Jaona
Toko 2
- 1Ary tamin’ny andro fahatelo dia nisy fampakaram-bady tao Kana any Galilia; ary tao ny renin’i Jesosy.
- 2Ary Jesosy sy ny mpianany koa dia nalainy ho ao amin’ny fampakaram-bady.
- 3Ary rehefa lany ny divay, dia hoy ny renin’i Jesosy taminy: Tsy manana divay izy.
- 4Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy ianao? tsy mbola tonga ny fotoako.
- 5Fa hoy ny reniny tamin’ny mpanompo: Ataovy izay asainy ataonareo.
- 6Ary nisy siny vato enina mahalany rano indroa na intelon’ny vata* avy nipetraka teo ho fanadiovana araka ny fanaon’ny Jiosy. [*Gr.metatra]
- 7Dia hoy Jesosy taminy: Fenoy rano ny siny. Dia nofenoiny hatramin’ny molony.
- 8Ary hoy Jesosy taminy: Tovozy amin’izao, ka ento ho eo amin’ny mpandahatra ny fanasana. Dia nentiny.
- 9Ary raha nanandrana ny rano tonga divay ny mpandahatra ny fanasana, nefa tsy nahalala izay nihaviany (fa ny mpanompo izay nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra izy
- 10ka nanao taminy hoe: Araka ny fanaon’ny olona dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa nisotro be* ny olona, dia vao izay ratsiratsy kokoa; fa ianao kosa dia efa nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny. [*Gr.mamo]
- 11Izany no nataon’i Jesosy tao Kana any Galilia ho voaloham-pamantarana, ka nasehony ny voninahiny; ary nino Azy ny mpianany.
- 12Rehefa afaka izany, dia nidina nankany Kapernaomy Jesosy mbamin’ny reniny sy ny rahalahiny ary ny mpianany; nefa tsy nitoetra ela teo Izy.
- 13Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy, ka dia niakatra tany Jerosalema Jesosy.
- 14Ary hitany teo an-kianjan’ny tempoly ny nivarotra omby sy ondry sy voromailala ary ny mpanakalo vola izay nipetraka teo;
- 15dia nanao kotopia kofehy Izy ka nandroaka azy rehetra hiala teo an-kianjan’ny tempoly, na ny ondry na ny omby, ary nararany ny volan’ny mpanakalo vola, sady nazerany ny latabatra;
- 16dia hoy Izy tamin’ny nivarotra ny voromailala: Ento mivoaka ireto zavatra ireto; aza atao trano fivarotana ny tranon’ny Raiko.
- 17Ary ny mpianany nahatsiaro fa voasoratra hoe: Ny firehetako ny amin’ny tranonao no haharitra aina ahy (Sal. 69. 9).
- 18Fa namaly ny Jiosy ka nanao taminy hoe: Inona no famantarana asehonao aminay, no manao izao zavatra izao Hianao?
- 19Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ravao ity tempoly ity, ary amin’ny hateloana dia hatsangako indray izy.
- 20Fa hoy ny Jiosy: Enina amby efa-polo taona izay no efa nanaovana ity tempoly ity, ka Hianao va hahatsangana azy amin’ny hateloana?
- 21Fa ny tenany no tempoly nolazainy.
- 22Ary koa, rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy, dia tsaroan’ny mpianany fa efa nilaza izany Izy; ary dia nino ny Soratra Masina sy ny teny izay nolazain’i Jesosy izy.
- 23Ary nony tao Jerosalema Jesosy tamin’ny Paska, dia tamin’ny andro firavoravoana, maro no nino ny anarany, raha nahita ny famantarana izay nataony.
- 24Fa Jesosy tsy natoky azy, satria Izy nahalala ny olona rehetra;
- 25ary tsy nitady olona hanambara olona Izy; fa ny tenany nahalala izay tao am-pon’ny olona.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.