Jaona
Toko 7
- 1Ary rehefa afaka izany, dia nandeha tany Galilia Jesosy; fa nalain-kandeha tany Jodia Izy, satria nitady hahafaty Azy ny Jiosy.
- 2Ary efa akaiky ny andro firavoravoan’ny Jiosy, dia ny amin’ny Tabernakely,
- 3ka hoy ny rahalahiny taminy: Mialà eto, ka mandehana ho any Jodia, mba ho hitan’ny mpianatrao koa ny asa izay ataonao;
- 4fa tsy misy olona manao zavatra amin’ny takona, nefa ny tenany mitady ho hita miharihary*; raha manao izany zavatra izany Hianao, dia misehoa amin’izao tontolo izao. [*Na: mitady ho hita fa matoky]
- 5Fa na dia ny rahalahiny aza tsy nino Azy.
- 6Dia hoy Jesosy taminy: Tsy mbola tonga ny fotoako; fa ny fotoanareo dia vonona lalandava.
- 7Tsy mahazo mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho no halany, satria milaza fa ratsy ny asany.
- 8Miakara ho amin’ny andro firavoravoana ianareo; fa Izaho tsy mbola miakatra ho amin’ity andro firavoravoana ity; satria tsy mbola tonga ny fotoako.
- 9Ary rehefa nilaza izany teny izany taminy Izy, dia mbola nitoetra tany Galilia ihany.
- 10Fa rehefa lasa niakatra ho amin’ny andro firavoravoana ny rahalahiny, dia niakatra koa Izy, nefa tsy mba nisehoseho, fa toa niafinafina.
- 11Ary ny Jiosy dia nitady Azy tamin’ny andro firavoravoana ka nanao hoe: Aiza Izy?
- 12Ary nitakoritsika Azy be ihany ny vahoaka. Hoy ny sasany: Tsara fanahy Izy; fa hoy kosa ny sasany; Tsia; fa mamitaka ny vahoaka Izy.
- 13Nefa tsy nisy sahy niresaka Azy miharihary noho ny fahatahorany ny Jiosy.
- 14Ary rehefa nisasaka ny andro firavoravoana, dia niakatra teo an-kianjan’ny tempoly Jesosy ka nampianatra.
- 15Dia gaga ny Jiosy ka nanao hoe: Ahoana no nahaizan’ilehity soratra, nefa tsy mba nianatra Izy?
- 16Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’izay naniraka Ahy.
- 17Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy, na avy amin’Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho.
- 18Izay miteny ho azy dia mitady ny voninahitry ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr’izay naniraka azy no marina, ary tsy misy tsi-fahamarinana ao aminy.
- 19Tsy Mosesy va no nanome anareo ny lalàna? nefa tsy misy eo aminareo mankatò ny lalàna. Nahoana ianareo no mitady hamono Ahy?
- 20Ny vahoaka namaly hoe: Manana demonia Hianao; iza no mitady hamono Anao?
- 21Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Asa iray loha ihany no nataoko, ka gaga avokoa ianareo rehetra.
- 22Izao no nanomezan’i Mosesy anareo ny famorana: tsy noho izy avy tamin’i Mosesy, fa noho izy avy tamin’ny razana, ka na dia amin’ny Sabata aza dia mamora olona ihany ianareo.
- 23Raha amin’ny Sabata aza no amorana olona, mba tsy hahafoana ny lalàn’i Mosesy, dia tezitra amiko va ianareo, satria nisy olona anankiray nataoko sitrana avokoa ny tenany rehetra tamin’ny Sabata.
- 24Aza mitsara araka ny miseho, fa mba mitsarà marina.
- 25Ary ny mponina sasany tany Jerosalema dia nanao hoe: Tsy Ilehity va Ilay tadiaviny hovonoina?
- 26Ary indro Izy miteny miharihary, nefa tsy misy miteny Azy akory. Sao efa fantatry ny mpanapaka anie fa Io no Kristy?
- 27Nefa fantatsika izay nihavian’ilehio, fa raha avy Kristy, tsy misy mahalala izay hihaviany.
- 28Dia niantso teo an-kianjan’ny tempoly Jesosy, raha nampianatra, ka nanao hoe: Izaho dia fantatrareo, sady fantatrareo koa izay nihaviako; ary tsy avy ho Ahy Aho, fa marina ny naniraka Ahy, Izay tsy fantatrareo.
- 29Izaho mahalala Azy; fa Izy no nihaviako, ka Izy no naniraka Ahy.
- 30Dia nitady hisambotra Azy ny olona; kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.
- 31Ary maro ny vahoaka no nino Azy ka nanao hoe: Raha tonga Kristy, moa hanao famantarana maro mihoatra noho ny nataon’ity Lehilahy ity va Izy?
- 32Ny Fariseo nandre ny vahoaka nitakoritsika izany zavatra izany ny aminy; ary ny lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo dia naniraka mpiandry raharaha mba hisambotra Azy.
- 33Dia hoy Jesosy: Kely foana no itoerako aminareo, dia hankany amin’izay naniraka Ahy Aho.
- 34Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako dia tsy azonareo haleha.
- 35Dia niresaka hoe ny Jiosy: Hankaiza moa no halehan’ilehity, no tsy ho hitantsika? Hankany amin’izay miely any amin’ny Grika va Izy ka hampianatra ny Grika?
- 36Ahoana re izao teny nolazainy izao hoe: Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako tsy azonareo haleha?
- 37Ary tamin’ny andro farany, izay andro lehibe tamin’ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.
- 38Izay mino Ahy, dia hisy onin’ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan’ny Soratra Masina.
- 39Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin’ny mino Azy, no nolazainy tamin’izany; fa ny Fanahy* tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin’ny voninahiny. [* Na: Fanahy Masina]
- 40Ary ny sasany tamin’ny vahoaka, raha nandre izany teny izany, dia nanao hoe: Ity tokoa no Ilay Mpaminany.
- 41Hoy ny sasany: Ity no Kristy. Fa hoy kosa ny sasany: Avy any Galilia va no ihavian’i Kristy?
- 42Tsy voalazan’ny Soratra Masina va fa Kristy dia avy amin’ny taranak’i Davida, sady avy ao Betlehema, vohitra nonenan’i Davida (Mik. 5. 1)?
- 43Dia nisara-tsaina ny amin’i Jesosy ny vahoaka.
- 44Ary ny sasany nitady hisambotra Azy; kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy.
- 45Ary ny mpiandry raharaha nankeo amin’ny lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo, ka hoy izy ireo taminy: Nahoana ianareo no tsy nitondra Azy?
- 46Ny mpiandry raharaha namaly hoe: Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany.
- 47Ary ny Fariseo namaly azy hoe: Hianareo koa va voafitaka?
- 48Moa misy mpanapaka na Fariseo mba nino Azy?
- 49Fa voaozona ireto vahoaka ireto, izay tsy mahalala ny lalàna.
- 50Ary Nikodemosy, anankiray teo aminy, dia ilay nankeo amin’i Jesosy teo aloha, dia nanao taminy hoe:
- 51Moa manameloka olona va ny lalàntsika, raha tsy mbola mihaino azy aloha ka mahafantatra izay nataony?
- 52Izy ireo namaly ka nanao taminy hoe: Hianao koa angaha mba avy any Galilia? Diniho, dia ho hitanao fa tsy mba misy mpaminany avy any Galilia.
- 53[Dia samy lasa nody ho any an-tranony avy izy rehetra;]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.