Marka
Toko 13
- 1Ary nony niala teo an-kianjan’ny tempoly Jesosy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Mpampianatra รด, akory re ireto vato sy rafitra ireto!
- 2Ary Jesosy nanao taminy hoe: Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto? Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.
- 3Ary raha nipetraka teo amin’ny tendrombohitra Oliva tandrifin’ny tempoly Izy, dia nanontany Azy mangingina Petera sy Jakoba sy Jaona ary Andrea hoe:
- 4Lazao aminay: Rahoviana no hisy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany rehetra izany?
- 5Ary Jesosy nilaza taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo.
- 6Fa maro no ho avy amin’ny anarako hanao hoe: Izaho no Izy, ka maro no ho voafitany.
- 7Ary raha mandre ady sy filazana ady ianareo, dia aza matahotra; tsy maintsy hisy izany, nefa tsy mbola tonga ny farany.
- 8Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy horohorontany any amin’ny tany samy hafa, sady hisy mosary; izany no fiandohan’ny fahoriana*.[*Gr. faharariam-piterahana]
- 9Fa mitandrema ianareo, fa hatolotra amin’ny Synedriona sy hokapohina ao amin’ny synagoga ary hitsangana eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko ianareo ho vavolombelona aminy.
- 10Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha.
- 11Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo’amin’izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina.
- 12Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho amin’ny fahafatesana, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy aman-dreniny ka hahafaty azy.
- 13Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako: fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.
- 14Fa raha hitanareo mitsangana amin’izay tsy mety hitsanganany ny fahavetavetan’ny fandravana (Dan. 12. 11; 9. 27) (aoka hisaina izay mamaky izany), dia aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia.
- 15Ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina na hiditra haka zavatra ao an-tranony.
- 16Ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany.
- 17Ary lozan’ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany!
- 18Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin’ny ririnina izany.
- 19Fa amin’izany andro izany dia hisy fahoriana izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nanaovan’Andriamanitra izao tontolo izao ka mandraka izao ankehitriny izao, sady tsy hisy intsony.
- 20Ary raha tsy nohafohezin’ny Tompo izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy, izay nofidiny, dia nohafoheziny izany andro izany.
- 21Ary amin’izay raha tàhiny misy olona manao aminareo hoe: Indro, etỳ Kristy, na: Indro, erỳ ; aza mino ianareo.
- 22Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana*, ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao izany.[*Na: hatsangana]
- 23Fa mitandrema kosa ianareo; indro, efa voalazako taminareo raha-teo ny zavatra rehetra.
- 24Fa amin’izany andro izany, raha afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hohamaizinina, ary ny volana tsy haneho fahazavana,
- 25ary ny kintana hiraraka avy eny amin’ny lanitra, ary hohozongozonina ny hery izay ao amin’ny lanitra.
- 26Ary amin’izay ny Zanak’olona dia ho hita avy eo amin’ny rahona amin’ny hery lehibe sy ny voninahitra.
- 27Ary amin’izay dia haniraka ny anjely Izy, ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin’ny vazan-tany efatra* hatramin’ny faran’ny tany ka hatramin’ny faran’ny lanitra.[*Gr. rivotra]
- 28Ary mianara ny fanoharana ny amin’ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.
- 29Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky eo am-baravarana Izy*.[*Na: izany]
- 30Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mba ho lany* ity taranaka ity** mandra-pahatongan’izany rehetra izany. [* Gr. handalo] [** Na: ity firenena ity]
- 31Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
- 32Fa ny amin’izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.
- 33Mitandrema, miambena*, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian’ny fotoana.[*Gr. miareta tory]
- 34Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, ka samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara;
- 35Koa miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina,
- 36fandrao avy tampoka izy ka mahita anareo matory.
- 37Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin’ny olona rehetra
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.