Hosea
Toko 4
- 1[Ny fananarana ny Isiraely noho ny helony] Mihainoa ny tenin’i Jehovah, ianareo Zanak’Isiraely! Fa Jehovah manana ady amin’ny mponina amin’ny tany, satria tsy misy fahamarinana, na fitiavana, na fahalalana an’Andriamanitra eo amin’ny tany,
- 2Fa fianianana sy lainga sy vonoana sy halatra sy fijangajangana kosa, eny, manao an-keriny izy* ka mifanontona ny fandatsahan-drà.[Na: Fa ny fianianana sy ny lainga sy ny vonoana sy ny halatra ary ny fijangajangana no mihabetsaka]
- 3Ary noho izany dia mitomany ny tany ary reraka izay rehetra mitoetra ao aminy, dia* ny bibi-dia sy ny voro-manidina; Eny, na dia ny hazandrano any anaty ranomasina aza dia ringana koa.[Na: Mbamin’]
- 4Kanefa aza misy mandahatra, na mananatra; Fa ny oloko dia efa tahaka ny mifanditra amin’ny mpisorona.
- 5Ka dia ho tafintohina antoandro ianao, ary ny mpaminany hiara-tafintohina aminao koa amin’ny alina, ary hovonoiko ny reninao.
- 6Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian’ny fahalalana. Satria ianao efa nandà ny fahalalana, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; Ary efa nanadino ny lalan’Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko kosa ny zanakao.
- 7Araka ny nitomboany no nanotany tamiko, ka dia hampodiko ho henatra kosa ny voninahiny.
- 8Ny fanatitra noho ny ota izay aterin’ny oloko dia haniny ka satriny ihany ny ho diso ireny.
- 9Ary ho sahala ihany ny hanjo ny olona sy ny mpisorona; Dia hovaliako izy noho ny lalany, ary ny ataony dia hatsingeriko aminy.
- 10Ka dia hihinana izy, nefa tsy ho voky, hijangajanga izy, nefa tsy hihabetsaka, satria Jehovah efa tsy nahoany intsony.
- 11Fijangajangana sy divay ary ranom-boaloboka no mahalasa ny saina.
- 12Ny oloko dia mila saina amin’ny tapa-kazony, ary ny tehiny no manambara aminy; Fa ny fanahim-pijangajangana no nampania azy, ary lasan-ko janga izy ka tsy manaiky an’Andriamaniny.
- 13Eny an-tampon’ny tendrombohitra no amonoany zavatra hatao fanatitra, ary eny amin’ny havoana no andoroany ditin-kazo manitra, dia eny ambanin’ny hazo ôka sy ny popola ary ny terebinta, satria tsara alokaloka ireny; Koa izany no ijejojejoan’ny zanakavavinareo sy ijangajangan’ny vinantovavinareo.
- 14Tsy hamaly ny zanakavavinareo Aho, raha mijejojejo izy, na ny vinantovavinareo, raha mijangajanga izy; Fa ny tenanareo* aza dia miavaka hankamin’ny mpijangajanga sady mamono zavatra hatao fanatitra miaraka amin’ireo vehivavy mpanolotena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, ka dia ho lavo ny firenena tsy misaina.[Heb. ireny]
- 15Na dia mijangajanga aza ianao, ry Isiraely. Aoka ny Joda tsy mba hanota; Ary aza mankany Gilgala na miakatra any Betavena ianareo; Ary aza mianiana hoe: Raha velona koa Jehovah!
- 16Fa ny Isiraely dia maditra toy ny vantotr’ombivavy maditra; Ankehitriny dia handrasan’i Jehovah toy ny zanak’ondry eny amin’ny malalaka izy.
- 17Tafaraikitra amin’ny sampy Efraima; Aoka izy ho eo.
- 18Efa lefy ny divainy; Mahery mijangajanga izy*; Fatra-pitia henatra ireo mpanapaka azy**. [*Na: Rehefa mitsahatra ny fibobohany, dia mahery mijangajanga izy][**Heb. ampingany]
- 19Voapaoky ny elatry ny rivotra izy ka ho menatra noho ny zavatra novonoiny hatao fanatitra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.