Jaona
Toko 6
- 1Rehefa afaka izany, dia niala Jesosy ka lasa nita ny Ranomasin’i Galilia, dia ny Ranomasin’i Tiberiasy izany.
- 2Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy noho ny nahitany ny famantarana izay efa nataony tamin’ny marary.
- 3Ary Jesosy niakatra tao an-tendrombohitra, dia nipetraka tao mbamin’ny mpianany.
- 4Fa efa akaiky ny Paska, ilay andro firavoravoan’ny Jiosy.
- 5Ary Jesosy nanopy ny masony ka nahita fa nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia hoy Izy tamin’i Filipo: Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo?
- 6Izany no nataony mba hizahany toetra azy; fa izy nahalala ihany izay efa hataony.
- 7Filipo namaly Azy hoe: Na dia mofo vidina denaria roan-jato aza tsy ampy azy rehetra hananany kely avy.
- 8Ny mpianany anankiray, dia Andrea, rahalahin’i Simona Petera, nilaza taminy hoe:
- 9Misy zazalahy manana mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa, fa ho ampy inona moa izany amin’izao olona betsaka izao?
- 10Fa hoy Jesosy: Asaovy mipetraka ny olona. Ary nisy ahitra be teo. Ka dia nipetraka ny lehilahy, tokony ho dimy arivo no isany.
- 11Dia nandray ny mofo Jesosy; ary rehefa nisaotra, dia nizara izany tamin’izay nipetraka hihinana Izy; ary ny hazandrano koa araka izay nilainy.
- 12Ary rehefa voky ny olona, dia hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Angony ny sisa tsy lany, mba tsy hisy ho very.
- 13Dia nangoniny, ka nahafeno harona roa ambin’ny folo ny sombintsombin’ny mofo vary hordea dimy, izay ambiny tsy lanin’ny nihinana.
- 14Ary hoy ireny olona ireny, rehefa nahita ny famantarana izay nataon’i Jesosy: Ity tokoa no Ilay Mpaminany Izay ho tonga amin’izao tontolo izao.
- 15Ary rehefa fantatr’i Jesosy fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hataony mpanjaka, dia niala ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra..
- 16Ary rehefa hariva ny andro, dia nidina ho any amin’ny ranomasina ny mpianany.
- 17Ary niondrana an-tsambokely izy, dia nita ny ranomasina nankany Kapernaomy. Ary efa maizina ny andro tamin’izay, nefa Jesosy tsy mbola tonga tany aminy.
- 18Ary ny ranomasina nanonja, fa mafy ny fifofofofon’ny rivotra.
- 19Ary rehefa nivoy tokony ho dimy amby roa-polo na telo-polo stadio* izy, dia nahita an’i Jesosy nitsangantsangana eny ambonin’ny ranomasina ka nanakaiky ny sambokely; dia natahotra izy. [*Na: dimy na enina kilometatra]
- 20Fa hoy Jesosy taminy: Izaho ihany; aza matahotra.
- 21Dia ta-handray Azy ho eo an-tsambokely izy; ary niaraka tamin’izay ny sambokely dia tonga tamin’ny tany izay nalehany.
- 22Nony ampitson’iny ny vahoaka izay nijanona teny am-pitan’ny ranomasina dia nahita fa tsy nisy sambokely hafa teo afa-tsy iray ihany, ary Jesosy tsy mba niara-niondrana an-tsambokely tamin’ny mpianany, fa ny mpianany ihany no nandeha,
- 23kanefa nisy sambokely hafa avy tany Tiberiasy tonga teo akaikin’ilay tany nihinanany ny mofo, rehefa nisaotra ny Tompo,-
- 24koa nony hitan’ny vahoaka fa tsy teo Jesosy, na ny mpianany, dia niondrana an-tsambokely izy ka nankany Kapernaomy hitady an’i Jesosy.
- 25Ary rehefa nahita Azy teny am-pitan’ny ranomasina izy, dia hoy izy taminy: Raby ô, oviana no tonga teto Hianao?
- 26Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Mitady Ahy ianareo, nefa tsy noho ny nahitanareo famantarana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky.
- 27Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen’ny Zanak’olona anareo; fa Izy no nasian’Andriamanitra Ray tombo-kase.
