Davida dia nanambara izany taminy ka nanao hoe: Mosary fito taona va no tianao ho tonga aminao eto amin’ny taninao? Sa handositra telo volana eo anoloan’ny fahavalonao ianao, fa henjehiny? Sa areti-mandringana hateloana eto amin’ny taninao? Koa saino sy hevero izay valiny ho entiko miverina any amin’izay naniraka ahy.
- 14Dia hoy Davida tamin’i Gada: Indrisy! poritra loatra aho! aleontsika ho azon’ny tànan’i Jehovah, fa lehibe ny famindram-pony toy izay ho azon’izay tànan’olona.
- 15Ka dia nasian’i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely nony maraina ka hatramin’ilay fotoana; ary dia nahafatesana fito alina ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.
- 16Ary naninjitra ny tànany tany Jerosalema Ilay Anjely handringana ny any; fa Jehovah nanenina ny amin’ny loza ka nanao tamin’ilay Anjely Izay nandringana ny olona hoe: Aoka izay, atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin’i Jehovah dia teo amin’ny famoloan’i Araona Jebosita.
- 17Ary nony hitan’i Davida Ilay Anjely namely ny olona, dia niteny tamin’i Jehovah izy nanao hoe: Indro, izaho no efa nanota, ary izaho no efa anao ratsy; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Koa mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny mpianakavin’ny raiko.
- 18Ary Gada nankany amin’i Davida tamin’izany andro izany ka nanao taminy hoe: Miakara, ka manangàna alitara ho an’i Jehovah ao amin’ny famoloan’i Araona Jebosita.
- 19Koa dia niakatra Davida araka ny tenin’i Gada, araka izay nandidian’i Jehovah.
- 20Ary Araona nitsirika ka nahita ny mpanjaka sy ny mpanompony manatona azy, dia nivoaka izy ka niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’ny mpanjaka.
- 21Ary hoy Araona: Ahoana no ahatongavan’ny mpanjaka tompoko atỳ amin’ny mpanompony? Dia hoy Davida: Hividy ny famoloana aminao mba hanorenako alitara ho an’i Jehovah hitsaharan’ny areti-mandringana tsy hamely ny olona intsony.
- 22Fa hoy Araona tamin’i Davida: Aoka ny mpanjaka tompoko haka izay sitrany ka hanatitra izany. Indreo ny omby ho fanatitra dorana ary ny fivelezam-bary sy ny hazo amin’ny omby hatao kitay.
- 23Izany rehetra izany, ry mpanjaka, dia omen’i Araona ny mpanjaka. Ary hoy Araona tamin’ny mpanjaka: Jehovah Andriamanitrao anie hankasitraka anao.
- 24Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Araona: Tsia, fa hovidiko aminao mihitsy araka izay tokom-bidiny ireo; fa tsy hanatitra fanatitra dora na ho an’i Jehovah Andriamanitro amin’izay azoko fotsiny aho. Ka dia novidin’i Davida sekely volafotsy dimam-polo ny famoloana sy ny omby.
- 25Ary Davida nanao alitara teo ho an’i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana. Ka dia neken’i Jehovah ny fifonana natao ho an’ny tany, ka nitsahatra tsy namely ny Isiraely intsony ilay areti-mandringana.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.