Hosea
Toko 1
- 1Ny tenin’i Jehovah, izay tonga tamin’i Hosea, zanak’i Bery, tamin’ny andro nanjakan’i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, mpanjakan’ny Joda, sy tamin’ny andron’i Jeroboama, zanak’i Joasy, mpanjakan’ny Isiraely.
- 2[] Tamin’ny niandohan’ny nitenenan’i Jehovah tamin’i Hosea dia hoy Jehovah taminy: Andeha ianao maka vady izay efa tena janga sy zanaky ny fijangajangana; fa fatra-pijangajanga miala amin’i Jehovah ny tany.
- 3Dia lasa izy naka an’i Gomera, zanakavavin’i Diblaima; ary dia nanan’anaka ravehivavy ka nitera-dahy taminy.
- 4Ary hoy Jehovah taminy: Ataovy Jezirela no anarany; fa vetivety dia hovaliako ny taranak’i Jeho noho ny rà nalatsaka tao Jezirela, ary hatsahatro ny fanjakan’ny taranak’Isiraely.
- 5Ary amin’izany andro izany dia hotapahiko ao amin’ny tany lemaka Jezirela ny tsipìkan’Isiraely.
- 6Ary nanan’anaka indray ravehivavy ka nitera-bavy. Dia hoy Jehovah taminy: Ataovy Lò-rohama* no anarany; fa tsy hamindra fo amin’ny taranak’Isiraely intsony Aho, eny, tsy havelako mihitsy ny helony**.[*Lò-rohama = Tsy namindrana fo][**Na: hofoanako avokoa ny ananany]
- 7Fa ny taranak’i Joda no hamindrako fo, ary Izaho Jehovah Andriamaniny no hamonjy azy, nefa tsy amin’ny tsipìka, na amin’ny sabatra, na amin’ny ady, na amin’ny soavaly, na amin’ny mpitaingin-tsoavaly.
- 8Ary rehefa notazana Lò-rohama, dia nanan’anaka indray reniny ka nitera-dahy.
- 9Dia hoy Jehovah: Ataovy Lò-amy* no anarany; fa ianareo tsy oloko, ary Izaho tsy ho Andriamanitrareo**.[*Lò-amy = Tsy oloko][**Heb. tsy ho anareo]
Toko 13
- 1[Ny loza nanjo ny Isiraely noho ny fahotany] Raha niteny Efraima, dia nampangorohoro, ka nisandratra tao amin’ny Isiraely izy. Dia nanota ny amin’i Bala izy ka maty;
- 2Ary ankehitriny dia mandroso manota izy, fa ny volafotsiny no anaovany sarin-javatra an-idina ho azy, dia sampy araka ny fahaizany, izay asan’ny mpiasa avokoa; Ireny dia lazainy hoe: Aoka hanoroka ny ombilahy kely izay olona mamono zavatra hatao fanatitra.
- 3Koa ho toy ny rahona maraina izy sy ho toy ny ando izay levona, raha mbola maraina ny andro, sy ho toy ny akofa izay paohin’ny rivotra hiala amin’ny fa noloana, ary ho toy ny setroka avy amin’ny varavarana makarakara.
- 4Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrao hatrany amin’ny tany Egypta, ary tsy mahalala Andriamanitra afa-tsy Izaho ianao, sady tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.
- 5Izaho dia nahalala anao tany an-efitra, dia tany amin’ny tany mampangetaheta.
- 6Araka ny ahitra teny aminy no nahavoky azy; Eny, voky izy, ka niavonavona ny fony; Koa izany no nanadinoany Ahy.
- 7Ka dia tonga toy ny liona aminy Aho, toy ny leoparda amoron-dalana no famitsako.
- 8Mamely azy toy ny famelin’ny bera very anaka Aho, ka mandriatra ny sarom-pony, eny, any no andrapahako azy toy ny fandrapaky sy liom-bavy; Ny bibi-dia no hamiravira azy.
- 9Izao no maharingana anao, ry Isiraely ô; Manohitra Ahy Izay famonjena anao ianao.
- 10Aiza ary izay mpanjakanao, Mba hamonjy anao ao an-tanànanao rehetra? Ary aiza ireo andriambaventinao, izay nantsoinao hoe: Omeo mpanjaka sy mpanapaka aho?
- 11Nomeko mpanjaka ianao tamin’ny fahatezerako, ary nesoriko izy tamin’ny fahavinirako.
- 12Voafehy ny helok’i Efraima, voatahiry ny fahotany.
- 13Fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka no mahazo azy; Zazalahy tsy hendry izy, fa raha tonga ny fotoana, dia tsy mba mandroso ho eo amin’ny fiterahan-jaza izy.
- 14Havotako tsy ho azon’ny herin’ny fiainan-tsi-hita* izy; Hovonjeko ho afaka amin’ny fahafatesana Izy; Ry fahafatesana ô, aiza ny aretina fandripahanao? Ry fiainan-tsi-hita ô, aiza ny fandringananao? Afenina tsy ho hitan’ny masoko ny nenina.[Heb. Sheola]
- 15Fa Efraima dia hahavokatra eo amin’ny rahalahy; Nefa ho avy ny rivotra avy any atsinanana, dia ny rivotr’i Jehovah miakatra avy any an-efitra, ka dia ho ritra ny loharanony, ary ho tankina ny fantsakany; Hobaboina ny rakitra, dia ny fanaka tsara rehetra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.