Marka
Toko 3
- 1Ary niditra tao amin’ny synagoga indray Jesosy: ary nisy lehilahy anankiray maty* tanana teo.[*Gr. efa maina, na malazo]
- 2Ary nizaha taratra Azy ny olona, na hahasitrana io amin’ny Sabata Izy na tsia, mba hiampanganany Azy.
- 3Dia hoy Jesosy tamin’ilay lehilahy maty tanana: Mitsangàna etsy afovoany.
- 4Ary hoy koa Izy tamin’ny olona: Inona moa no mety hatao amin’ny Sabata, ny manao soa va, sa ny manao ratsy? ny mamonjy aina va, sa ny mahafaty? Fa tsy nety niteny ny olona.
- 5Ary nony nijerijery azy tamin’ny fahatezerana Izy sady nalahelo noho ny hamafin’ny fony, dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny, ka sitrana ny tànany.
- 6Ary lasa nivoaka ny Fariseo, ka niaraka tamin’izay dia niray tetika tamin’ny Herodiana izy hanohitra an’i Jesosy mba hahafaty Azy.
- 7Ary Jesosy mbamin’ny mpianany niala teo ka nankany amin’ny ranomasina; ary nisy olona maro avy tany Galilia nanaraka Azy; ary nisy olona maro koa avy tany Jodia
- 8sy Jerosalema sy Edoma sy tany an-dafin’i Jordana ary tamin’ny tany manodidina an’i Tyro sy Sidona nandre izay zavatra nataony, dia nankeo aminy.
- 9Ary Izy nilaza tamin’ny mpianany mba hanisy sambokely hiandry Azy noho ny habetsahan’ny vahoaka, fandrao mifanety aminy ireo.
- 10Fa efa nahasitrana olona maro Izy, ka dia nifanety taminy mba hanendry Azy izay rehetra nanana aretina*.[*Gr. kapoka]
- 11Ary ny fanahy maloto, raha nahita Azy dia niankohoka teo anatrehany ka niantso hoe: Hianao no Zanak’Andriamanitra.
- 12Ary nandrara azy mafy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy.
- 13Ary niakatra teo an-tendrombohitra Jesosy ka niantso izay tiany hankeo aminy; dia nankeo aminy ireo.
- 14Ary nanendry roa ambin’ny folo lahy Izy ho ao aminy sy hirahiny hitori-teny
- 15sady hanana fahefana hamoaka ny demonia.
- 16Ary Simona dia nomeny anarana hafa koa hoe Petera;
- 17ary Jakoba, zanak’i Zebedio, sy Jaona, rahalahin’i Jakoba; izy mirahalahy dia nomeny anarana hafa koa hoe Boaneryjesy, izany hoe Zana-baratra;
- 18ary Andrea sy Filipo sy Bartolomeo sy Matio sy Tomasy sy Jakoba, zanak’i Alfeo, sy Tadeo sy Simona Kananeana*[*Na: Zelota, izahao Lio.6.15]
- 19ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy.
- 20Ary niditra tao an-trano Izy, dia niangona indray ny vahoaka, ka dia tsy nahazo nihinan-kanina akory Izy.
- 21Ary ny havany, raha nandre, dia nivoaka hihazona Azy; fa hoy ireo: Efa very saina Izy.
- 22Ary ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema dia nanao hoe: Manana an’i Belzeboba Izy, sy hoe: Ny lohan’ny demonia no amoahany ny demonia.
- 23Ary rehefa niantso ireo hankeo aminy Izy, dia nanao fanoharana taminy hoe: Hataon’i Satana ahoana no famoaka an’i Satana?
- 24Fa raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany.
- 25Ary raha misy mpiray trano miady an-trano, dia tsy haharitra izany mpiray trano izany.
- 26Ary raha Satana no mitsangana hanohitra ny tenany ka miady an-trano, dia tsy haharitra izy, fa ho rava ny heriny.
- 27Kanefa tsy misy olona afaka miditra ao an-tranon’ny mahery ka handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ilay mahery, dia vao robainy ny ao an-tranony.
- 28Lazaiko aminareo marina tokoa: Hahazo famelan-keloka ny zanak’olombelona amin’ny ota rehetra sy ny fitenenan-dratsy* rehetra izay ataony;[*Gr.blasfemia; izahao Mat. 9.3]
- 29fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin’ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy,
- 30satria ny olona nanao hoe: Azom-panahy maloto Izy.
- 31Ary avy ny reniny mbamin’ny rahalahiny ka nijanona teo ala-trano, dia naniraka tao aminy hiantso Azy.
- 32Ary ny vahoaka nipetraka manodidina Azy ka nanao taminy hoe: Indreo, ato ala-trano ny reninao sy ny rahalahinao mitady Anao.
- 33Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Iza no reniko sy rahalahiko?
- 34Ary nony nijery izay nipetraka manodidina Azy Izy, dia hoy Izy: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko!
- 35Fa na iza na iza no manao ny sitrapon’Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.