Jaona
Toko 11
- 1Ary nisy lehilahy anankiray narary, dia Lazarosy avy any Betania, tanànan’i Maria sy Marta rahavaviny.
- 2Maria dia ilay nanosotra ny Tompo tamin’ny menaka manitra sy namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany, ary Lazarosy anadahiny no narary.
- 3Ary izy mirahavavy dia naniraka tany amin’i Jesosy hanao hoe: Tompoko, marary ilay tianao.
- 4Ary rehefa ren’i Jesosy izany, dia hoy Izy: Tsy ho fahafatesana no anton’izany aretina izany, fa ny hampisehoana ny voninahitr’Andriamanitra, mba hankalazana ny Zanak’Andriamanitra.
- 5Ary Jesosy tia an’i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy.
- 6Koa nony ren’i Jesosy fa narary Lazarosy, dia mbola nitoetra indroa andro teo amin’izay nitoerany ihany Izy.
- 7Rehefa afaka izany, dia hoy Izy tamin’ny mpianatra: Andeha isika ho any Jodia indray.
- 8Hoy ny mpianatra taminy: Raby ô, vao haingana teo no nitadiavan’ny Jiosy hitora-bato Anao, ka hankany indray va Hianao?
- 9Jesosy namaly hoe: Tsy roa ambin’ny folo va ny ora amin’ny indray andro? Raha misy mandeha amin’ny antoandro, dia tsy mba tafintohina izy, fa mahita ny fahazavan’izao tontolo izao.
- 10Fa raha misy kosa mandeha amin’ny alina, dia ho tafintohina izay, ka tsy misy mazava ao aminy.
- 11Izany no nolazainy; ary rehefa afaka izany, dia hoy Izy taminy: Matory Lazarosy sakaizantsika; fa handeha hamoha azy Aho.
- 12Dia hoy ny mpianatra taminy: Tompoko, raha matory izy, dia ho tsara ihany*. [*Gr. hovonjena]
- 13Nefa Jesosy nilaza ny fahafatesany; fa nataon’izy ireo kosa fa fialan-tsasatra amin’ny torimaso no nolazainy.
- 14Ary tamin’izany Jesosy dia nilaza tsotra taminy hoe: Maty Lazarosy;
- 15ary faly Aho noho ny aminareo, satria tsy teo Aho, mba hinoanareo; fa andeha isika hankany aminy.
- 16Dia hoy Tomasy (izay atao hoe Didymo) tamin’ny mpianatra namany: Andeha isika mba hiara-maty aminy.
- 17Ary nony tonga Jesosy, dia hitany fa efa nilevina hefarana izy.
- 18Ary Betania dia tao akaikin’i Jerosalema, tokony ho dimy ambin’ny folo stadio* no elanelany. [*Na: telo kilometatra]
- 19Ary maro tamin’ny Jiosy no efa tonga teo amin’i Marta sy Maria hitsapa alahelo azy noho ny amin’ny anadahiny.
- 20Ary Marta, raha nandre fa tamy Jesosy, dia nandeha nitsena Azy; fa Maria kosa nitoetra tao an-trano.
- 21Ary hoy Marta tamin’i Jesosy: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.
- 22Nefa fantatro fa na dia ankehitriny izao aza na inona na inona no hangatahinao amin’Andriamanitra dia homen’Andriamanitra Anao.
- 23Hoy Jesosy taminy: Hitsangana ny anadahinao.
- 24Fa hoy Marta taminy: Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ny fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany;
- 25Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.
- 26Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?
- 27Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; mino aho fa Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra, Ilay ho tonga amin’izao tontolo izao.
- 28Ary rehefa nilaza izany izy, dia lasa nandeha ka niantso mangingina an’i Maria rahavaviny, nanao hoe: Tonga ny Mpampianatra ka miantso anao.
- 29Ary raha vao nandre izany Maria, dia nitsangana faingana izy ka nankeo aminy.
- 30Fa Jesosy tsy mbola tonga tao an-tanàna, fa mbola teo amin’ilay nitsenan’i Marta Azy ihany.
- 31Ary ny Jiosy izay tao amin’i Maria tao an-trano ka nitsapa alahelo azy, raha nahita azy nitsangana faingana ka nivoaka, dia nanaraka azy, satria nataony fa nankany amin’ny fasana hitomany any izy.
