Hosea
Toko 2
- 1Kanefa, na dia izany aza, ny isan’ny Zanak’Isiraely dia ho betsaka toy ny fasika amin’ny ranomasina, izay tsy azo afatra sady tsy tambo isaina; ary any amin’ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, dia any no hanaovana aminy hoe: Zanak’Andriamanitra velona ianareo.
- 2Dia hiara-mivory ny taranak’i Joda sy ny taranak’Isiraely ka hifidy anankiray ho lohany izy, dia hiakatra hiala amin’ny tany, fa ho lehibe ny andron’i Jezirda.
- 3Manaova amin’ny rahalahinareo hoe: Amy*, ary amin’ny anabavinareo hoe: Rohama**. [*Amy = Oloko][**Rohama = Namindrana fo]
- 4[Ny hamaizana ny Isiraely, sy ny mbola hampodian’i Jehovah azy] Mifandahara amin-dreninareo, eny, mifandahara fa izy tsy vadiko, ary Izaho tsy vadiny, ary aoka hesoriny ny fijejojejoany hiala eo amin’ny tavany sy ny fijangajangany tsy ho eo an-tratrany;
- 5Fandrao hampihanjahanjaiko izy ka hataoko toy ny tamin’ny andro nahaterahany, ary hataoko toy ny efitra sy ny tany karankaina izy, eny, hataoko matin-ketaheta izy.
- 6Ary tsy hamindrako fo ny zanany, Satria zanaky ny fijangajangana ireny.
- 7Fa efa nijangajanga ny reniny, eny, ilay torontoronina azy efa nanao izay mahamenatra; Fa hoy izy: Hanaraka ireo lehilahiko ihany aho, Izay manome ahy ny hanin-kohaniko sy ny rano hosotroiko, sy ny volon’ondriko sy ny rongoniko sy ny diloiloko ary ny fisotroko.
- 8Koa, indro, hotampenako tsilo ny lalanao sady hasiako fefy, ary tsy hahita izay lalan-kalehany izy.
- 9Ary hiezaka hanenjika ireo lehilahiny izy, nefa tsy hahatratra azy; Eny, hitady ireo izy, nefa tsy hahita; Dia hanao hoe izy: Handeha hody amin’ny vadiko taloha aho; Fa niadana aho tamin’izay noho ny ankehitriny.
- 10Ary tsy fantany fa Izaho no nanome azy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, sady nataoko be ny volafotsiny sy ny volamenany, izay nolaniny ho an*’i Bala,[Na: nataony ho]
- 11Koa dia halaiko indray ny variko amin’ny androny sy ny ranom-boaloboko amin’ny taonany, ary haoriko ny volon’ondriko sy ny rongoniko, izay nomena hasarony ny fitanjahany.
- 12Ary ankehitriny hasehoko eo imason’ireo lehilahiny ny fahamenarany, ka tsy hisy hahafaka azy amin’ny tanako.
- 13Ary hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ny andro firavoravoany sy ny voaloham-bolany ary ny Sabatany, eny, ny fotoam-pivavahany rehetra.
- 14Ary hofongorako ny voalobony sy ny aviaviny, izay nataony hoe: Tangiko avy tamin’ireo lehilahiko ireto, ary hataoko ho tonga ala ireny ka hohanin’ny bibidia.
- 15Ary hovaliako izy noho ny andron’ireo Bala, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra sady niravahany ny kaviny sy ny firavany, ka nanaraka ireo lehilahiny izy; Fa Izaho kosa nohadinoiny, hoy Jehovah.
- 16Koa, indro, Izaho dia hitaona azy ka hitondra azy ho any an-efitra ary hanao teny malefaka hahafinaritra azy.
- 17Ary hatrany dia homeko azy ny tanim-boalobony sy ny lohasaha Akora ho varavaram-panantenana; Ary any no hamaliany* toy ny tamin’ny andro fahatanorany, dia toy ny tamin’ny andro niakarany avy tany amin’ny tany Egypta.[Na: hihirany]
- 18Ary raha mby amin’izany andro izany, hoy Jehovah, dia hataonao hoe Aho Vadiko, fa tsy hataonao intsony hoe Balako*.[Balako = Tompoko]
- 19Fa hesoriko amin’ny vavany ny anaran’ireo Bala, ka tsy hotsarovana amin’ny anarany intsony ireo.
- 20Ary raha mby amin’izany andro izany, Izaho dia hanao fanekena ho azy amin’ny bibidia sy amin’ny voro-manidina ary amin’ny biby mandady sy mikisaka amin’ny tany; Ary hotapatapahiko tsy hisy amin’ny tany intsony ny tsipìka sy ny sabatra ary ny fiadiana, dia hataoko mandry fahizay izy;
- 21Ary hofofoiko ho vadiko mandrakizay ianao, eny, hofofoiko ho vadiko amin’ny rariny sy ny hitsiny ary amin’ny fitiavana sy ny indrafo ianao;
- 22Eny, hofofoiko ho vadiko amin’ny fahamarinana ianao. Ka dia hahalala an’i Jehovah.
- 23Ary amin’izany andro izany dia hihaino* Aho, hoy Jehovah, eny, hihainoa ny lanitra Aho, ary izy kosa hihaino ny tany; [Na: hamaly]
- 24Ary ny tany kosa hihaino ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo; Ary ireo kosa dia hihaino an’i Jezirela,
- 25Dia hafafiko ho Ahy amin’ny tany izy; Ary hamindra fo amin’i Lò-rohama* Aho sady hanao amin’i Lò-amy hoe: Oloko ianao; Ary izy kosa hanao hoe: Andriamanitro Hianao.[Izahao i. 6]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.