Jaona
Toko 3
- 1Ary nisy Fariseo anankiray atao hoe Nikodemosy, mpanapaka tamin’ny Jiosy.
- 2Izy nankao amin’i Jesosy nony alina ka nanao taminy hoe: Raby ô, fantatray fa mpampianatra avy amin’Andriamanitra Hianao; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy.
- 3Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray* ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra. [*Na: ateraka avy ambony]
- 4Hoy Nikodemosy taminy: Hataon’ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe; moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka?
- 5Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy.
- 6Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy.
- 7aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray* ianareo. [*Na: hateraka avy any ambony]
- 8Ny rivotra mitsoka amin’izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.
- 9Nikodemosy namaly ka nanao taminy hoe: Hatao ahoana no hahatonga izany zavatra izany?
- 10Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Hianao va no mpampianatra ny Isiraely ka tsy mahalala izany zavatra izany?
- 11Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay; nefa ny fanambaranay tsy raisinareo.
- 12Raha ny zavatra etỳ an-tany aza no nolazaiko taminareo ka tsy inoanareo, ahoana no hinoanareo, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho?
- 13Ary tsy nisy niakatra ho any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak’olona, Izay any an-danitra.
- 14Ary tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona,
- 15mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.
- 16Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.
- 17Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka* izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao. [*Gr. hitsara]
- 18Izay mino Azy dia tsy helohina*; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka** rahateo, satria tsy nino ny anaran’ny Zanaka-lahy Tokan’Andriamanitra izy. [*Gr. tsaraina] [**Gr. voatsara]
- 19Ary izao no fanamelohana*, fa tonga amin’izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon’ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany. [*Gr. voatsara]
- 20Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany.
- 21Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin’Andriamanitra izany.
- 22Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin’ny tany Jodia Jesosy sy ny mpianany; ary niara-nitoetra taminy tao Izy sady nanao batisa.
- 23Ary Jaona koa nanao batisa tao Ainona, akaikin’i Saleima, satria nisy loharano maro tao; dia nankany ny olona ka nataony batisa.
- 24Fa tsy mbola natao tao an-tranomaizina Jaona.
- 25Ary nisy nifandiran’ny mpianatr’i Jaona tamin’ny Jiosy anankiray ny amin’ny fanadiovana;
- 26ary tonga tany amin’i Jaona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Raby ô, Ilay tany aminao, tany an-dafin’i Jordana, Izay nambaranao, indro, manao batisa Izy, ary ny olona rehetra manatona Azy.
- 27Jaona namaly ka nanao hoe: Tsy misy olona mahay mandray na inona na inona, raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany.
- 28Hianareo no vavolombeloko fa hoy izaho: Tsy izaho no Kristy, fa nirahiny hialoha Azy aho.
- 29Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan’ny mpampakatra, izay mitsangana sy mihaino azy, dia mifaly indrindra noho ny feon’ny mpampakatra; ary efa tanteraka izany fifaliako izany.
- 30Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.
- 31Izay avy any ambony dia ambonin’izy rehetra; ary izay avy amin’ny tany dia avy amin’ny tany, ka ny momba ny etỳ an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin’izy rehetra;
- 32koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany.
- 33Izay mandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra.
- 34Fa Izay nirahin’Andriamanitra dia milaza ny teniny; fa tsy misy fetra ny fanomezan’Andriamanitra ny Fanahy.
- 35Ny Ray tia ny Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany.
- 36Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.