2 Samoela
Toko 1
- 1[Ny nataon’i Davida, rehefa nahare ny nahafatesan’i Saoly, sy ny hira fisaonana nentiny nisaona azy] Ary nony maty Saoly, ary niverina avy namono ny Amalekita Davida, dia nitoetra indroa andro tao Ziklaga izy.
- 2Ary tamin’ny andro fahatelo, indro, nisy lehilahy iray tonga avy tany amin’ny miaramilan’i Saoly, triatra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany; ary rehefa tonga teo amin’i Davida izy, dia niankohoka tamin’ny tany ka nitsaoka.
- 3Ary hoy Davida taminy: Avy taiza moa ianao? Dia hoy izy taminy: Afaka nandositra avy tany amin’ny tobin’ny Isiraely aho.
- 4Ary hoy Davida taminy: Nanao ahoana izay tany? Masìna ianao, ambarao amiko. Dia hoy izy: Ny olona nandositra tamin’ny ady, ary be koa ny miampatrampatra sy maty, ary maty koa Saoly sy Jonatana zanany.
- 5Ary hoy Davida tamin’ilay zatovo niteny taminy: Ahoana no nahafantaranao fa maty Saoly sy Jonatana zanany.
- 6Dia nanambara taminy ilay zatovo nanao hoe: Sendra tao an-tendrombohitra Gilboa aho, ary, indro, Saoly nitehina tamin’ny lefony; ary, indreo, ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly nanenjika azy mafy.
- 7Dia niherika izy ka nahita ahy; ary niantso ahy izy, ka hoy izaho: Inty aho.
- 8Ary hoy izy tamiko: Iza moa ianao? Dia hoy izaho taminy: Amalekita aho.
- 9Ary hoy indray izy tamiko: Masìna ianao, hatony kely aho, ka vonoy, fa marary mivonkina ozatra aho, fa mbola ato anatiko ihany ny aiko.
- 10Dia nanatona azy aho ka namono azy, satria fantatro fa tsy ho velona izy, rehefa resy*, ka dia nalaiko ny satro-boninahiny teo an-dohany sy ny fehin-tanana teo amin’ny sandriny, ka nentiko etỳ amin’ny tompoko izany.[Heb. lavo]
- 11Dia noraisin’i Davida ny fitafiany ka notriariny: ary dia mba nanao toy izany koa ny olona rehetra teo aminy.
- 12Ary nisaona sy nitomany sy nifady hanina ambara-paharivan’ny andro izy noho ny amin’i Saoly sy Jonatana zanany sy ny olon’i Jehovah ary ny taranak’Isiraely, satria lavon-tsabatra ireny.
- 13Ary hoy Davida tamin’ilay zatovo nanambara taminy: Avy aiza ianao? Ary hoy izy: Zanaky ny vahiny Amalekita aho.
- 14Dia hoy Davida taminy: Nahoana ianao no tsy natahotra haninjitra ny tananao hamono ny voahosotr’i Jehovah?
- 15Dia niantso zatovo anankiray Davida ka nanao hoe: Hatony io, ka vonoy; dia nasiany izy ka maty.
- 16ary hoy Davida taminy: Aoka ny rànao ho eo amin’ny lohanao, satria ny vavanao ihany no efa niampanga anao nanao hoe: Izaho no namono ny voahosotr’i Jehovah.
- 17Ary Davida nisaona an’i Saoly sy Jonatana zanany tamin’izao hira fisaonana izao
- 18(ary nasainy nampianarina ny taranak’i Joda ny hira atao hoe Tsipika; indro, voasoratra ao amin’ny Bokin’i Jasara* izany): [Jasara = Ilay mahitsy]
- 19Ilay voninahitrao*, ry Isiraely, no voalefona teo amin’ny havoananao; Endrey! Lavo ny mahery! [Na: gazelanao, dia anaram-biby haingan-tongotra]
- 20Aza ambaranareo any Gata izany, Aza torinareo ho fifaliana any an-dalamben’i Askelona. Fandrao mifaly ny zanakavavin’ny Filistina. Fandrao miravoravo ny zanakavavin’ny tsy mifora.
- 21Hianareo tendrombohitra Gilboa, Aza misy ando aman’orana intsony eny aminareo, na saha angalana fanatitra asandratra, satria tany no nandotoana* ny ampingan’ny mahery, Dia ny ampingan’i Saoly, ka** tsy nohosorana diloilo.[*Na: nanariana][**Na: toy ny an’izay]
- 22Ny tsipìkan’i Jonatana tsy nihemotra. Raha tsy nahazo ny ran’ny maty sy ny tavin’ny mahery; ary ny sabatr’i Saoly tsy mba niverina foana.
- 23Saoly sy Jonatana, izay tiana sady mahate-ho-tia fony fahavelony, dia tsy nosarahina na dia tamin’ny nahafatesany aza; Faingana noho ny voromahery izy ary mahery noho ny liona.
- 24Ry zanakavavin’Isiraely, mitomania an’i Saoly, fa nahafinaritra ny mampitafiany jaky anareo, sady nasiany firava-bolamena ny fitafianareo.
- 25Endrey! lavo teo amin’ny ady ny mahery voalefona teo amin’ny havoananao Jonatana.
- 26Ory noho ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko; nahafinaritra ahy indrindra ianao; nahagaga ny fitiavanao ahy mihoatra noho ny fitiavan’ny vehivavy.
- 27Endrey! lavo ny mahery, ary levona ny fiadiana!
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.