Hosea
Toko 12
- 1[Fananarana ny Isiraely noho ny helony] Efraima manodidina Ahy amin’ny lainga, ary ny taranak’Isiraely amin’ny fitaka; Ary Joda mbola mikarenjy tsy manatona an’Andriamanitra, dia ny Iray Masina sy Mahatoky.
- 2Efraima homan-drivotra sady manenjika ny rivotra avy any atsinanana, mandritra ny andro dia ataony betsaka ny lainga sy ny fandozana; Manao fanekena amin’ny Asyriana izy, ary diloilo no entina ho any Egypta.
- 3Manana ady amin’i Joda koa Jehovah ary tsy maintsy mamaly an’i Jakoba araka ny alehany, ka hatsingeriny aminy ny nataony.
- 4Fony mbola tany am-bohoka dia nihazona ny ombelahin-tongotry ny rahalahiny izy, ary rehefa lehibe izy, dia nitolona tamin’Andriamanitra;
- 5Eny, nitolona tamin’Ilay Anjely izy ka nahery; Nitomany izy sady nifona taminy; Nahita azy tao Betela Izy, ary tao no niresahany tamintsika;
- 6Jehovah, Andriamanitry ny maro, Jehovah no hahatsiarovana Azy.
- 7Koa miverena amin’Andriamanitrao ianao; Tandremo ny famindram-po sy ny rariny. Ary miandrasa an’Andriamanitrao mandrakariva.
- 8Kanana* eny an-tànany misy mizana miangatra, ny manambaka no tiany.[Na: Mpandranto izy]
- 9Fa hoy Efraima: Fiharian-karena ihany no efa nataoko, nahazo fananana aho; Ny asako rehetra tsy misy hahatonga fahotana na heloka amiko.
- 10Nefa Izaho no Jehovah Andriamanitrao hatrany amin’ny tany Egypta; Ary mbola hampiditra anao an-day indray Aho tahaka ny tamin’ny fotoam-pivavahana.
- 11Efa niteny tamin’ny mpaminany koa Aho, sady Izaho no nahabetsaka ny fahitana, ary ny mpaminany dia nampilazaiko ohatra.
- 12Raha tena heloka Gileada, dia ho tonga zava-poana tokoa izy; Tany Gilgala no namonoany omby betsaka ho fanatitra, koa ny alitarany dia ho toy ny korontam-bato eny am-bavasa any an-tsaha.
- 13Jakoba nandositra ho any amin’ny tany Syria, Isiraely nanompo hahazoany vady, eny, ny hahazoany vady no niandrasany ondry aman’osy.
- 14Mpaminany no nentin’i Jehovah nitondra ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta, ary mpaminany koa no nentina niahy azy
- 15Nanao izay nahatezitra indrindra Efraima, ka dia havelan’ny Tompony ho eo aminy ny ràny, ary hatsingeriny aminy ny vava ratsy nataony.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.