2 Samoela
Toko 21
- 1[Ny amin’ny mosary naharitra telo taona] Ary nisy mosary telo taona misesy tamin’ny andron’i Davida, ary Davida nanontany tamin*’i Jehovah. Dia hoy Jehovah: Avy amin’ny taranak’i Saoly, izay meloka noho ny fandatsahan-drà izao, satria namono ny Gibeonita izy.[Heb. nitady ny tavan’]
- 2Ary ny mpanjaka nampaka ny Gibeonita ka nanao taminy hoe (ny Gibeonita tsy mba isan’ny Zanak’Isiraely, fa sisa tamin’ny Amorita, ary ny Zanak’Isiraely efa nianiana taminy; nefa Saoly nitady izay hamelezany azy amin’ny firehetan’ny fitiavany ny Zanak’Isiraely sy ny Joda),
- 3ary hoy Davida tamin’ny Gibeonita: Inona no hataoko ho anareo; ary amin’inona no hanaovako fanavotana mba hitsofanareo rano ny lovan’i Jehovah?
- 4Dia hoy ny Gibeonita taminy: Izahay tsy mahazo mandray volafotsy na volamena amin’i Saoly na amin’ny taranany sady tsy mahazo mamono olona amin’ny Isiraely Ary hoy izy: Koa ahoana ary no tianareo hataoko ho anareo?
- 5Dia hoy izy ireo tamin’ny mpanjaka: Ny lehilahy izay nandringana anay sy nikasa hamely anay ho ringana tsy hitoetra amin’ny tanin’ny Isiraely rehetra
- 6no avelao hisy fito lahy amin’ny zanany hatolotra anay hahantonay ho an’i Jehovah ao Gibean’i Saoly, ilay voafidin’i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka: Hatolotro izy.
- 7Fa ny mpanjaka niaro an’i Mefiboseta, zanak’i Jonatana, zanak’i Saoly, noho ny fianianana tamin’i Jehovah nataon’i Davida sy Jonatana, zanak’i Saoly.
- 8Ary ny mpanjaka naka azy roa lahy, zanak’i Rizpa, zanakavavin’i Aia, izay naterany tamin’i Saoly, dia Armony sy Mefiboseta, ary ny dimy lahy zanak’i Mikala*, zanakavavin’i Saoly, izay naterany tamin’i Adriela, zanak’i Barzilay Meholatita,[Na: (Meraba); izahao 1 Sam.xviii.19]
- 9dia natolony teo an-tànan’ny Gibeonita ireo ka nahanton’ireo teo amin’ny havoana teo anatrehan’i Jehovah; ary niara-maty izy fitolahy, samy novonoiny tamin’ny niandohan’ny fararano tamin’ny voalohan’ny taom-pijinjana ny vary hordea izy.
- 10Ary Rizpa, zanakavavin’i Aia, naka lamba fisaonana, dia novelariny teo amin’ny vatolampy iny hitoerany hatramin’ny niandohan’ny taom-pijinjana ka ambara-pilatsaky ny orana avy any an-danitra tamin’ny faty, ka tsy navelany hipetrahan’ny voro-manidina ireo raha antoandro, na ny bibi-dia raha alina.
- 11Ary nambara tamin’i Davida izay nataon’i Rizpa, zanakavavin’i Aia, vaditsindranon’i Saoly.
- 12Dia lasa Davida naka ny taolan’i Saoly sy ny taolan’i Jonatana zanany tany amin’ny mponina tao Jabesi-gileada, izay nangalatra azy tao an-kalalahana any Beti-sana, ilay nanantonan’ny Filistina azy tamin’ny andro namonoan’ny Filistina an’i Saoly tao Gilboa.
- 13Ary dia nentiny niakatra avy tany ny taolan’i Saoly sy ny taolan’i Jonatana zanany, ary nangoniny koa ny taolan’ireo voahantona ireo.
- 14Ary ny taolan’i Saoly sy Jonatana zanany dia nalevin’ny olona tao amin’ny tanin’ny Benjamina tao Zela, tao amin’ny fasan’i Kisy rainy; ary dia vitany izay rehetra nandidian’ny mpanjaka. Ary nony efa vita izany, dia neken’Andriamanitra ny fifonana natao ho an’ny tany.
- 15[Ny herim-pon’ny mpiadin’i Davida raha niady tamin’ny Filistina] Ary niady indray ny Filistina sy ny Isiraely; ary Davida sy ny mpanompony izay nanaraka azy dia nidina ka niady tamin’ny Filistina, ary reraka Davida.
- 16Ary Jisbibenoba, izay isan’ny taranaky ny Refaita (ny lanjan’ny lefony dia varahina telon-jato sekely), dia nitondra fiadiana vaovao ka nikasa hahafaty an’i Davida.
- 17Fa Abisay, zanak’i Zeroia, nanampy azy, dia namely ilay Filistina ka nahafaty azy. Ary tamin’izay ny olon’i Davida dia nianiana taminy ka nanao hoe: Tsy hiara-mivoaka aminay intsony ho amin’ny ady ianao, fandrao hovonoinao ny fahazavan’ny Isiraely.
- 18Ary nony afaka izany, dia nisy ady indray amin’ny Filistina teo Goba, ary Sibeka Hosatita nahafaty an’i Safa, izay isan’ny taranaky ny Refaita.
- 19Ary nisy ady indray koa tamin’ny Filistina teo Goba, ary Elanana, zanak’i Jare-oregima Betlehemita, namono an’i Goliata Gatita*, izay nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon’ny mpanenona.[Na: ny rahalahin’i Goliata; izahao 1 Tan. xx.5]
- 20Ary nisy ady koa tao Gata, ary nisy lehilahy vaventy, izay enin-drantsana, ka dia efatra amby roa-polo no isan’ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony, ary izy koa dia mba teraky ny Refaita.
- 21Ary izy nihaika ny Isiraely, ka matin’i Jonatana, zanak’i Simea, rahalahin’i Davida.
- 22Ireo efatra ireo no teraky ny Refaita teo Gata, ka matin’ny tànan’i Davida sy ny tanan’ny mpanompony avokoa ireo.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.