Jaona
Toko 4
- 1Koa amin’izany, rehefa fantatry ny Tompo fa ny Fariseo efa nahare fa Jesosy mahazo mpianatra maro sy manao batisa be noho Jaona
- 2(kanefa tsy Jesosy no nanao batisa, fa ny mpianany),
- 3dia niala tany Jodia Izy ka nankany Galilia indray.
- 4Ary tsy maintsy mamaky an’i Samaria Izy.
- 5Dia tonga tao an-tanàna anankiray any Samaria Izy, izay atao hoe Sykara, akaikin’ny tany izay nomen’i Jakoba ho an’i Josefa zanany.
- 6Ary teo ilay fantsakan*’i Jakoba. Ary satria sasatra Jesosy tamin’ny nalehany dia nipetraka teo am-pantsakana* Izy, rehefa tokony ho tamin’ny ora fahenina. [*Gr. loharano; sahala amin’ny teny ao amin’ny and. 14]
- 7Ary nisy vehivavy Samaritana anankiray avy hantsaka rano dia hoy Jesosy taminy: Omeo Aho hosotroiko.
- 8(Fa ny mpianany efa lasa nankany an-tanàna hividy hanina)
- 9Fa hoy ravehivavy Samaritana taminy: Nahoana Hianao no Jiosy ka mangataka amiko hosotroina, nefa aho vehivavy Samaritana? (Fa ny Jiosy tsy manan-draharaha amin’ny Samaritana.)
- 10Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha fantatrao ny fanomezan’Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe: Omeo Aho hosotroiko, dia ianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona.
- 11Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, tsy manana fanovozana Hianao, sady lalina ny fantsakana; koa avy aiza no ahazoanao izany rano velona izany?
- 12Hianao va lehibe noho Jakoba razantsika izay nanome anay ity fantsakana ity, sady izy sy ny zanany mbamin’ny bibiny no nisotro teto?
- 13Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray;
- 14fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.
- 15Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, omeo izany rano izany aho, mba tsy hangetaheta na hanketo hantsaka intsony.
- 16Hoy Jesosy taminy: Andeha ary, antsoy ivadinao, ka mankanesa atỳ .
- 17Ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy manam-bady aho. Hoy Jesosy taminy: Marina ihany izay nolazainao hoe: Tsy manam-bady aho;
- 18fa efa nanam-bady indimy ianao, sady tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny; marina izany voalazanao izany.
- 19Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany Hianao.
- 20Ny razantsika nivavaka teto amin’ity tendrombohitra ity; fa ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana.
- 21Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin’ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin’ny Ray.
- 22Hianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin’izay fantatray, satria avy amin’ny Jiosy ny famonjena.
- 23Fa avy ny andro*, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. [*Gr. ora]
- 24Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.
- 25Hoy ravehivavy taminy: Fantatro fa avy ny Mesia (Ilay atao hoe Kristy); ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra.
- 26Hoy Jesosy taminy: Izaho Izay miresaka aminao no Izy.
- 27Ary tamin’izay dia tonga ny mpianany ka gaga, satria vehivavy no niresahany; nefa tsy nisy nanao hoe: Inona no tadiavinao? na: Nahoana no miresaka aminy Hianao?
- 28Dia nandao ny sininy ravehivavy ary nankany an-tanàna ka nanao tamin’ny olona hoe:
- 29Andeha hizaha izaroa Lehilahy izaroana, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra; Izao angaha no Kristy?
- 30Dia nivoaka avy tao an-tanàna ny olona ka nankeo amin’i Jesosy.
- 31Ary raha tsy mbola tonga izy ireny, ny mpianany dia nangataka taminy ka nanao hoe: Hano, Raby รด.
- 32Fa hoy Jesosy taminy: Izaho manan-kanin-kohanina izay tsy fantatrareo.
- 33Dia niresaka ny mpianatra ka nanao hoe: Nisy olona nitondra zavatra hohaniny va re?
- 34Hoy Jesosy taminy: Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.
- 35Moa ianareo tsy manao hoe va: Efa-bolana no sisa, dia tonga ny fararano? Indro, lazaiko aminareo: Atopazy ny masonareo, ka jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka sahady hojinjana izy.
- 36Ary izay mijinja dia mandray karama ka mamory vokatra ho amin’ny fiainana mandrakizay, mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja.
- 37Ary amin’izany dia marina ilay teny hoe: Ny iray mamafy, ary ny iray kosa mijinja,
- 38Izaho naniraka anareo hijinja izay tsy nisasaranareo; olon-kafa no nisasatra, fa ianareo kosa no niditra teo amin’izay nisasarany.
- 39Ary maro ny Samaritana avy tao amin’izany tanàna izany no nino an’i Jesosy noho ny filazan-dravehivavy, izay nanambara hoe: Nolazainy tamiko avokoa izay rehetra nataoko.
- 40Ary rehefa nanatona Azy ny Samaritana, dia nangataka Azy hitoetra tao aminy; ka dia nitoetra tao indroa andro Izy.
- 41Ary maro koa no nino noho ny teniny
- 42ka nanao tamin-dravehivavy hoe: Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao.
- 43Ary rehefa afaka ny indroa andro, dia niala tao Jesosy ka nankany Galilia.
- 44Fa ny tenan’i Jesosy no efa nanambara fa tsy misy mpaminany manan-daza eo amin’ny taniny.
- 45Koa rehefa tonga tany Galilia Izy, dia nandray Azy ny Galiliana, satria efa hitany izay rehetra nataony tany Jerosalema tamin’ny andro firavoravoana; fa izy ireo koa mba niakatra tamin’ny andro firavoravoana.
- 46Ary tonga tany Kana any Galilia indray Jesosy, dia tany amin’ilay nampodiany ny rano ho divay. Ary nisy tandapa anankiray izay nanana zanakalahy narary tany Kapernaomy.
- 47Ary rehefa reny fa Jesosy efa tonga tany Galilia avy tany Jodia, dia nankany aminy izy ka nangataka Azy mba hidina sy hahasitrana ny zanany, satria efa ho faty izy.
- 48Dia hoy Jesosy taminy: Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, dia tsy mba hety hino mihitsy.
- 49Hoy ilay tandapa taminy: Tompoko, midina re, dieny tsy mbola maty ny zanako.
- 50Hoy Jesosy taminy: Andeha mody; velona ny zanakao. Ary ralehilahy nino ny teny izay nolazain’i Jesosy taminy, ka dia lasa nody.
- 51Ary nony nidina izy, dia nitsena azy ny mpanompony ka nilaza fa velona ny zanany.
- 52Ary izy nanontany azy ny ora izay nanaretany. Dia hoy ireo taminy: Omaly tamin’ny ora fahafito no nialan’ny tazo taminy.
- 53Koa fantatry ny rainy fa tamin’izay indrindra no ora nanaovan’i Jesosy taminy hoe: Velona ny zanakao. Dia nino izy mbamin’ny ankohonany rehetra.
- 54Izany no famantarana faharoa nataon’i Jesosy, fony Izy tonga tany Galilia avy tany Jodia.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.