Marka
Toko 1
- 1Ny niandohan’ny filazantsaran’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra.
- 2Araka izay voasoratra ao amin’Isaia mpaminany* hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao (Mal 3. 1); [*Na: ao amin’ny mpaminany]
- 3Injany! misy feon’ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan’i Jehovah. Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany (Isa 40. 3),
- 4dia niseho Jaona, izay nanao batisa tany an-efitra ka nitory ny batisan’ny fibebahana ho famelan-keloka.
- 5Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema, ka nataony batisa tao amin’ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.
- 6Ary Jaona nitafy lamba volon-drameva; ary fehin-kibo hoditra no tamin’ny valahany, ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.
- 7Ary nitory izy ka nanao hoe: Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.
- 8Izaho efa nanao batisa anareo tamin’ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina.
- 9Ary tamin’izany andro izany dia tonga avy tany Nazareta any Galilia Jesosy ka nataon’i Jaona batisa tao Jordana.
- 10Ary raha vao niakatra avy teo amin’ny rano Izy, dia hitany ny lanitra nisokatra, ary ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.
- 11Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako, Hianao no sitrako.
- 12Ary niaraka tamin’izay dia nampandehanin*’ny Fanahy ho any an-efitra Izy.[*Gr. noroahin’]
- 13Ary tany an-efitra efa-polo andro Izy ka nalain’i Satana fanahy; ary teo amin’ny bibi-dia Izy, ary ny anjely nanompo Azy.
- 14Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran’Andriamanitra
- 15ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara.
- 16Ary nony nandalo teny amoron’ny Ranomasin’i Galilia Izy, dia nahita an’i Simona sy Andrea, rahalahin’i Simona, nanarato teo amin’ny ranomasina; fa mpanarato izy.
- 17Ary hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.
- 18Dia nandao ny harato niaraka tamin’izay izy ka nanaraka Azy.
- 19Ary rehefa nandroso kelikely Izy, nahita an’i Jakoba, zanak’i Zebedio, Jaona rahalahiny, izay teo an-tsambokely koa namboatra ny haratony.
- 20Dia niantso azy niaraka tamin’izay Izy; ary izy mirahalahy nandao an’i Zebedio rainy teo an-tsambokely mbamin’ny olona nokaramainy, ka dia nanaraka an’i Jesosy.
- 21Ary nankany Kapernaomy izy ireo; nony tamin’ny Sabata, dia niditra tao amin’ny synagoga niaraka tamin’izay Jesosy ka nampianatra.
- 22Dia talanjona ny olona tamin’ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna.
- 23Ary niaraka tamin’izay dia nisy olona teo amin’ny synagogany, izay azon’ny fanahy maloto; ary niantso mafy ralehilahy
- 24ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin’Andriamanitra Hianao.
- 25Ary Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao ka mivoaha aminy.
- 26Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona ny tenan’ilay marary, dia niantso tamin’ny feo mahery ka niala taminy.
- 27Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Manao ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! fa ny fanahy maloto aza no didiany, ka dia manaiky Azy.
- 28Ary ny lazany dia niely niaraka tamin’izay teny tontolo eny tamin’ny tany rehetra eran’i Galilia.
- 29Ary niaraka tamin’izay, raha nivoaka avy tao amin’ny synagoga izy, dia niditra tao an-tranon’i Simona sy Andrea Jesosy ary Jakoba sy Jaona.
- 30Ary ny rafozam-bavin’i Simona nandry teo nanavin’ny tazo; ary niaraka tamin’izay dia nilaza azy taminy izy ireo.
- 31Dia nanatona Jesosy ka nandray ny tànany ary nanarina azy; dia afaka ny tazony, ka dia nanompo azy izy.
- 32Ary nony hariva ny andro, ka nilentika ny masoandro, dia nentina tany aminy ny marary rehetra sy ny demoniaka.
- 33Ary ny tao an-tanàna rehetra dia tafangona teo anoloan’ny varavarana avokoa.
- 34Ary nahasitrana olona maro izay nararin’ny aretina samy hafa Izy sady namoaka demonia maro; ary tsy navelany hiteny ny demonia, satria nahafantatra Azy ireny.
- 35Ary nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany.
- 36Ary dia nandeha nitady Azy Simona sy ny namany.
- 37Ary nahita Azy izy, dia nanao taminy hoe: Ny olona rehetra mitady Anao.
- 38Fa hoy kosa Izy taminy: Andeha isika hiala hankany amin’ny tanàna akaiky, mba hitoriako teny any koa; fa izay no nahatongavako.
- 39Dia nandeha Izy ka nitori-teny tao amin’ny synagogan’ny olona eran’i Galilia sady namoaka ny demonia.
- 40Ary nisy boka nanatona Azy ka nitaraina taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: Raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.
- 41Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe: Mety Aho; madiova ianao.
- 42Ary niaraka tamin’izay dia niala taminy ny habokany, ka dia nadio izy.
- 43Ary namepetra azy mafy Jesosy, dia nampandeha azy niaraka tamin’izay
- 44ka nanao taminy hoe: Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin’iza na amin’iza; fa mandehana, misehoa amin’ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao, izay nandidian’i Mosesy, ho vavolombelona amin’ireo.
- 45Nefa lasa ralehilahy ka nilazalaza sy nampiely izany zavatra izany, ka dia tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy; fa nitoetra tany ivelany tamin’ny tany foana Izy, dia nanatona Azy ny olona avy eny tontolo eny.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.