Hosea
Toko 8
- 1[Ny loza hanjo ny Isiraely noho ny nivadihany] Ataovy eo am-bavanao* ny anjomara! Fa hisy toy ny voromahery hipaoka ny tranon’i Jehovah, satria efa nivadika ny fanekeko sy nandika ny lalàko ireo.[Heb. lanilaninao]
- 2Izaho dia hitarainany hoe: Andriamanitro รด, izahay Isiraely mahalala Anao.
- 3Ataon’ny Isiraely ho zavatra maharikoriko ny soa; Ny fahavalo no hanenjika azy.
- 4Ireny dia nanangana mpanjaka nefa tsy avy tamiko; Nifidy mpanapaka izy, nefa tsy fantatro; Ny volafotsiny sy ny volamenany no nataony sampiny mba hamongorana azy.
- 5Maharikoriko* ilay ombilahy kelinao, ry Samaria; Mirehitra aminareo** ny fahatezerako; Mandra-pahoviana no tsy ho tohanareo*** ny fahadiovana?[*Na: Ataony ho zava-maharikoriko][**Heb. aminy][***Heb. tohany]
- 6Fa avy tamin’ny Isiraely koa izany; Ny mpiasa no nanao azy, ka dia tsy Andriamanitra izy, fa ho torotoro ilay ombilahy kelin’i Samaria.
- 7Fa rivotra no nafafiny, ary tadio no hojinjany; Tsy misy vary mitsangana, ny salohiny tsy hisy ventiny; Ary raha tàhiny hisy aza, dia ny olona hafa firenena no hihinana azy.
- 8Voatelina Isiraely; Ankehitriny dia efa tonga tahaka ny fanaka tsy mahafinaritra izy any amin’ny jentilisa.
- 9Fa niakatra ho any Asyria izy Toy ny borikidia mandeha irery; Efraima dia nanangy ireo lehilahiny* [Heb. fitiavany]
- 10Ary na dia nanangy tany amin’ny jentilisa aza izy, dia hovoriko ankehitriny; Ary hihavitsy izy noho ny entan’ny mpanjakan’ireo mpanapaka.
- 11Fa Efraima nanao alitara maro hanotana, eny, efa nahazo alitara hanotana izy.
- 12Na dia soratako ho azy ny teny betsaka amin’ny lalàko aza, dia ataony ho toy ny zavatra tsy izy izany.
- 13Mamono zavatra hatao fanatitra ho Ahy izy, eny, mihinana ny henan’izany, nefa tsy sitrak’i Jehovah izany; Ankehitriny dia hotsarovany ny fahotany, ary hovaliany ny helony; Eny, izy ireny dia hiverina ho any Egypta.
- 14Efa nanadino ny Mpanao azy Isiraely ka nanorina trano vaventy, ary Joda nanamaro tanàna mimanda; Fa haterako afo ao an-tanànany, ka holevonin’izany ny trano vaventiny.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.