Hosea
Toko 1
- 1Ny tenin’i Jehovah, izay tonga tamin’i Hosea, zanak’i Bery, tamin’ny andro nanjakan’i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, mpanjakan’ny Joda, sy tamin’ny andron’i Jeroboama, zanak’i Joasy, mpanjakan’ny Isiraely.
- 2[] Tamin’ny niandohan’ny nitenenan’i Jehovah tamin’i Hosea dia hoy Jehovah taminy: Andeha ianao maka vady izay efa tena janga sy zanaky ny fijangajangana; fa fatra-pijangajanga miala amin’i Jehovah ny tany.
- 3Dia lasa izy naka an’i Gomera, zanakavavin’i Diblaima; ary dia nanan’anaka ravehivavy ka nitera-dahy taminy.
- 4Ary hoy Jehovah taminy: Ataovy Jezirela no anarany; fa vetivety dia hovaliako ny taranak’i Jeho noho ny rà nalatsaka tao Jezirela, ary hatsahatro ny fanjakan’ny taranak’Isiraely.
- 5Ary amin’izany andro izany dia hotapahiko ao amin’ny tany lemaka Jezirela ny tsipìkan’Isiraely.
- 6Ary nanan’anaka indray ravehivavy ka nitera-bavy. Dia hoy Jehovah taminy: Ataovy Lò-rohama* no anarany; fa tsy hamindra fo amin’ny taranak’Isiraely intsony Aho, eny, tsy havelako mihitsy ny helony**.[*Lò-rohama = Tsy namindrana fo][**Na: hofoanako avokoa ny ananany]
- 7Fa ny taranak’i Joda no hamindrako fo, ary Izaho Jehovah Andriamaniny no hamonjy azy, nefa tsy amin’ny tsipìka, na amin’ny sabatra, na amin’ny ady, na amin’ny soavaly, na amin’ny mpitaingin-tsoavaly.
- 8Ary rehefa notazana Lò-rohama, dia nanan’anaka indray reniny ka nitera-dahy.
- 9Dia hoy Jehovah: Ataovy Lò-amy* no anarany; fa ianareo tsy oloko, ary Izaho tsy ho Andriamanitrareo**.[*Lò-amy = Tsy oloko][**Heb. tsy ho anareo]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.