Marka
Toko 9
- 1Ary hoy Izy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan’Andriamanitra tonga amin’ny hery.
- 2Ary nony afaka henemana, Jesosy dia naka an’i Petera sy Jakoba ary Jaona ka nitondra azy nitokana niakatra ho any an-tendrombohitra avo anankiray; dia niova tarehy teo anatrehany Izy,
- 3ary ny fitafiany niova nanelatrelatra sady fotsy indrindra, ka tsy misy mpamotsy lamba ambonin’ny tany mahafotsy toy izany.
- 4Ary Elia sy Mosesy niseho taminy ka niresaka tamin’i Jesosy.
- 5Ary niteny Petera ka nanao tamin’i Jesosy hoe: Raby ô, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka hanao lay telo izahay: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an’i Mosesy, ary ny anankiray ho an’i Elia.
- 6Fa tsy fantany izay havaliny, satria efa raiki-tahotra izy rehetra.
- 7Ary nisy rahona niseho nanarona azy; ary dia nisy feo avy tao amin’ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako, Izy no henoy.
- 8Ary niaraka tamin’izay, nony nijery manodidina izy ireo, dia tsy nisy hitany intsony na iza na iza afa-tsy Jesosy irery ihany, Izay teo aminy.
- 9Ary nony nidina avy teo an-tendrombohitra Izy, dia nandrara azy Jesosy mba tsy hilazalaza amin’olona izay zavatra efa hitany mandra-pitsangan’ny Zanak’olona amin’ny maty.
- 10Ary nitana izany teny izany izy ka nifampaka saina ny amin’izay hevitr’izany fitsanganana amin’ny maty izany.
- 11Dia nanontany an’i Jesosy izy ka nanao hoe: Lazain*’ny mpanora-dalàna fa Elia tsy maintsy ho avy aloha.[*Na: Nahoana no lazain’]
- 12Ary Izy nanao taminy hoe: Elia dia avy aloha ihany ka mampody ny zavatra rehetra. Ary ahoana kosa no nanoratana ny amin’ny Zanak’olona fa tsy maintsy mijaly mafy Izy ka hatao tsinontsinona?
- 13Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga Elia, sady nataon’ny olona taminy izay sitraky ny fony araka ny nanoratana azy.
- 14Ary nony tonga teo amin’ny mpianatra izy, dia nahita vahoaka betsaka manodidina azy sy mpanora-dalàna niady hevitra taminy.
- 15Ary niaraka tamin’izay, nony nahita Azy ny vahoaka rehetra, dia talanjona ka nihazakazaka nanatona sy niarahaba Azy.
- 16Ary Izy nanontany azy hoe: Inona no iadianareo hevitra amin’ireto?
- 17Ary ny anankiray tamin’ny vahoaka namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, nentiko ho etỳ aminao ny zanako-lahy, izay azom-panahy moana;
- 18ary na aiza na aiza no ahazoany azy, dia ampihinjitrinjiriny izy, ary mandoa vory, dia mikitro-nify sady valaka dia valaka; ary niteny tamin’ny mpianatrao aho mba hamoaka izany; fa tsy hainy.
- 19Ary Jesosy namaly azy hoe: Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento etỳ amiko izy.
- 20Dia nentiny teo aminy izy; fa nony nahita an’i Jesosy izy, dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin’izay ny fanahy. Dia lavo tamin’ny tany izy sady nitsinkasinkasina sy nandoa vory.
- 21Ary Jesosy nanontany an-drainy hoe: Hoatrinona izay no nahatongavan’izao taminy? Ary hoy izy: Hatry ny fony izy mbola zaza.
- 22Ary nazerany matetika tao anaty afo sy tao anaty rano izy hamonoany azy; fa raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay.
- 23Fa hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino.
- 24Ary niaraka tamin’izay dia niantso* ny rain-drazazalahy ka nanao hoe: Mino aho; vonjeo mba ho afaka amin’ny tsi-finoako.[*Ampio hoe: sady nandrotsa-dranomaso].
