Jaona
Toko 1
- 1Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.
- 2Izy dia tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany.
- 3Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.
- 4Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.
- 5Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin’ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy*. [*Na: Tsy mahasakana azy]
- 6Nisy lehilahy nirahin’Andriamanitra, Jaona no anarany.
- 7Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan’ny olona rehetra noho ny teniny.
- 8Tsy izy anefa no Ilay Mazava, fa tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava ihany izy.
- 9Tao ny tena Mazava* Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin’izao tontolo izao**. [*Na: Izy no tena Mazava] [**Na: Ny Mazava marina, Izay mahazava ny olona rehetra, dia tonga amin’izao tontolo izao]
- 10Teo amin’izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy.
- 11Tonga tany amin’ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy.
- 12Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery* ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, [*Na: anarana, na fahefana]
- 13dia ireo izay tsy nateraky ny rà, na ny sitrapon’ny nofo, na ny sitrapon’ny olona, fa naterak’Andriamanitra.
- 14Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina* tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana. [*Gr. nitoetra an-day]
- 15Jaona nanambara Azy ka niantso hoe: Izy Ilay nolazaiko hoe: Izay avy
- 16Fa tamin’ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana.
- 17Fa ny lalàna dia nomena tamin’ny alalan’i Mosesy; [fa] ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy.
- 18Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana ; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara [Azy].
- 19Ary izao no nambaran’i Jaona, raha ny Jiosy naniraka mpisorona sy Levita avy tany Jerosalema hankany aminy mba hanontany azy hoe: Iza moa ianao?
- 20Ary nilaza marina izy ka tsy nandà, fa hoy ny filàzany: Tsy izaho no Kristy.
- 21Ary izy ireo nanontany azy hoe: Ahoana ary? Elia va ianao? Fa hoy izy: Tsy izy aho. Ilay Mpaminany va ianao? Fa izy namaly hoe: Tsia.
- 22Dia hoy ireo taminy: Iza ary ianao? mba hitondranay valiny ho any amin’izay naniraka anay. Lazainao ho iza moa ny tenanao?
- 23Dia hoy izy: Izaho dia feon’ny miantso mafy any an-efitra hoe: Ataovy mahitsy ny lalan’i Jehovah (Isa. 40. 3), araka izay nolazain’Isaia mpaminany.
- 24Ary iraka avy tamin’ny Fariseo ireo.
- 25Dia nanontany azy ireo ka nanao taminy hoe: Nahoana ary ianao no manao batisa raha tsy ianao no Kristy, na Elia, na Ilay Mpaminany?
- 26Jaona namaly azy ka nanao hoe: Izaho manao batisa amin’ny rano; fa eto aminareo misy Anankiray Izay tsy fantatrareo,
- 27dia Ilay avy ao aoriako, ary tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.
- 28Izany zavatra izany dia natao tany Betania* any an-dafin’i Jordana, izay nanaovan’i Jaona batisa. [*Na: Betabara]
- 29Nony ampitso dia nahita an’i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra* ny fahotan’izao tontolo izao! [*Na: mitondra]
- 30Izy Ilay nolazaiko hoe: Misy Lehilahy avy ao aoriako Izay efa tonga eo alohako, satria talohako Izy.
- 31Ary izaho tsy nahalala Azy; fa mba haseho amin’ny Isiraely Izy, izany no nihaviako manao batisa amin’ny rano.
- 32Ary Jaona nanambara ka nanao hoe: Izaho nahita ny Fanahy midina avy any an-danitra tahaka ny voro-mailala ka nitoetra teo amboniny.
- 33Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin’ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan’ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin’ny Fanahy Masina.
- 34Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak’Andriamanitra.
- 35Nony ampitson’iny indray dia nijanona Jaona sy ny mpianany roa lahy;
- 36ary nijery an’i Jesosy nitsangantsangana izy ka nanao hoe: Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra!
- 37Ary ireo mpianatra roa lahy ireo, rehefa nandre azy niteny, dia nanaraka an’i Jesosy.
- 38Ary Jesosy nitodika ka nahita azy manaraka, dia nanao taminy hoe: Inona no tadiavinareo? Ary hoy izy roa lahy taminy: Raby (izay atao hoe, raha adika, Mpampianatra ô, aiza Hianao no mitoetra?
- 39Hoy Izy taminy: Avia, fa ho hitanareo. Koa dia nandeha izy ka nahita izay nitoerany ary nitoetra teo aminy tamin’izany andro izany; ary efa tokony ho ora fahafolo tamin’izay.
- 40Andrea, rahalahin’i Simona Petera, no anankiray tamin’izy roa lahy, izay nandre ny tenin’i Jaona ka nanaraka an’i Jesosy.
- 41Izy no nahita an’i Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy: Efa nahita ny Mesia izahay (izay atso hoe, raha adika, ny Kristy).
- 42Dia nitondra azy ho any amin’i Jesosy izy. Ary nony nijery azy Jesosy, dia hoy Izy: Hianao no Simona, zanak’i Jaona; ianao hatao hoe Kefasy (izay atao hoe, raha adika, Petera*) [*Petera = vato]
- 43Nony ampitso dia te-hiala ho any Galilia Jesosy, ary nahita an’i Filipo Izy ka nanao taminy hoe: Manaraha Ahy.
- 44Ary Filipo dia avy any Betsaida, tanànan’i Andrea sy Petera.
- 45Filipo kosa nahita an’i Natanaela ka nanao taminy hoe: Efa hitanay Ilay nosoratan’i Mosesy tao amin’ny lalàna, sy nosoratan’ny mpaminany, dia Jesosy, zanak’i Josefa, avy any Nazareta.
- 46Ary hoy Natanaela taminy: Moa mba misy zava-tsoa va avy any Nazareta? Dia hoy Filipo taminy: Andeha hizaha.
- 47Jesosy nahita an’i Natanaela avy manatona Azy, dia nilaza azy hoe: Indro ny tena Isiraelita tsy misy fitaka.
- 48Hoy Natanaela taminy: Ahoana no ahafantaranao ahy? Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Fony tsy mbola niantso anao Filipo, dia hitako teo ambanin’ny aviavy* ianao. [*aviavimbazaha]
- 49Dia namaly Natanaela ka nanao hoe: Raby ô, Hianao no Zanak’Andriamanitra; Hianao no Mpanjakan’ny Isiraely.
- 50Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Moa ny nilazako taminao va fa hitako teo ambanin’ny aviavy ianao no inoanao? Hahita zavatra lehibe noho izany ianao.
- 51Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin’ny Zanak’olona.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.