Marka
Toko 11
- 1Ary raha nanakaiky any Jerosalema tao Betifaga sy Betania any an-tendrombohitra Oliva izy, dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Jesosy
- 2ka nanao taminy hoe: Mankanesa amin’iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra eo ianareo, miaraka amin’izay dia hahita zana-boriky mifatotra, izay tsy mbola nitaingenan’olona; vahao izy, ka ento etỳ.
- 3Ary raha misy olona manao aminareo hoe: Ahoana no anaovanareo izao? dia lazao hoe: Misy raharaha analan’ny Tompo azy; dia havelany ho entina etỳ indray miaraka amin’izay izy.
- 4Dia nandeha izy ka nahita zana-boriky nifatotra teo ala-trano anilan’ny varavarana teo an-dalana, dia novahany izy.
- 5Ary ny olona sasany teo nanao taminy hoe: Ahoana no amahanareo ny zana-boriky?
- 6Ary izy nilaza taminy araka izay nolazain’i Jesosy taminy, dia navelan’ny olona handeha izy.
- 7Ary nentiny teo amin’i Jesosy ny zana-boriky, dia nataony teo amboniny ny lambany; ary Jesosy nitaingina azy.
- 8Ary maro no namelatra ny lambany teny an-dalana; ary ny sasany kosa nampihahaka rantsan-kazo izay efa nalainy tany an-tsaha.
- 9Ary izay nandeha teo alohany sy izay nanaraka teo aoriany dia samy niantso hoe: Hosana! Isaorana anie Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah!
- 10Hotahina anie ny fanjakana izay avy, dia ny an’i Davida raintsika! Hosana any amin’ny avo indrindra (Sal. 118. 26).
- 11Ary Jesosy niditra tany Jerosalema ka nankeo an-kianjan’ny tempoly; ary rehefa nijerijery ny zavatra rehetra Izy, sady efa hariva ny andro tamin’izay, dia niala Izy mbamin’ny roa ambin’ny folo lahy ka nankany Betania.
- 12Ary nony ampitson’iny, rehefa niala tany Betania izy, dia noana Jesosy.
- 13Ary nahatsinjo aviavy anankiray mandravina erỳ lavidavitra Izy, dia nankeo, fa toa hahita voany eo aminy; kanjo nony tonga teo aminy Izy, dia tsy nahita na inona na inona, afa-tsy ravina ihany; fa tsy mbola tonga ny taom-pamoazan’ny aviavy.
- 14Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Aza misy mihinana voa avy aminao intsony mandrakizay. Ary ny mpianany nahare izany.
- 15Ary tonga tany Jerosalema izy: ary Jesosy niditra teo an-kianjan’ny tempoly, dia nandroaka izay nivarotra sy izay nividy teo an-kianjan’ny tempoly sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan’ny mpivarotra ny voromailala;
- 16ary tsy navelany hisy olona hitondra fanaka handeha hamaky ny kianjan’ny tempoly.
- 17Dia nampianatra Izy ka nanao taminy hoe: Tsy voasoratra hoe va: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra? (Isa. 56. 7); fa ianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren’ny jiolahy (Jery. 7. 11).
- 18Ary nahare izany ny lohan’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna, ka dia nitady izay hamonoany Azy; saingy natahotra Azy izy, satria talanjona ny vahoaka rehetra noho ny fampianarany.
- 19Ary isan-kariva dia niala tao an-tanàna Izy.
- 20Ary nony maraina, raha nandalo izy, dia hitany fa efa nalazo hatramin’ny fakany ilay aviavy.
- 21Ary Petera nahatsiahy ka nanao taminy hoe: Raby รด, indro fa efa malazo ilay aviavy nozoninao.
- 22Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Manàna finoana an’Andriamanitra.
- 23Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no hilaza amin’ity tendrombohitra ity hoe: Mifindrà, ka mianjerà any an-dranomasina, ka tsy hiahanahana ao am-pony, fa hino fa ho tonga ny zavatra lazainy, dia ho azony izany.
- 24Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin’ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany.
- 25Ary raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan’ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo.
- 26* [*Ampio hoe: 26 Fa raha ianareo tsy mamela heloka, ny Rainareo Izay any an-danitra kosa tsy hamela ny helokareo]
- 27Ary tonga tany Jerosalema indray izy; ary raha nitsangantsangana teo an-kianjan’ny tempoly Jesosy, dia nanatona Azy ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona
- 28ka nanao taminy hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome Anao izany fahefana izany hanaovanao izao zavatra izao?
- 29Ary Jesosy nanao taminy hoe: Hanontany anareo zavatra iray loha kosa Aho, ka valio Aho; ary dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao:
- 30Ny batisan’i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin’ny olona? Valio Aho.
- 31Ary izy ireo niara-nisaina ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana ary no tsy nino azy ianareo?
- 32Fa raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin’ny olona, natahotra ny olona izy, satria neken’ny olona rehetra fa mpaminany tokoa Jaona.
- 33Dia namaly an’i Jesosy izy ka nanao hoe: Tsy fantatray. Ary Jesosy nanao taminy hoe: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.