Hosea
Toko 14
- 1Hovaliana Samaria noho ny helony, Fa niodina tamin’Andriamaniny izy; Ho lavon-tsabatra izy, ny zanany madinika hotorotoroina, ary izay bevohoka eo aminy hotatahana.
- 2[Ny hamindran’i Jehovah fo amin’ny Isiraely, rehefa mibebaka] Ry Isiraely ô, miverena amin’i Jehovah Andriamanitrao, fa lavon-keloka ianao.
- 3Mitondrà teny ianareo, eny, miverena amin’i Jehovah, ka manaova aminy hoe: Mamelà ny heloka rehetra, ary raiso izay tsara, ka dia haterinay* ho fanatitra** ny molotray.[*Heb. haloanay][**Heb. vantotr’ombilahy]
- 4Asyria tsy hamonjy anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay sady tsy hiteny amin’ny asan’ny tananay intsony hoe: Ry Andriamanitray ô; Fa ao aminao no ahitan’ny kamboty famindram-po.
- 5Hositraniko ny fiodinany, ho tia azy tsy vozonana Aho; Fa efa niala taminy ny fahatezerako.
- 6Ho tahaka ny ando Aho amin’ny Isiraely; Hamony tahaka ny lilia izy, ary hamaka tahaka an’i Libanona.
- 7Hisandrahaka ny rantsany, ho tahaka ny an’ny hazo oliva ny hatsaran-tarehiny, ary ho tahaka ny an’i Libanona ny hanitra avy aminy.
- 8Izay mipetraka ao ambanin’ny alokalony dia hampahavokatra vary indray*, ary haniry tahaka ny voaloboka izy; Ny lazany ho tahaka ny an’ny divay avy any Libanona.[Na: ho velombelominao indray toy ny vary izy]
- 9Ry Efraima ô, hataoko* inona intsony izay sampy? Izaho dia efa nihaino ka nitsinjo anao**; Tahaka ny hazo kypreso maitso Aho, avy amiko no hahazoana ny vokatrao.[*Na: Efraima hanao hoe: Hataoko][**Heb. azy]
- 10Iza no hendry mba hahafantatra izany zavatra izany? Na manan-tsaina mba hahalala izany? Fa mahitsy ny lalan’i Jehovah, ary ny marina no mizotra eny aminy; Fa ny mpanota kosa dia tafintohina eny aminy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.