- 25Ary nony hitan’i Jesosy fa nihazakazaka nanatona azy ny vahoaka, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy ka nanao taminy hoe: Ry fanahy moana sy marenina! Izaho mandidy anao: Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony.
- 26Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy, dia nivoaka taminy; ary efa toy ny maty, ka dia nataon’ny maro hoe: Maty.
- 27Fa Jesosy nandray ny tànany ka nanarina azy; dia nitsangana izy.
- 28Ary rehefa tonga tao an-trano Jesosy, dia nanontany Azy mangingina ny mpianany hoe: izahay* tsy nahavoaka azy.[*Na:Nahoana izahay no]
- 29Ary hoy Izy taminy: Iny karazana iny tsy mba azo avoaka na amin’inona na amin’inona, afa-tsy amin’ny fivavahana* ihany.[*Ampio hoe: sy ny fifadian-kanina].
- 30Dia niala teo izy ka nizotra namaky an’i Galilia, ary tsy tian’i Jesosy ho fantatry ny olona izany.
- 31Fa nampianatra ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ny Zanak’olona dia hatolotra eo an-tànan’ny olona ka hovonoiny; ary rehefa voavono Izy, dia hitsangana rehefa afaka hateloana.
- 32Fa izy ireo tsy nahafantatra izany teny izany sady natahotra hanontany Azy.
- 33Ary tonga tao Kapernaomy izy; ary rehefa mby tao an-trano Jesosy, dia nanontany ny mpianany hoe: Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana?
- 34Fa tsy nahateny izy, satria efa niady hevitra teny an-dalana izy ny amin’izay lehibe indrindra.
- 35Ary rehefa tafapetraka Jesosy, dia niantso ny roa ambin’ny folo lahy Izy ka nanao taminy hoe: Raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin’izy rehetra sy ho mpanompo’izy rehetra izy.
- 36Ary nandray zaza Izy ka nametraka azy teo afovoany; ary raha notrotroiny ilay zaza, dia hoy Izy tamin’ny mpianany:
- 37Na zovy na zovy no mandray zaza iray tahaka itony amin’ny anarako, dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy, dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy.
- 38Ary hoy Jaona taminy: Mpampianatra ô, nahita olona anankiray namoaka demonia tamin’ny anaranao izahay, ka noraranay izy, satria tsy nanaraka antsika.
- 39Fa hoy Jesosy: Aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin’ny anarako ka hahateny ratsy Ahy vetivety.
- 40Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.
- 41Fa na iza na iza no manome anareo rano eran’ny kapoaka hosotroinareo, satria an’i Kristy ianareo, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.
- 42Ary na iza na iza no mahatafintohina na iray aza amin’ireo madinika mino Ahy ireo, dia tsara ho azy, raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka hatsipy ao anaty ranomasina izy.
- 43Ary raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina any amin’ny fiainana noho ny manana tanana roa, nefa hariana any amin’ny helo*, dia any amin’ny afo tsy azo vonoina. [* Gr. Gehena]
- 44* [* Ampio hoe: any amin’ny kankana tsy maty, ary ny afo tsy vonoina]
- 45Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra mandringa any amin’ny fiainana noho ny manana tongotra roa, nefa hariana any amin’ny helo.
- 46* [*Ampio hoe: any amin’ny afo tsy azo vonoina; any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina]
- 47Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy: fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin’ny fanjakan’Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ny helo;
- 48any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina.
- 49Fa samy ho voasira amin’ny afo izy rehetra*.[*Ampio hoe: ary ny fanatitra rehetra samy ho voasira amin’ny fanasina]
- 50Tsara ny sira, fa raha tonga matsatso izy, inona no ho entinareo mampody ny tsirony? Aoka hisy sira ao anatinareo, ka mihavàna tsara ianareo.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.