Hosea
Toko 10
- 1Voaloboka misandrahaka Isiraely, mamoa ho azy izy; Araka ny habetsahan’ny voany no nanaovany alitara betsaka, araka ny hatsaran’ny taniny no nanaovany tsangam-baton-tsampy tsara tarehy.
- 2Mamitaka* ny fony, koa dia hovaliana izy izao noho ny helony; Jehovah no hanimba ny alitarany sy handrava ny tsangam-baton-tsampiny [Heb. Malambolambo]
- 3Amin’izany dia hiteny izy hoe: Tsy mana-mpanjaka isika; Fa tsy natahorantsika Jehovah, koa hahavita inona ho antsika moa izay mpanjaka?
- 4Niteniteny foana izy tamin’ny nianianany tsy tò sy ny nanaovany fanekena; Ka nitrebona toy ny zava-mangidy eny am-bavasa eny an-tsaha ny rariny.
- 5Ny mponina any Samaria matahotra noho ny amin’ny ombivavy kely ao Betavena; Fa ny olony mitomany azy,
- 6[Ary ny mpisorony mangovitra noho ny aminy, dia noho ny amin’ny voninahiny, fa lasan-ko babo izany] Iny koa ho entina any Asyria ho fanomezana ho an’i Jareba mpanjaka; Ho afa-baraka Efraima, eny, hangaihay Isiraely noho ny saina nataony.
- 7Ho rava Samaria, ny mpanjakany dia ho tonga toy ny sombin-javatra eny ambonin’ny rano.
- 8Ary ho rava koa ny fitoerana avo ho Avena, izay anotan’Isiraely; Ho rakotry ny tsilo sy ny ahitra ratsy ny alitarany; Ary izy hanao amin’ny tendrombohitra hoe: sarony izahay, ary amin’ny havoana hoe: Mianjerà aminay.
- 9Hatramin’ny andro fony tany Gibea no efa nanotanao, ry Isiraely; Nikikitra tany izy; Tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady namelezana ny zanaky ny faharatsiana.
- 10Araka ny sitrako no hamaizako azy; Ary hovorina hamely azy ny firenena, amin’ny hamatorana azy noho ny helony roa loha.
- 11Ary Efraima dia tahaka ny ombivavy kely efa voafolaka ka faly hively vary; Ary hasiako zioga* ny vozony tsara tarehy; Hampandehaniko Efraima; Joda hiasa tany, ary Jakoba handravona.[Heb. hihoarako]
- 12Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinjà araka ny fitiavana, hevoy ny tombam-borakareo*; Fa izao no andro hitadiavana an’i Jehovah ambara-pihaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo**.[*Na: Miasà tany vaovao ho anareo][**Na: hampianarany anareo ny fahamarinana]
- 13Niasa faharatsiana ianareo, ka fahadisoana no nojinjanareo; Nihinana ny vokatry ny lainga ianareo fa nitoky tamin’ny alehanareo sy ny habetsahan’ny lehilahy maherinareo* ianareo.[Heb. alehanareo, maherinao, ianao, olonao, tanànanao]
- 14Dia hisy tabataba hamelezana ny olonareo*, ka horavana ny tanànareo* mimanda rehetra, toy ny nandravan’i Salamana an’i Bet-arbela tamin’ny andro niadiana, ka torotoro avokoa ny reniny mbamin’ny zanany.[Heb. alehanareo, maherinao, ianao, olonao, tanànanao]
- 15Toy izany no hataon’i Betela* aminareo, noho ny haben’ny faharatsianareo; Raha maraina ny andro, dia ho levona mihitsy ny mpanjakan’ny Isiraely.[Na: Toy izany no hatao aminareo, ry Betela]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.