- 28Dia hoy ireo taminy: Inona no hataonay mba hiasanay ny asan’Andriamanitra?
- 29Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izao no asan’Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny.
- 30Dia hoy ireo taminy: Inona ary no famantarana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona moa no asa ataonao?
- 31Ny razantsika nihinana ny mana tany an-efitra, araka ny voasoratra hoe: Mofo avy tany an-danitra no nomeny azy hohaniny (Sal. 78. 24).
- 32Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Tsy Mosesy no nanome anareo ny mofo avy tany an-danitra; fa ny Raiko no manome anareo ny tena mofo avy any an-danitra.
- 33Fa ny mofon’Andriamanitra dia Ilay midina avy any an-danitra ka manome fiainana ho an’izao tontolo izao.
- 34Ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany.
- 35Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony.
- 36Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.
- 37Izay rehetra omen’ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy.
- 38Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’izay naniraka Ahy.
- 39Ary izao no sitrapon’izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin’ny andro farany izy.
- 40Fa izao no sitrapon’ny Raiko, dia ny hahazoan’izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany.
- 41Dia nimonomonona tamin’i Jesosy ny Jiosy, satria Izy nanao hoe: Izaho no mofo izay nidina avy tany an-danitra.
- 42Dia hoy ireo: Tsy Ilehio va no Jesosy, Zanak’i Josefa, Izay fantatsika ny rainy aman-dreniny? Ahoana no dia anaovany ankehitriny hoe: ho nidina avy tany an-danitra?
- 43Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Aza mimonomonona ianareo.
- 44Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany.
- 45Voasoratra ao amin’ny mpaminany hoe: Ary izy rehetra dia hampianarin’Andriamanitra (Isa. 54. 13). Izay rehetra mandre ka mianatra amin’ny Ray no manatona Ahy.
- 46Nefa tsy nisy nahita ny Ray, afa-tsy Izay avy amin’Andriamanitra: Izy no nahita ny Ray.
- 47Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino no manana fiainana mandrakizay.
- 48Izaho no mofon’aina.
- 49Ny razanareo nihinana ny mana tany an-efitra, nefa maty ihany.
- 50Ity no mofo izay midina avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy.
- 51Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo izao.
- 52Dia nifanditra ny Jiosy ka nanao hoe: Hataon’ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika?
- 53Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’olona sy misotro ny ràny ianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo.
- 54Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany.
- 55Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro.
- 56Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy.
- 57Ary tahaka ny nanirahan’ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin’ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona amiko.
- 58Ity no mofo izay nidina avy tany an-danitra; tsy tahaka ny razana izay nihinana, nefa maty ihany; fa izay mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay.
- 59Izany teny izany no nolazainy tao amin’ny synagoga, raha nampianatra tao Kapernaomy Izy.
- 60Koa maro tamin’ny mpianany, nony nandre, dia nanao hoe: Sarotra izany teny izany, iza no mahahaino izany?
- 61Ary fantatr’i Jesosy tao am-pony fa nimonomonona tamin’izany ny mpianany, ka dia hoy Izy taminy: Mahatafintohina anareo va izay?
- 62Mainka raha mahita ny Zanak’olona miakatra ho any amin’izay nitoerany taloha ianareo.
- 63Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana.
- 64Fa misy ny sasany aminareo izay tsy mino. Fa fantatr’i Jesosy hatramin’ny voalohany izay tsy nino sy izay hamadika Azy.
- 65Ary hoy Izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen’ny Ray azy izany.
- 66Hatramin’izany* dia maro tamin’ny mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony. [*Na: Noho izany]
- 67Dia hoy Jesosy tamin’ny roa ambin’ny folo lahy: Hianareo koa va mba te-hiala?
- 68Simona Petera namaly Azy hoe: Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.
- 69Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin’Andriamanitra.
- 70Jesosy namaly azy hoe: Tsy Izaho va no nifidy anareo roa ambin’ny folo lahy, nefa ny anankiray aminareo aza dia devoly?
- 71Fa Izy nilaza an’i Jodasy, zanak’i Simona Iskariota; fa izy no ilay efa hamadika Azy, nefa isan’ny roa ambin’ny folo lahy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.