Jaona
Toko 20
- 1Ary tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro dia nandeha maraina koa mbola maizimaizina hankany amin’ny fasana Maria Magdalena ka nahita ny vato voaisotra tamin’ny fasana.
- 2Dia nihazakazaka nankany amin’i Simona Petera sy ilay mpianatra tian’i Jesosy izy ka nanao taminy hoe: Nalain’olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany Azy.
- 3Dia nandeha Petera sy ilay mpianatra anankiray ka nankany amin’ny fasana.
- 4Ary niara-nihazakazaka izy roa lahy; ary ilay mpianatra anankiray nihazakazaka nihoatra an’i Petera ka tonga taloha tao amin’ny fasana.
- 5Ary nony niondrika nitsirika izy, dia nahita ny lambam-paty nipetraka teo, nefa tsy niditra tao izy.
- 6Ary avy koa Simona Petera nanaraka azy, dia niditra tao am-pasana ka nijery ny lambam-paty nipetraka teo,
- 7ary ny mosara izay nafehy ny lohany tsy mba nipetraka teo amin’ny lambam-paty, fa voavalona mitokana.
- 8Ary tamin’izay dia niditra koa ny mpianatra anankiray izay tonga taloha teo amin’ny fasana, ary nahita ka nino.
- 9Fa tsy mbola fantany ny Soratra Masina fa tsy maintsy hitsangana amin’ny maty Jesosy.
- 10Dia lasa indray ny mpianatra nody tany aminy.
- 11Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana
- 12ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay nandrian’ny fatin’i Jesosy, ary ny anankiray teo an-tongotra.
- 13Ary hoy ireo taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? Dia hoy izy taminy: Satria nalain’olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy.
- 14Rehefa nilaza izany izy, dia nitodika ka nahita an’i Jesosy nitsangana teo, nefa tsy fantany ho Jesosy.
- 15Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? iza no tadiavinao? Nataony fa mpiandry saha Izy, ka hoy izy taminy: Tompoko, raha Hianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, ary izaho dia haka Azy.
- 16Hoy Jesosy taminy: Ry Maria! Dia nitodika izy ka niteny taminy nanao teny Hebreo hoe: Rabôny! izany hoe: Mpampianatra ô.
- 17Hoy Jesosy taminy: Aza manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin’ny Ray Aho; fa mandehana mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo.
- 18Dia tonga Maria Magdalena ka nilaza tamin’ny mpianatra hoe: Efa nahita ny Tompo aho, sady izany teny izany no nolazainy taminy.
- 19Ary rehefa harivan’ilay andro voalohany amin’ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran’izay niangonan’ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.
- 20Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo.
- 21Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan’ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa.
- 22Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy; Raiso ny Fanahy Masina;
- 23na helok’iza na helok’iza no avelanareo, dia voavela izany; ary na an’iza na an’iza kosa no tsy avelanareo, dia tsy voavela izany.
- 24Fa Tomasy, anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy, ilay atao hoe Didymo, dia tsy mba teo aminy raha tonga Jesosy.
- 25Dia hoy ny mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy taminy: Raha tsy hitako eo amin’ny tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin’ny holatry ny nohomboana ny rantsan-tanako, ary ataoko eo amin’ny lanivoany koa ny tanako, dia tsy mba hino aho.
- 26Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo.
- 27Ary hoy Izy tamin’i Tomasy: Atehefo eto ny rantsan’tananao, ka jereo ny tanako; ary atehefo eto koa ny tananao, ka ataovy amin’ny lanivoako; ary aza ho isan’izay tsy mino, fa minoa.
- 28Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro!
- 29Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.
- 30Ary nisy famantarana maro hafa koa nataon’i Jesosy teo imason’ny mpianatra, izay tsy voasoratra amin’ity boky ity;
- 31fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino ianareo.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.