Hosea
Toko 5
- 1Henoinareo izao, ry mpisorona, ary mandrenesa, ry taranak’Isiraely; Ary atongilano ny sofinareo, ry mpianakavin’ny mpanjaka; Fa ianareo no hihiran’ny fitsarana, satria tonga fandrika ao Mizpa ianareo sy fandrika harato voavelatra ao Tabara.
- 2Ny mpivadika dia fatra-pamono*; Fa Izaho kosa famaizana azy rehetra.[Na: fatra-panao ratsy]
- 3Izaho mahalala an’i Efraima, ary Isiraely tsy takona amiko; Ankehitriny dia tonga mpijangajanga ianao, ry Efraima, voaloto Isiraely.
- 4Tsy avelan’ny ataony hiverina* amin’Andriamanitra izy; Fa ny fanahim-pijangajangana no ao anatiny, ary Jehovah tsy fantany.[Na: tsy mety manao izay hiverenany]
- 5Ary ny avonavon’Isiraely dia vavolombelona manameloka azy; Ary Isiraely indrindra fa Efraima, ho lavon-keloka; Joda hiara-davo aminy koa.
- 6Hitondra ny ombiny aman’ondriny izy ka handeha hitady an’i Jehovah. Nefa tsy hahita Azy; Jehovah efa niala taminy.
- 7Nivadika tamin’i Jehovah izy, fa niteraka zaza sary; Ankehitriny dia ho levon’ny voaloham-bolana izy mbamin’ny zara-lovany.
- 8Tsofy ao Gibea ny anjomara ary ny trompetra ao Rama! Miantsoa mafy ao Betavena! Inay! misy manenjika anao, ry Benjamina!
- 9Ho lao Efraima, raha mby amin’ny andro fanamelohana; Izay tsy maintsy ho tò no nambarako tao amin’ny firenen’Isiraely.
- 10Ny mpanapaka ny Joda dia efa tonga toy izay mamindra faritany, ka dia ireo no hampidinako ny fahatezerako toy ny fampidina rano.
- 11Ampahorina Efraima sady voatorotoron’ny fitsarana, satria ninia nanaraka didin’olombelona izy,
- 12Koa amin’i Efraima dia tahaka ny kalalao Aho ary amin’ny taranak’i Joda dia toy ny fositra*.[Na: momoka]
- 13Rehefa hitan’i Efraima ny aretiny, ary Joda ny feriny, dia nantany amin’ny Asyriana Efraima, eny, naniraka ho any amin’i Jareba* mpanjaka izy; Nefa izy tsy mahasitrana anareo, na mampanaritra ny ferinareo.[Jareba = Mpandahatra, na Mpiady]
- 14Fa amin’i Efraima dia tahaka ny liona Aho, ary amin’ny taranak’i Joda dia tahaka ny liona tanora: Izaho dia Izaho no mamiravira, dia lasa mandeha; Mahalasa Aho, ka tsy misy mahavonjy.
- 15Handeha hody any amin’ny fitoerako Aho ambara-piaikiny ny helony sy hitadiavany ny tavako. Rehefa azom-pahoriana izy, dia hitady Ahy fatratra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.