- 32Ary Maria, rehefa tonga teo amin’nitoeran’i Jesosy ka nahita Azy, dia niankohoka teo amin’ny tongony ka nanao taminy hoe: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.
- 33Ary Jesosy nony nahita azy nitomany sy ny Jiosy izay niaraka taminy nitomany koa, dia vonto ny fanahiny, ka tora-kovitra Izy;
- 34ary hoy Izy: Aiza moa no nandevenanareo azy? Dia hoy ireo taminy: Tompoko, andeha hizaha.
- 35Jesosy nitomany.
- 36Dia hoy ny Jiosy: Akory ity haben’ny fitiavany azy!
- 37Fa hoy ny sasany: Moa tsy hain’ilehity, Izay nampahiratra ny mason’ilay jamba va, ny manao izay tsy ho nahafaty an-dralehilahy ity?
- 38Dia vonto indray ny fanahin’i Jesosy ka nankeo amin’ny fasana Izy; ary zohy izany, sady nisy vato narindrina teo.
- 39Hoy Jesosy: Esory ny vato. Hoy Marta, anabavin’ny maty, taminy: Tompoko, maimbo izy izao, fa efa hefarana izay.
- 40Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra?
- 41Dia nesoriny ny vato. Ary Jesosy dia nanandratra ny masony ka nanao hoe: Ray ô, misaotra Anao Aho, fa efa nihaino Ahy Hianao.
- 42Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Hianao; fa noho ny vahoaka mitsangana manodidina no nilazako izany, mba hinoany fa Hianao no naniraka Ahy.
- 43Ary rehefa nanao izany teny izany Izy, dia niantso tamin’ny feo mahery hoe: Ry Lazarosy, mivoaha!
- 44Dia nivoaka ny maty nisy fehim-paty ny tànany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin’ny olona: Vahao izy, ka avelao handeha.
- 45Ary maro tamin’ny Jiosy, dia ireo nankeo amin’i Maria ka nahita ny zavatra nataon’i Jesosy ireo, no nino Azy.
- 46Fa ny sasany tamin’ireo kosa dia lasa nankany amin’ny Fariseo ka nilaza taminy izay nataony.
- 47Ary ny lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo nanangona ny Synedriona ka nanao hoe: Ahoana no hataontsika? fa iny Lehilahy iny dia manao famantarana maro.
- 48Raha avelantsika hanao toy izany ihany Izy, dia hino Azy avokoa ny olona rehetra; ary ho avy ny Romana ka handrava ny fonenantsika sy ny firenentsika.
- 49Ary ny anankiray taminy, dia Kaiafa, mpisoronabe tamin’izany taona izany, nanao taminy hoe: Hianareo tsy mahalala na inona na inona,
- 50na misaina akory fa tsara ho anareo, raha ny lehilahy iray no ho faty hamonjy ny firenena, mba tsy ho rava avokoa ity firenena ity.
- 51Ary tsy niteny izany ho azy izy, fa satria mpisoronabe tamin’izany taona izany izy, dia naminany fa Jesosy ho faty hamonjy ny firenena;
- 52ary tsy hamonjy io firenena io ihany, fa mba hanangona ny zanak’Andriamanitra izay efa niely ho antoko iray.
- 53Koa hatramin’izany andro izany dia nihendry hahafaty Azy ireo.
- 54Ary Jesosy tsy nandeha niharihary teny amin’ny Jiosy intsony; fa niala teo Izy nankany amin’ny tany akaikin’ny efitra, ho any an-tanàna atao hoe Efraima, ary nitoetra tany Izy mbamin’ny mpianatra.
- 55Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy; ary maro avy tany an-tsaha no niakatra ho any Jerosalema talohan’ny Paska mba hanadio ny tenany.
- 56Dia nitady an’i Jesosy ireo, raha nijanona teo an-kianjan’ny tempoly, ka niresaka hoe: Ahoana no hevitrareo? Tsy mba ho tonga amin’ny andro firavoravoana va Izy?
- 57Ary ny lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo efa nandidy fa raha misy olona mahalala izay itoerany, dia tsy maintsy milaza, mba hisamborany Azy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.