Marka
Toko 7
- 1Ary niangona teo aminy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany, izay avy tany Jerosalema
- 2ka nahita ny mpianatra sasany fa nihinan-kanina tamin’ny tanana tsy madio, izany hoe, tsy voasasa.
- 3(Fa ny Fariseo sy ny Jiosy rehetra tsy mba mihinana, raha tsy efa manasa tsara* ny tànany, satria mitàna ny fampianarana voatolotry ny razana izy.[*Gr. sasàny amin’ny totohondry]
- 4Ary raha avy any an-tsena, dia tsy mihinana izy, raha tsy misasa aloha. Ary misy fomba maro koa izay noraisiny hotanana, dia ny manasa kapoaka sy famarana* mbamin’izay fanaka varahina**.) [* Gr. sekstaria] [** ampio hoe: ary farafara]
- 5Dia nanontany Azy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna hoe: Nahoana ny mpianatrao no tsy manaraka ny fampianarana voatolotry ny razana, fa mihinan-kanina amin’ny tanana tsy misasa izy?
- 6Fa Jesosy nanao taminy hoe: Marina ny naminanian’Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony, Fa ny fony kosa lavitra Ahy.
- 7Koa foana ny ivavahan’ireo amiko, Raha mampianatra ny didin’olombelona ho fampianarana izy. (Isa. 29. 13).
- 8Mahafoy ny didin’Andriamanitra ianareo ka mitana ny fanaon’ny olona.
- 9Ary hoy koa Izy taminy: Hay! tsara ny nahafoizanareo ny didin’Andriamanitra mba hitandremanareo ny fampianarana voatolotra anareo!
- 10Fa hoy Mosesy: Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12), ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy sy ny reniny dia hatao maty tokoa (Eks. 21. 17).
- 11Fa hoy kosa ianareo: Raha misy olona milaza amin’ny rainy na amin’ny reniny hoe: Efa korbana (izany hoe, fanatitra ho an’Andriamanitra) izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko,
- 12dia* tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an’ny rainy sy ny reniny intsony izy,[*Na: dia voafehin’ny voadiny izy. Ary dia etc]
- 13ka dia foananareo ny tenin’Andriamanitra amin’ny fampianarana voatolotra anareo, izay nasainareo hotandremana; ary zavatra maro mifanahatahaka amin’izany koa no ataonareo.
- 14Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy indray Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara.
- 15Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy; fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy*. [*Ampio hoe:]
- 16[Raha misy manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino]
- 17Ary rehefa niala teo amin’ny vahoaka Izy ka niditra tao an-trano, dia nanontany Azy ny mpianany ny amin’izany fanoharana izany.
- 18Ary hoy Izy taminy: Hay! ianareo koa aza mba tsy mahafantatra! Tsy fantatrareo va fa izay rehetra eo ivelan’ny olona ka miditra ao anatiny dia tsy mahaloto azy,
- 19satria tsy miditra ao am-pony izany, fa ao an-kibony ihany, ka dia mivoaka ao amin’ny fivoahana; izany no nolazainy mba hahadio ny hanina rehetra.
- 20Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin’ny olona, dia izany no mahaloto azy.
- 21Fa avy ao anatin’ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin’olona,
- 22ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy*, ny avonavona, ny fahadalana:[*Gr. blasfemia; izahao Mat. 9. 3]
- 23izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy.
- 24Ary niala teo Jesosy ka lasa nankany amin’ny sisin-tanin’i Tyro sy Sidona; dia niditra tao an-trano Izy, ary tiany tsy ho fantatry ny olona izany; kanefa tsy nahazo niery Izy.
- 25Fa niaraka tamin’izay dia nisy vehivavy anankiray nandre ny aminy (ny zananivavy tanora dia azom-panahy maloto), dia nankao ka niankohoka tamin’ny tongony.
- 26Ary jentilisa ravehivavy, avy amin’ny firenena Syro-foinika; dia nangataka taminy izy mba hamoaka ny demonia amin’ny zananivavy.
- 27Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ho voky aloha ny zaza; fa tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ny amboakely.
- 28Fa ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Eny, Tompoko; kanefa na dia ny amboakely ao ambanin’ny latabatra aza dia mba mihinana ny sombintsombin’ny mofon-jaza ihany.
- 29Dia hoy Jesosy taminy: Noho izany teny izany mandehana ianao; efa nivoaka tamin’ny zanakao-vavy ny demonia.
- 30Ary raha tonga tao an-tranony ravehivavy, dia hitany nandry teo ambonin’ny farafara ny zananivavy, ary ny demonia efa nivoaka taminy.
- 31Ary Jesosy niala indray tamin’ny sisin-tanin’i Tyro, dia namaky an’i Sidona sy ny tany Dekapolisy ka nankany amoron’ny Ranomasin’i Galilia.
- 32Ary nisy marenina sady raiki-dela anankiray nentiny tany aminy, ka nangataka taminy ireo mba hametrahany tanana.
- 33Ary nitondra an-dralehilahy nitanila niala teo amin’ny vahoaka Izy, dia nangarona ny sofiny tamin’ny rantsan-tànany, dia nandrora ka nanendry ny lelany;
- 34ary niandrandra ny lanitra Izy, dia nisento ka nanao taminy hoe: Efata, izany hoe: Maladia.
- 35Dia nalady ny sofiny, sady voavaha ny fatoran’ny lelany, ka dia nahateny tsara izy.
- 36Ary nandrara ny olona teo Jesosy mba tsy hilazalaza na amin’iza na amin’iza; fa na dia norarany aza izy, dia vao mainka nampiely izany bebe kokoa.
- 37Dia talanjona indrindra ny olona ka nanao hoe: Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra; fa sady mampahalady ny marenina Izy no mampiteny ny moana.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.