Jaona
Toko 18
- 1Rehefa voalazan’i Jesosy izany teny izany, dia nandeha Izy mbamin’ny mpianany ka nita ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nisy saha teo, izay nidiran’izy sy ny mpianany.
- 2Ary Jodasy koa, ilay namadika Azy, dia nahalala izany tany izany, satria mpankao matetika Jesosy mbamin’ny mpianany.
- 3Ary Jodasy, rehefa nahazo ny miaramila iray toko sy mpiandry raharaha avy tamin’ny lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo, dia nankeo nitondra fanilo sy fanala ary fiadiana.
- 4Ary satria fantatr’i Jesosy izay rehetra hanjo Azy, dia nivoaka Izy ka nanao tamin’ireo hoe: Iza moa no tadiavinareo?
- 5Ary ireo namaly Azy hoe: Jesosy avy any Nazareta. Hoy Jesosy taminy: Izaho no Izy. Ary teo koa Jodasy, ilay namadika Azy.
- 6Ary raha Jesosy vao nilaza taminy hoe: Izaho no Izy, dia nianotra ireo ka lavo tamin’ny tany.
- 7Ary Jesosy nanontany azy indray hoe: Iza moa no tadiavinareo? Dia hoy izy: Jesosy avy any Nazareta.
- 8Jesosy namaly hoe: Efa nolazaiko taminareo fa Izaho no Izy; koa raha Izaho no tadiavinareo, dia avelao handeha ireto;
- 9mba hahatanteraka ny teny izay nataony hoe: Tsy nasiako very izay nomenao Ahy.
- 10Ary Simona Petera nanana sabatra, dia nanatsoaka azy ka nikapa ny mpanompon’ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny ankavanana. Ary Malko no anaran’ilay mpanompo.
- 11Dia hoy Jesosy tamin’i Petera: Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao; ny kapoaka nomen’ny Raiko Ahy tsy hosotroiko va?
- 12Ary ny miaramila iray toko sy ny mpifehy arivo ary ny mpiandry raharaha tamin’ny Jiosy dia nisambotra an’i Jesosy ka namatotra Azy,
- 13dia nitondra Azy tany amin’i Anasy aloha, fa izy no rafozan’i Kaiafa, mpisoronabe tamin’izany taona izany.
- 14Ary Kaiafa no ilay nanome saina ny Jiosy fa mahatsara raha maty ny olona anankiray hamonjy ny firenena.
- 15Ary Simona Petera sy ny mpianatra anankiray koa dia nanaraka an’i Jesosy; ary fantatry ny mpisoronabe izany mpianatra izany, dia niara-niditra tamin’i Jesosy ho ao an-kianjan’ny tranon’ny mpisoronabe izy.
- 16Fa Petera nijanona teo ala-trano teo am-bavahady. Dia nivoaka ilay mpianatra anankiray, izay fantatry ny mpisoronabe, ka niteny tamin’ny mpiandry vavahady, dia nitondra an’i Petera niditra.
- 17Ary hoy ny ankizivavy mpiandry vavahady tamin’i Petera: Moa ianao mba isan’ny mpianatr’io Lehilahy io? Hoy izy: Tsia.
- 18Ary ny mpanompo sy ny mpiandry raharaha namelona afon’arina ka nijanona namindro teo, fa nangatsiaka ny andro; ary Petera koa mba nijanona niara-namindro taminy.
- 19Ary ny mpisoronabe nanadina an’i Jesosy ny amin’ny mpianany sy ny fampianarany.
- 20Jesosy namaly azy hoe: Izaho niteny miharihary tamin’izao tontolo izao; Izaho nampianatra mandrakariva tao amin’ny synagoga sy ny kianjan’ny tempoly, izay iangonan’ny Jiosy rehetra; ary tsy nisy nolazaiko tao amin’ny takona;
- 21koa nahoana no manontany Ahy ianao? Ireo nihaino no anontanio izay nolazaiko taminy; fa ireo no mahalala izay nolazaiko.
- 22Ary rehefa nilaza izany teny izany Izy, ny mpiandry raharaha anankiray izay nitsangana teo dia namely tahamaina* an’i Jesosy ka nanao hoe: Izany va no famalinao ny mpisoronabe? [*Na: tehina]
- 23Jesosy namaly azy hoe: Raha niteny ratsy Aho, ambarao izay ratsy; fa raha tsara ihany kosa, nahoana no dia mamely Ahy ianao?
- 24Ary dia nasain’i Anasy nentina tamin’ny fatorany ho any amin’i Kaiafa mpisoronabe Izy.
- 25Ary Simona Petera nijanona namindro. Dia nisy nilaza taminy hoe: Moa ianao koa mba isan’ny mpianany? Fa izy nandà ka nanao hoe: Tsia.
- 26Hoy ny anankiray tamin’ny mpanompon’ny mpisoronabe havan’ilay nokapain’i Petera ny sofiny: Tsy efa hitako teo aminy tao anaty saha va ianao?
- 27Dia nandà indray Petera; ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno.
- 28Ary Jesosy dia nentiny niala tao amin’i Kaiafa ho ao anatirova*; ary maraina koa ny andro tamin’izay; nefa ireo tsy niditra tao anati-rova*, fandrao ho voaloto, fa efa hihinana ny Paska izy. [*Gr. pretoria]
- 29Ary Pilato nivoaka ho eo aminy teo ivelany ka nanao hoe: Inona moa no iampanganareo io Lehilahy io?
- 30Dia namaly ireo ka nanao taminy hoe: Raha tsy mpanao ratsy Izy, dia tsy mba natolotray anao.
- 31Ary hoy Pilato taminy: Entonareo Izy, ka tsarao araka ny lalànareo. Hoy ny Jiosy taminy: Izahay tsy manam-pahefana hahafaty olona;
- 32mba hahatanteraka ny tenin’i Jesosy izay nolazainy nanambara ny fomban’ny fahafatesana izay efa hiaretany.
- 33Ary niditra tao anati-rova* indray Pilato, dia niantso an’i Jesosy ka nanao taminy hoe: Hianao va no Mpanjakan’ny Jiosy? [*Gr. pretoria]
- 34Jesosy namaly hoe: Hevitrao ihany va no anaovanao izany, sa nisy hafa nilaza Ahy taminao?
- 35Pilato namaly hoe: Moa aho Jiosy? Ny firenenao sy ny mpisoronabe no nanolotra Anao tamiko; inona moa no nataonao?
- 36Jesosy namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao; fa raha mba avy amin’izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin’ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin’izany ny fanjakako.
- 37Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao ? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin’ny marina dia mihaino ny feoko.
- 38Hoy Pilato taminy: Inona no marina? Ary rehefa nanontany izany izy, dia nivoaka nankeo amin’ny Jiosy indray ka nanao taminy hoe: Tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza.
- 39Fa misy fanaonareo amin’ny Paska, handefasako anankiray ho anareo; koa tianareo va raha halefako ho anareo ny Mpanjakan’ny Jiosy?
- 40Ary ireo niantso indray ka nanao hoe: Tsy Ilehio, fa Barabasy; koanefa jiolahy Barabasy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.