Marka
Toko 4
- 1Ary nampianatra teo amoron’ny ranomasina indray Jesosy; ary nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia niditra teo an-tsambokely Izy ka nipetraka teo amin’ny ranomasina; ary ny vahoaka rehetra dia teny an-tanety amoron-dranomasina.
- 2Ary nampianatra azy zavatra maro tamin’ny fanoharana Izy ka nilaza tamin’ny fampianarany azy hoe:
- 3Mihainoa: Indro, nivoaka ny mpamafy mba hamafy.
- 4Ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana, dia avy ny vorona ka nandany izany.
- 5Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina.
- 6Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny; ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy.
- 7Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy, dia tsy namoa izy.
- 8Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ny tany tsara, ary raha naniry sy namoa, dia vokatra, fa namoa: ny sasany avy telo-polo heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny.
- 9Ary hoy Izy: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
- 10Ary raha tao amin’ny mangingina Izy, dia nanontany Azy ny amin’ny fanoharana ireo nomba Azy mbamin’ny roa ambin’ny folo lahy.
- 11Ary hoy Izy taminy: Hianareo no efa nomena ny zava-miafina ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra; fa amin’ireny izay any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin’ny fanoharana;
- 12mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony (Isa. 6. 9, 10).
- 13Ary hoy Izy taminy: Tsy azonareo va ilay fanoharana teo? koa hataonareo ahoana no fahafantatra ny fanoharana rehetra?
- 14Ny mpamafy dia mamafy ny teny.
- 15Ary ireto no ilay teo amoron-dalana, dia izay amafazana ny teny, fa rehefa nandre izy, dia avy miaraka amin’izay Satana ka manaisotra ny teny izay nafafy tao aminy.
- 16Ary tahaka izany koa, ireto no ilay voafafy teny amin’ny tany marivo ambony vatolampy, dia izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin’ny hafaliana;
- 17nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’izay izy.
- 18Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin’ny tsilo, dia ireo no ilay nandre ny teny,
- 19fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filàna ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy.
- 20Ary ireto no ilay voafafy teny amin’ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny.
- 21Ary hoy Izy taminy: Moa entina* va ny jiro mba hosaronan’ny vata famarana, na hatao ao ambanin’ny farafara? Tsy hatao amin’ny fanaovan-jiro va izy?[*Gr. avy]
- 22Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy haseho.
- 23Raha misy olona manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
- 24Ary hoy Izy taminy: Diniho izay teny renareo; araka ny ohatra anoharanareo ihany no hanoharana ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo.
- 25Fa izay manana no homena; ary ny amin’ny tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.
- 26Ary hoy Izy: Toy izao ny fanjakan’Andriamanitra: tahaka ny lehilahy mamafy voa amin’ny tany
- 27ka matory sy mahatsiaro isan’alina sy isan’andro; ary ny voa dia mitsimoka ka maniry, nefa tsy fantany ny faniriny
- 28Fa ny tany mahavokatra ho azy: voalohany misy tahony, dia teraka, ary rehefa izany, dia feno voa.
- 29Fa rehefa azo jinjana izy, dia jinjany miaraka amin’izay, fa efa tonga ny fararano.
- 30Ary hoy Izy: Ahoana no hanoharantsika ny fanjakan’Andriamanitra, ary inona no fanoharana hanoharantsika azy?
- 31Tahaka ny voantsinapy izy, izay kely noho ny voa rehetra, raha vao afafy amin’ny tany;
- 32Fa rehefa voafafy kosa izy, dia maniry ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, ary mandrantsana vaventy, ka azon’ny voro-manidina itoerana ny alokalony.
- 33Ary fanoharana maro toy izany no nanambarany ny teny taminy, araka izay hainy hohenoina.
- 34Ary raha tsy tamin’ny fanoharana dia tsy niteny taminy Izy; ary tamin’ny mangingina no nilazany tamin’ny mpianany ny hevitr’ireo rehetra ireo.
- 35Ary androtrizay ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy taminy: Andeha isika hita ho eny am-pita.
- 36Ary rehefa nampodin’ny mpianany ny vahoaka, dia nentiny tamin’io sambokely io tamin’izao ihany Jesosy. Ary nisy sambokely sasany koa niaraka taminy.
- 37Ary nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran’ny alondrano ny sambokely ka nila ho feno rano.
- 38Ary Jesosy natory teo am-bodin’ny sambokely tambonin’ny ondana; ary namoha Azy izy ireo ka nanao taminy hoe: Mpampianatra รด, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?
- 39Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin’ny ranomasina hoe: Mangina, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro.
- 40Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo?
- 41Ary natahotra indrindra izy ireo ka niresaka hoe: Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.