Marka
Toko 5
- 1Ary tonga teny am-pitan’ny ranomasina tao amin’ny tanin’ny Gerasena izy ireo.
- 2Ary nony niala teo an-tsambokely Izy, niaraka tamin’izay dia nisy lehilahy azom-panahy maloto nivoaka avy teny amin’ny fasana ka nifanena taminy,
- 3fa nitoetra tao amin’ny fasana izy; ary tsy nisy olona nahafatotra azy intsony na dia tamin’ny gadra aza.
- 4Fa efa nafatony matetika tanin’ny gadra, na ny tànany, na ny tongony; nefa ny gadra tamin’ny tànany notapahiny, ary ny gadra tamin’ny tongony notorotoroiny, ka tsy nisy olona nahafolaka azy.
- 5Ary mandrakariva, na andro na alina, dia nitoetra teny amin’ny fasana sy teny an-tendrombohitra izy ka ninananana sady niteti-tena tamin’ny vato.
- 6Fa nony nahita an’i Jesosy teny lavitra eny izy, dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany
- 7sady niantso tamin’ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izaho sy Hianao, ry Jesosy, Zanak’Andriamanitra Avo Indrindra? Ampianianiko amin’Andriamanitra Hianao, aza mampijaly ahy,
- 8satria Jesosy efa nanao taminy hoe: Mivoaha amin’ity lehilahy ity, ry fanahy maloto.
- 9Dia nanontany azy Jesosy hoe: Iza moa no anaranao? Ary izy namaly hoe: Legiona no anarako, satria maro izahay.
- 10Ary nifona mafy taminy izy mba tsy horoahiny hiala amin’izany tany izany.
- 11Ary nisy kisoa maro andiany izay nandrasana teny akaikin’ny tendrombohitra.
- 12Ary nifona taminy ireo ka nanao hoe: Alefaso izahay ho any anatin’ny kisoa mba hiditra any aminy.
- 13Dia neken’i Jesosy. Ary ny fanahy maloto, rehefa nivoaka, dia niditra tao anatin’ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva teny amin’ny hantsana ho any amin’ny ranomasina (tokony ho roa arivo no isany), ka dia maty* tany amin’ny ranomasina izy.[*Gr. kenda]
- 14Ary ny mpiandry azy dia nandositra ka nilaza tao an-tanàna sy tany an-tsaha. Dia nandeha ny olona mba hizaha izany zavatra izany;
- 15ary tonga tany amin’i Jesosy izy ka nahita ilay demoniaka, izay nisy ny legiona, fa indro izy nipetraka nitafy lamba sady ary saina; ka raiki-tahotra ny olona.
- 16Ary izay efa nahita dia nilazalaza tamin’ny olona izay natao tamin’ilay demoniaka sy ny amin’ny kisoa.
- 17Ary nifona tamin’i Jesosy izy mba hiala amin’ny taniny.
- 18Ary rehefa hiondrana teo an-tsambokely Jesosy, dia nangataka taminy ilay demoniaka mba hanaraka Azy.
- 19Nefa tsy navelan’i Jesosy izy; fa hoy Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao ho any amin’ny havanao, ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon’ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao.
- 20Dia nandeha izy ka nitory tany Dekapolisy izay zavatra lehibe efa nataon’i Jesosy taminy; ka dia gaga ny olona rehetra.
- 21Ary rehefa nita an-tsambokely indray Jesosy ka tonga teny am-pita, dia nisy vahoaka betsaka tafangona teo aminy; ary teo amoron-dranomasina Izy.
- 22Dia avy ny anankiray tamin’ny mpanapaka ny synagoga, Jairo no anarany; ary rehefa nahita an’i Jesosy izy, dia niankohoka teo amin’ny tongony
- 23ka niangavy fatratra taminy hoe: Marary efa ho faty ny zanako-vavy kely; andeha re, mametraha ny tananao aminy, mba ho sitrana* izy ka ho velona.[*Gr. voavonjy]
- 24Dia nandeha niaraka taminy Izy; ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ka nifanety taminy.
- 25Ary nisy vehivavy anankiray izay efa narary* roa ambin’ny folo taona [*Gr. narary nandeha rà]
- 26sady efa niaritra zavatra be tamin’ny mpanao fanafody maro ka nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nety sitrana, fa vao mainka nihanarary kokoa aza;
- 27koa rehefa nahare ny amin’i Jesosy izy, dia nankeo ivohony namaky ny vahoaka ary nanendry ny lambany.
- 28Fa hoy izy: Na dia ny fitafiany ihany aza no voatendriko, dia ho sitrana* aho.[*Gr. voavonjy]
- 29Ary niaraka tamin’izay dia ritra ny loharanon’aretiny*, ka tsaroany tao amin’ny tenany fa sitrana izy.[*Gr. fandehanan’ny ràny]
- 30Ary niaraka tamin’izay dia fantatr’i Jesosy fa nisy hery niala taminy, dia nihodina teo afovoan’ny vahoaka Izy ka nanao hoe: Iza izany nanendry ny lambako izany?
- 31Fa hoy ny mpianany taminy: Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao, ka hoy Hianao va: Iza no nanendry Ahy?
- 32Ary nijery manodidina Izy hizaha ny vehivavy izay efa nanao izany.
- 33Fa raiki-tahotra sady tora-kovitra ravehivavy, satria fantany izay natao taminy, ka dia nankeo aminy izy ka niankohoka teo anatrehany ary nanambara taminy ny marina rehetra.
- 34Ary hoy Izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana* anao: mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin’ny aretinao.[*Gr. namonjy]
- 35Raha mbola niteny Jesosy, dia nisy tonga avy tany amin’ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Efa maty ny zanakao-vavy; nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?
- 36Fa tsy nahoan’i Jesosy izany teny nataony izany, fa* hoy Izy tamin’ilay mpanapaka ny synagoga: Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.[*Na: Ary nony ren’i Jesosy ny teny nataony, dia]
- 37Ary tsy nisy olona navelany hanaraka Azy afa-tsy Petera sy Jakoba ary Jaona, rahalahin’i Jakoba.
- 38Ary dia tonga tao an-tranon’ilay mpanapaka ny synagoga izy ireo, ka hitan’i Jesosy ny tabataba, dia ny olona izay nitomany sy ninaonaona be ihany.
- 39Ary rehefa niditra Izy, dia niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory.
- 40Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin’izay olona teo aminy ka niditra tao amin’izay nisy an-drazazavavy.
- 41Dia nandray ny tànan-drazazavavy Izy ka niteny taminy hoe: Talita komy, izany hoe, raha adika: Ry zazavavy, hoy Izaho aminao: Mitsangàna.
- 42Dia nitsangana niaraka tamin’izay razazavavy ka afa-nandeha; fa efa roa ambin’ny folo taona izy. Ary niaraka tamin’izay dia talanjona indrindra ny olona.
- 43Ary Jesosy nandrara azy mafy mba tsy ho fantatr’olona izany; ary nasainy nomena hanina razazavavy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.