Hosea
Toko 7
- 1Raha ta-hanasitrana ny Isiraely Aho, dia miseho ny helok’i Efraima sy ny faharatsian’i Samaria, fa manao fitaka izy; Miditra ny mpangalatra, ary ny jiolahy manao andiany dia mandehandeha eny ivelany.
- 2Ary tsy heveriny ao am-po* fa tsarovako ny faharatsiany rehetra; Ankehitriny dia gejan’ny nataony izy, efa tonga eo anatrehako izany.[Heb. ataony hoe]
- 3Amin’ny faharatsiany no ampifaliany ny mpanjaka, ary amin’ny laingany ny mpanapaka.
- 4Samy mpaka vadin’olona avokoa izy rehetra ka toy ny fatana voafanan’ny mpanendy mofo, izay mitsahatra tsy misorona afo hatramin’ny ametafetany ny koba ka ambara-pitombony.
- 5Tamin’ny andron’ny mpanjakantsika dia nankarary tena tamin’ny fanafanan’ny herin’ny divay ny mpanapaka; Nifandray tanana tamin’ny mpaniratsira ny mpanjaka.
- 6Fa entin’ireo ho ao am-panotrehana ny fony, toy ny ho ao amin’ny fatana; Mandritra ny alina dia matory ihany ny mpanendy azy, ary nony maraina dia toy ny lelafo mirehitra ny fatana.
- 7Samy mahamay toy ny fatana izy rehetra ka mandevona ny andriambaventiny; Efa lavo avokoa, ny mpanjakany, tsy misy miantso Ahy izy rehetra.
- 8Efraima dia miharoharo amin’ireo firenena; Efraima dia efa tonga ampempa tsy voavadika.
- 9Lanin’ny vahiny ny heriny, nefa tsy fantany akory izany; Eny, efa mipi-bolo ihany izy, saingy tsy fantany.
- 10Ary ny avonavon*’Isiraely dia vavolombelona manameloka azy; Nefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy miverina amin’i Jehovah Andriamaniny ihany izy, na mitady Azy.[Na: ny reharehany]
- 11Ary Efraima dia efa tonga tahaka ny voromailala adaladala tsy manan-tsaina; Efa miantso an’i Egypta izy ary efa mankany Asyria.
- 12Raha vao mandeha izy, dia hovelariko aminy ny fandrika haratoko, ka hampidiniko ao toy ny voro-manidina izy; Hofaizako izy araka izay efa nambara tamin’ny fiangonany.
- 13Lozan’ireny! satria nandositra Ahy izy, haringana izy! satria niodina tamiko; Izaho ta-hanavotra azy, fa izy kosa dia lainga no entiny milaza Ahy.
- 14Ary tsy mitaraina amiko ao am-pony izy, fa midradradradra foana ao am-pandriany; Mitangorona hitady vary sy ranom-boaloboka izy, dia miodina miala amiko.
- 15Ary Izaho no nampianatra sy nanatanjaka ny sandriny, nefa izy kosa dia misaintsain-dratsy Ahy,
- 16Miverina ihany izy, nefa tsy ho amin’ny Avo; Tonga tahaka ny tsipìka manjiona izy; Ho lavon-tsabatra ny mpanapaka azy noho ny firehitry ny lelany; Izany no ho latsany any amin’ny tany Egypta.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.