Jaona
Toko 12
- 1Ary rehefa henemana no sisa tsy tonga ny Paska, Jesosy dia tonga tao Betania, izay nitoeran’i Lazarosy, ilay natsangany tamin’ny maty.
- 2Dia nanao fanasana ho an’i Jesosy tao izy; ary Marta no nanompo; fa Lazarosy no anankiray tamin’izay niara-nipetraka nihinana taminy.
- 3Ary Maria, rehefa naka menaka manitra nisy narda sady tsara no saro-bidy, lanjan’iray livatra, dia nanosotra ny tongotr’i Jesosy sy namaoka ny tongony tamin’ny volondohany; ary feno ny hanitry ny menaka ny trano.
- 4Ary hoy Jodasy Iskariota, anankiray tamin’ny mpianany, ilay efa hamadika Azy:
- 5Nahoana io menaka io no tsy namidy denaria telon-jato ka nomena ny malahelo?
- 6Ary izy no nilaza izany, tsy noho ny fiahiany ny malahelo, fa satria mpangalatra izy sady nitondra ny kitapo ka naka izay tao anatiny.
- 7Dia hoy Jesosy: Avelao izy, mba hotehiriziny ho amin’ny andro hanamboarany Ahy halevina io.
- 8Fa ny malahelo dia etỳ aminareo mandrakariva; fa Izaho tsy mba ho etỳ aminareo mandrakariva.
- 9Ary ny vahoaka betsaka tamin’ny Jiosy nahalala fa teo Izy, dia tonga teo, nefa tsy noho Jesosy ihany, fa mba hahita an’i Lazarosy koa, ilay natsangany tamin’ny maty.
- 10Fa nihendry hahafaty an’i Lazarosy koa ny lohan’ny mpisorona,
- 11satria izy no nialan’ny maro tamin’ny Jiosy ka ninoany an’i Jesosy.
- 12Ary nony ampitson’iny ny vahoaka betsaka, izay tonga ho amin’ny andro firavoravoana, rehefa nahare fa hankany Jerosalema Jesosy,
- 13dia naka sampan-drofia ka nivoaka hitsena Azy sady niantso hoe: Hosana! Isaorana anie ny Mpanjakan’ny Isiraely, Ilay avy amin’ny anaran’i Jehovah (Sal. 118, 26).
- 14Ary Jesosy nahita zana-boriky anankiray, dia nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe:
- 15Aza matahotra, ry Ziona zanakavavy; indro, avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky (Zak. 9. 9).
- 16Izany zavatra izany dia tsy fantatry ny mpianany tamin’ny voalohany; fa rehefa niditra tamin’ny voninahiny Jesosy, dia vao nahatsiaro izy fa voasoratra hilaza Azy izany zavatra izany, ary efa nataony taminy izany.
- 17Ary nanambara Azy ny vahoaka izay teny aminy, fony Izy niantso an’i Lazarosy hivoaka tamin’ny fasana ka nanangana azy tamin’ny maty.
- 18Ary izany koa no nitsenan’ny vahoaka Azy, satria efa reny fa nanao izany famantarana izany Izy.
- 19Ary tamin’izany ny Fariseo dia nifampilaza hoe: Hitanareo fa tsy mahefa na inona na inona akory ianareo; indro, efa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao.
- 20Ary nisy Grika sasany tamin’izay niakatra hivavaka tamin’ny andro firavoravoana,
- 21ary izy ireo nankany amin’i Filipo avy any Betsaida any Galilia, dia nangataka taminy ka nanao hoe: Tompoko, mba ta-hahita an’i Jesosy izahay.
- 22Dia lasa Filipo nilaza tamin’i Andrea; ary Andrea sy Filipo lasa nilaza tamin’i Jesosy.
- 23Ary Jesosy namaly azy hoe: Tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak’olona.
- 24Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy latsaka ao amin’ny tany ny voambary ka maty, dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy, dia hahavokatra be.
- 25Izay tia ny ainy no mahavery izany; fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao no hiaro izany ho amin’ny fiainana mandrakizay.
- 26Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran’ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy, dia hankalaza azy ny Ray.
- 27Ankehitriny mangorohoro ny fanahiko; ary ahoana no holazaiko: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ity ora ity? nefa izao no nihaviako ho amin’ity ora ity;
- 28Ray ô, mankalazà ny anaranao. Dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Efa nankalaza azy Aho, ary hankalaza azy indray.
- 29Ary ny vahoaka izay nitsangana teo ka nahare dia nanao hoe: Kotrokorana izany. Hoy ny sasany: Anjely no niteny taminy.
- 30Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy noho Izaho no nahatongavan’izany feo izany, fa noho ianareo.
- 31Tonga ankehitriny ny fitsarana izao tontolo izao; ankehitriny ny andrianan’izao tontolo izao no horoahina.
- 32Ary Izaho, raha asandratra hiala amin’ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy.
- 33Izany no nolazainy hanambara izay fahafatesana efa hiaretany.
- 34Dia namaly Azy ny vahoaka ka nanao hoe: Efa renay tamin’ny lalàna fa Kristy haharitra mandrakizay; koa ahoana no ilazanao hoe: Tsy maintsy hasandratra ny Zanak’olona? Iza moa izany Zanak’olona izany?
- 35Dia hoy Jesosy taminy: Mbola kely ihany no hitoeran’ny mazava aminareo. Mandehana, raha mbola manana ny mazava ianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina; fa izay mandeha amin’ny maizina dia tsy mahalala izay alehany.
- 36Raha mbola manana ny mazava ianareo, dia minoa ny mazava, mba ho tonga zanaky ny mazava. Rehefa nilaza izany Jesosy, dia niala Izy ka niery azy.
- 37Nefa na dia efa nanao izany famantarana betsaka izany teo anatrehany aza Izy, dia tsy mba nino Azy ireo,
- 38mba hahatanteraka ny teny nataon’Isaia mpaminany hoe: Tompoko, iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin’i Jehovah? (Isa. 53. 1.)
- 39Izany no tsy nahaizany nino, satria hoy koa Isaia:
- 40Efa nanajamba ny masony sy nanamafy ny fony Izy, Mba tsy hahita ny masony, na hahalala ny fony, Dia tsy hibebaka izy, Ka tsy hahasitrana azy Aho (Isa. 6. 10).
- 41Izany teny izany no nolazain’Isaia, satria nahita ny voninahiny izy ka nilaza Azy.
- 42Kanefa maro tamin’ny mpanapaka aza no nino Azy; nefa noho ny Fariseo dia tsy nanaiky ireo, fandrao havoaka hiala amin’ny synagoga.
- 43Fa tia ny voninahitra avy amin’ny olona izy ireo, fa tsy ny voninahitra avy amin’Andriamanitra.
- 44Ary Jesosy niantso ka nanao hoe: Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany, fa Izay naniraka Ahy.
- 45Ary izay mahita Ahy dia mahita Izay naniraka Ahy.
- 46Izaho tonga amin’izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin’ny maizina izay rehetra mino Ahy.
- 47Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao.
- 48Izay manda Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin’ny andro farany,
- 49satria Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko.
- 50Ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny; koa izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazain’ny Ray tamiko.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.