Marka
Toko 14
- 1Rehefa indroa andro no sisa tsy hahatongavan’ny Paska, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nitady hisambotra an’i Jesosy tamin’ny fitaka ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna mba hamonoany Azy.
- 2Nefa hoy izy: Tsy amin’ny andro firavoravoana, fandrao hampitabataba ny vahoaka.
- 3Ary nony tany Betania Jesosy tao an-tranon’i Simona boka ka nipetraka nihinana, dia avy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra nisy narda saro-bidy indrindra; dia novakiny ny tavoara, ka naidiny tamin’ny lohan’i Jesosy ny menaka.
- 4Ary nisy ny sasany tezitra ka nifampilaza hoe: Inona no anton’izao fandaniam-poana ny menaka manitra izao?
- 5Fa azo namidy ho lafo tsy omby denaria telon-jato iny menaka manitra iny ka homena ny malahelo. Dia tezitra indrindra tamin-dravehivavy ireo.
- 6Fa hoy Jesosy taminy: Avelao izy; nahoana ianareo no mampalahelo azy? Asa soa no nataony tamiko.
- 7Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, ary na oviana na oviana no tianareo hanaovana soa aminy, dia mahazo manao ianareo; fa Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.
- 8Efa nanao izay azony natao izy: namonjy nanosotra ny tenako hanamboarany Ahy halevina izy.
- 9Ary lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin’izao tontolo izao no hitoriana ny filazantsara, dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao mba ho fahatsiarovana azy.
- 10Ary Jodasy Iskariota, ilay isan’ny roa ambin’ny folo lahy, dia nankeo amin’ny lohan’ny mpisorona hamadika an’i Jesosy aminy.
- 11Ary rehefa nandre izany izy ireo, dia faly ka nanaiky hanome vola azy. Ary Jodasy dia nitady izay andro hahazoany mamadika Azy.
- 12Ary tamin’ny voalohan’ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, izay famonoana ny Paska, dia hoy ny mpianany taminy: Aiza no tianao halehanay hanamboaranay mba hihinananao ny Paska?
- 13Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Mankanesa any an-tanàna, ary hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; dia manaraha azy.
- 14Ary lazao amin’ny tompon’ny trano izay hidirany hoe: Izao no lazain’ny Mpampianatra: Aiza ny efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin’ny mpianatro?
- 15Ary izy hanoro anareo efi-trano malalaka ambony rihana izay voaisy fipetrahana sady voavoatra tsara; any no amboary ho antsika.
- 16Ary ny mpianatra nandeha, dia tonga tany an-tanàna ka nahita araka izay nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy.
- 17Ary nony hariva ny andro, dia tonga Izy sy ny roa ambin’ny folo lahy.
- 18Ary raha nipetraka nihinana izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo, dia izay iray miara-mihinana amiko, no hamadika Ahy.
- 19Dia nalahelo izy, ka samy nanontany Azy tsirairay hoe: Izaho va izany?
- 20Ary Izy nanao taminy hoe: Izay anankiray amin’ny roa ambin’ny folo lahy miara-manatsoboka amiko ao anatin’ny lovia no izy.
- 21Fa ny Zanak’olona dia mandeha tokoa, araka ny nanoratana Azy, nefa lozan’izay olona hahazoana ny Zanak’olona hatolotra! Tsara ho an’izany olona izany raha tsy ary akory.
- 22Ary raha mbola nihinana izy, Jesosy nandray mofo; ka nony efa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy ary nataony hoe: Raiso, ity no tenako.
- 23Dia nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy; ka dia nisotroan’izy rehetra izany.
- 24Ary hoy Izy taminy: Ity no rako amin’ny fanekena*, izay alatsaka hamonjy ny maro.[*Na: fanekena vaovao]
- 25Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandre-pihavin’ny andro hisotroako izay vaovao any amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
- 26Ary rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany an-tendrombohitra Oliva.
- 27Ary hoy Jesosy taminy: Ho tafintohina avokoa ianareo rehetra; fa voasoratra hoe: Hamely ny mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry (Zak. 13. 7).
- 28Fa rehefa mitsangana Aho, dia hialoha anareo ho any Galilia.
- 29Fa hoy Petera taminy: Na dia ho tafintohina avokoa aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina.
- 30Ary hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio, dia amin’ity alina ity, raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handà Ahy intelo ianao.
- 31Fa vao mainka niteny mafy dia mafy izy hoe: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain’izy rehetra.
- 32Ary tonga tany amin’ny saha izay atao hoe Getsemane izy; dia hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Mipetraha eto ianareo mandra-pivavako.
- 33Ary nitondra an’i Petera sy Jakoba sy Jaona Izy, dia talanjona sady ory indrindra.
- 34Ary hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miareta tory.
- 35Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka tamin’ny tany ka nivavaka mba hialan’izany ora izany aminy, raha azo atao.
- 36Ary hoy Izy: Aba, Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao; esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
- 37Ary avy Izy ka nahita azy ireo matory, dia hoy Izy tamin’i Petera: Ry Simona, matory va ianao? Tsy nahazaka niari-tory na dia ora iray ihany aza va ianao?
