Marka
Toko 10
- 1Ary niainga niala teo Jesosy, dia tonga tany amin’ny sisin-tanin’i Jodia sy tany an-dafin’i Jordana; ary nisy vahoaka betsaka indray niangona teo aminy; koa araka ny fanaony dia nampianatra azy indray Izy.
- 2Ary nisy Fariseo nanatona Ary, dia naka fanahy Azy ka nanontany hoe: Mahazo misao-bady va ny lehilahy?
- 3Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Ahoana no nandidian’i Mosesy anareo?
- 4Ary hoy izy: Navelan’i Mosesy hanoratra taratasy fisaoram-bady ny lehilahy ka hisao-bady (Deo. 24.1).
- 5Fa hoy Jesosy taminy: Ny hamafin’ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo;
- 6fa hatramin’ny fony vao nanaovana izao tontolo izao dia lahy sy vavy no nanaovany ny olona (Gen. 1.27).
- 7Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny;
- 8ary ho nofo iray izy roroa (Gen. 2. 24); ka dia tsy ho roa intsony izy, fa ho nofo iray ihany.
- 9Koa izay nakamban’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona.
- 10Ary nony mby tao an-trano, dia nanontany ny amin’izany koa ny mpianatra.
- 11Ary hoy izy taminy: Na zovy na zovy no misao-bady ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga ka manala-baraka ny vadiny*.[*Na: mijangajanga mandika ny lalàn’ny fanambadiana ny amin’ny vadiny]
- 12Ary raha ravehivavy kosa no misaotra ny lahy ka manambady olon-kafa, dia mijangajanga izy.
- 13Ary nisy nitondra zazakely ho eo aminy mba hametrahany tanana; fa ny mpianany niteny mafy ireny.
- 14Nefa tezitra Jesosy, raha nahita izany, ka hoy Izy taminy: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an’ny toa azy ny fanjakan’Andriamanitra.
- 15Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.
- 16Ary nitrotro azy Izy, dia nametra-tanana taminy ka nitso-drano azy.
- 17Ary nony vao nivoaka nankeny an-dalana Jesosy, dia nisy olona anankiray nihazakazaka nanatona ka nandohalika teo anatrehany ary nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?
- 18Ary hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.
- 19Fantatrao ny didy hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Aza manambaka, Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12-17).
- 20Ary hoy izy taminy Mpampianatra ô, izany rehetra izany efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely.
- 21Ary Jesosy nijery azy tsara, dia tia azy ka nanao taminy hoe: Diso zavatra iray loha ianao; mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.
- 22Dia nanjombona terỳ ny tarehiny tamin’izany teny izany, ka niala tamin’alahelo izy, satria nanana harena be.
- 23Ary Jesosy nijery manodidina ka nanao tamin’ny mpianany hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ny manan-karena amin’ny fanjakan’Andriamanitra!
- 24Ary ny mpianatra dia gaga tamin’ny teniny. Fa Jesosy namaly indray ka nanao taminy hoe: Anaka, manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ny matoky ny harena amin’ny fanjakan’Andriamanitra!
- 25Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran’ny manan-karena amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
- 26Dia talanjona indrindra izy ka nanao taminy* hoe: Iza indray no azo hovonjena?[* Na: nifampilaza].
- 27Fa Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Raha amin’ny olona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin’Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra.
- 28Ary hoy Petera taminy: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao.
- 29Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara,
- 30ka tsy handray zato heny amin’izao andro ankehitriny izao-dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin’ny fanenjehana-ary amin’ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.
- 31Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany.
- 32Ary Jesosy sy ny mpianany dia teny an-dalana niakatra ho any Jerosalema, ary Jesosy nandeha eo alohany; dia gaga ny mpianany, ary izay nanaraka Azy dia natahotra. Ary naka ny roa ambin’ny folo lahy indray Izy, dia nilaza taminy izay efa hanjo Azy
- 33ka nanao hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak’olona hatolotra ho amin’ireo lohan’ny mpisorona sy mpanora-dalàna; ary hohelohiny ho faty Izy ka hatolony amin’ny jentilisa;
- 34ary hanao Azy ho fihomehezana ireny sy handrora Azy sy hikapoka Azy ary hahafaty Azy; fa rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy.
- 35Ary Jakoba sy Jaona, zanak’i Zebedio, nanatona an’i Jesosy ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay angatahinay aminao.
- 36Ary hoy Izy taminy: Inona moa no tianareo hataoko aminareo?
- 37Dia hoy izy mirahalahy taminy: Mba ekeo ny hipetrahanay, ny anankiray ho eo amin’ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin’ny an-kavianao, any amin’ny voninahitrao.
- 38Fa hoy Jesosy taminy: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny hisotro amin’ny kapoaka izay sotroiko, na ny hatao batisa amin’ny batisa izay anaovana Ahy batisa?
- 39Dia hoy izy mirahalahy taminy: Hainay ihany. Ary hoy Jesosy taminy: Raha ny kapoaka izay sotroiko, dia hosotroinareo ihany, ary ny batisa izay anaovana Ahy batisa dia hanaovana anareo ihany;
- 40fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana na eo an-tanako ankavia kosa, dia tsy Ahy ny hanome izany, fa izay nanamboarana izany no homena.
- 41Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra noho ny nataon’i Jakoba sy Jaona izy.
- 42Fa Jesosy niantso azy hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Fantatrareo fa izay eken’ny jentilisa ho mpanapaka dia mampanompo azy, ary ny lehibeny dia mifehy azy.
- 43Fa tsy mba toy izany aminareo; fa na iza na iza no te-ho lehibe eo aminareo, dia ho mpanompo anareo izy.
- 44Ary na iza na iza no te-ho ambony eo aminareo, dia ho mpanompon’izy rehetra.
- 45Fa ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
- 46Ary tonga tao Jeriko izy; ary raha vao niala tao Jeriko Jesosy mbamin’ny mpianany sy ny vahoaka betsaka, dia nipetraka teo amoron-dalana Bartimeo jamba mpangataka, zanak’i Timeo.
- 47Ary nony reny fa, injay! Jesosy avy any Nazareta, dia niantso izy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko!
- 48Ary maro no niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko.
- 49Ary Jesosy nijanona, dia nanao hoe: Antsoy ilay jamba. Ary ny olona niantso azy ka nanao taminy hoe: Matokia, mitsangàna, miantso anao Izy.
- 50Dia nanary ny lambany izy ka niantsambotra nankeo amin’i Jesosy.
- 51Ary Jesosy namaly azy hoe: Inona no tianao hataoko aminao? Ary hoy ilay jamba taminy: Rabôny ô, ny mba hampahiratina ny masoko.
- 52Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin’izay ny masony, ka nanaraka an’i Jesosy teny an-dalana izy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.