Marka
Toko 16
- 1Ary rehefa afaka ny andro Sabata, dia lasa nividy zava-manitra Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin’i Jakoba, mba handeha hanosotra ny fatin’i Jesosy.
- 2Ary nony maraina koa tamin’ny voalohan’andro amin’ny herinandro, rehefa niposaka ny masoandro, dia nankany amin’ny fasana izy ireo.
- 3Ary niresaka hoe izy: Iza re no hanakodia ny vato ho afaka amin’ny varavaram-pasana hisolo antsika?
- 4Fa nony nitraka izy, dia, indro, hitany fa efa voakodia niala ny vato; fa lehibe dia lehibe ny vato.
- 5Ary raha niditra tao anatin’ny fasana izy, dia nahita zatovo anankiray nipetraka teo amin’ny ankavanana niakanjo akanjo fotsy, dia talanjona izy.
- 6Fa hoy ilay zatovo taminy: Aza talanjona; mitady an’i Jesosy avy any Nazareta, Izay nohomboana tamin’ny hazo fijaliana, ianareo; efa nitsangana Izy; tsy ato Izy; jereo fa teo no nametrahany Azy.
- 7Fa mandehana, lazao amin’ny mpianany sy Petera fa mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy, araka izay nolazainy taminareo.
- 8Dia nivoaka izy ka lasa nandositra niala tamin’ny fasana, fa tora-kovitra sady talanjona izy; ary tsy mba nilaza na inona na inona tamin’olona izy, satria natahotra.
- 9[Ary rehefa nitsangana tamin’ny marain’ny andro voalohany amin’ny herinandro Jesosy, dia niseho voalohany tamin’i Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito, Izy]
- 10[Ary Maria nandeha ka nilaza tamin’ireo efa nomba an’i Jesosy, izay mbola nisaona sy nitomany]
- 11[Ary izy ireo, na dia nandre aza fa velona Izy sady efa hitan-dravehivavy, dia mbola tsy nety nino ihany]
- 12[Ary taorian’izany Jesosy dia niseho tamin’ny endrika hafa tamin’ny roa lahy aminy, izay nankany an-tsaha]
- 13[Ary izy ireo nandeha ka nilaza tamin’ny namany; fa na dia ireo aza tsy ninoany koa]
- 14[Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy Jesosy, raha nipetraka nihinana ireo; ary izy nanome tsiny azy noho ny tsi-finoany sy ny hamafin’ny fony, satria tsy ninoany ireo efa nahita Azy, rehefa nitsangana Izy]
- 15[Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra]
- 16[Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina]
- 17[Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin’ny anarako izy; hiteny amin’ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;]
- 18[handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny]
- 19[Ary Jesosy Tompo, rehefa niteny taminy, dia nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra]
- 20[Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitori-teny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin’ny famantarana izay nomba azy. Amena]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.