- 38Miareta tory ianareo, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.
- 39Dia lasa indray Izy ka nivavaka nanao ilay teny teo ihany.
- 40Ary nony niverina indray Izy, dia nahita azy matory, fa efa nilondolondo ny masony, ka tsy hitany izay havaliny Azy.
- 41Ary avy fanintelony Izy, dia nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo. Aoka izay; efa tonga ny ora; indro, ny Zanak’olona hatolotra ao an-tànan’ny mpanota.
- 42Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.
- 43Ary niaraka tamin’izay, raha mbola niteny Izy, dia avy Jodasy, isan’ny roa ambin’ny folo lahy, sady nisy vahoaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona.
- 44Ary ilay hamadika Azy efa nanome famantarana ireo ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy ka ento, fa aza avela ho afaka.
- 45Ary rehefa tonga izy, dia nanatona an’i Jesosy niaraka tamin’izay ka nanao hoe: Raby ô! dia nanoroka Azy izy.
- 46Ary ny olona naninjitra ny tànany taminy ka nisambotra Azy.
- 47Ary ny anankiray tamin’izay teo anilany nanatsoaka ny sabany, dia nikapa ny mpanompon’ny mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny.
- 48Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo?
- 49Teo aminareo isan’andro Aho an-kianjan’ny tempoly, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina izao.
- 50Ary samy nandao Azy izy rehetra ka nandositra.
- 51Ary nisy zatovo anankiray nanaraka Azy, ka lamba hariry madinika fotsiny ihany no nitafiany, ary nosamborin’ny olona teo izy.
- 52Dia navelany teny aminy ny lambany hariry madinika, ka nandositra nitanjaka izy.
- 53Ary nitondra an’i Jesosy ho any amin’ny mpisoronabe izy; ary niangona teo aminy ny lohan’ny mpisorona rehetra sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna.
- 54Ary Petera efa nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany amin’ny kianjan’ny tranon’ny mpisoronabe; ary niara-nipetraka teo amin’ny mpiandry raharaha izy namindro teo anilan’ny afo.
- 55Ary ny lohan’ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra nitady vavolombelona hiampanga an’i Jesosy hamonoany Azy, nefa tsy nahita.
- 56Fa maro no niampanga lainga Azy, nefa tsy nifanaraka ny fiampangany.
- 57Ary nitsangana ny sasany, dia niampanga lainga Azy nanao hoe:
- 58Izahay efa nandre Azy nanao hoe: Izaho handrava ity tempoly nataon-tanana ity, ary amin’ny hateloana dia hanangana hafa izay tsy nataon-tanana Aho.
- 59Fa tsy nifanaraka ny filàzany na dia tamin’izany aza.
- 60Ary ny mpisoronabe nitsangana nankeo afovoany, dia nanontany an’i Jesosy ka nanao hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? Inona no iampangan’ireto Anao?
- 61Fa tsy niteny Jesosy sady tsy namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny mpisoronabe ka nanao taminy hoe: Hianao va no Kristy, Zanaky ny Isaorana?
- 62Ary hoy Jesosy: Izaho no Izy; ary ho hitanareo ny Zanak’olona mipetraka eo ankavanan’ny Hery sady avy eo amin’ny rahon’ny lanitra.
- 63Ary ny mpisoronabe nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray?
- 64Efa renareo ny fitenenany ratsy*; ahoana no hevitrareo? Dia nataon’izy rehetra fa miendrika ho faty Izy.[*Gr. blasfemia, izahao Mat. 9.3]
- 65Ary ny sasany nandrora Azy, dia nanarona ny tavany sady namely tahamaina Azy ka nanao hoe: Maminania; ary ny mpiandry raharaha namely tahamaina* Azy koa.[*Na. tehina]
- 66Ary raha nitoetra teo ambany teo an-kianja Petera, dia avy ny anankiray tamin’ny ankizivavin’ny mpisoronabe;
- 67ary nony nahita an’i Petera namindro izy, dia nijery azy ka nanao hoe: Hianao koa nomba an’i Jesosy avy any Nazareta.
- 68Fa izy nandà ka nanao hoe: Tsy fantatro sy tsy azoko ny teninao. Dia niala ho eo am-bavahady izy, ary nisy akoho naneno.
- 69Ary ilay ankizivavy nahita azy indray, dia niteny tamin’izay teo anilany hoe: Io lehilahy io mba naman’ireny;
- 70fa izy nandà indray. Ary nony afaka kelikely, izay teo anilany koa dia nilaza tamin’i Petera hoe: Naman’ireo tokoa ianao; fa Galiliana ianao.
- 71Dia niozona sy nianiana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy lazainareo izany.
- 72Ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno fanindroany. Ary Petera nahatsiaro ny teny izay nolazain’i Jesosy taminy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handà Ahy intelo ianao. Ary nony nieritreritra izany izy, dia nitomany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.